plt_tn/mat/06/19.md

28 lines
832 B
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Manomboka mampianatra momba ny vola sy ny fananana i Jesosy.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "anareo" dia manondro olona maro, afa-tsy ny ao amin'ny andininy faha 21, izay manondro olona tokana.
# izay simbain'ny kalalao sy harafesina
"izay hanimban'ny kalalao sy ny harafesina ny harena"
# kalalao
Biby kely, manidina mpanimba lamba
# harafesina
zavatra miloko volon-tany miraikitra eo amin'ny vy
# tehirizo ny harenareo any an-danitra
Io dia sarin-teny izay midika hoe manaova zavatra tsara ety an-tany mba hamalian'andriamanitra soa anao any an-danitra.
# no itoeran'ny fonao ihany koa
Eto ny hoe "fo" dia ilazana ny eritreritra na izay mahaliana ny olona iray.