plt_tn/luk/17/17.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity no faran'ny fizaran'ny tantara momban'ny fanasitranan'i Jesosy ireo boka 10.
# Jesosy namaly hoe
Jesosy namaly izay nataon'ilay lehilahy, fa ireo vondron'olona nanodidina Azy no noresahany. DH: ''Noho izany Jesosy niteny tamin'ny vahoaka hoe''
# Tsy efa voadio ve izy folo?
Nampiasa fanontaniana Jesosy mba hampisehoany ny olona manodidina Azy fa taitra sy diso fanantenana Izy hoe iray tamin'ireo folo ihany no niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra. DH: "Lehilahy folo no sitrana'' na ''Andriamanitra nanasitrana lehilahy folo''
# Fa aiza ny sivy?
'''Nahoana no tsy niverina ireo sivy hafa?'' DH: '''Tokony niverina ihany koa ireo lehilahy sivy hafa''
# Tsy nisy hafa niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra ve, afa-tsy ity vahiny ity?
DH: ''Tsy nisy afa-tsy ity lehilahy vahiny ity no niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra'' na ''Andriamanitra nanasitrana lehilahy folo, nefa ity vahiny ity ihany no niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra''
# ity vahiny ity
Ireo Samaritana dia nanana razambe izay tsy Jiosy ary tsy nankalaza an'Andriamanitra tahaka ny fomba nataon'ny Jiosy izy ireo.
# Ny finoanao no nahasitrana anao
''Nohon'ny finoanao dia sitrana ianao.'' Ny hevitry ny hoe ''finoana'' dia afaka resahina toy ny hoe ''mino.'' DH: ''Satria mino ianao, dia sitrana indray''