24 lines
1.3 KiB
Markdown
24 lines
1.3 KiB
Markdown
|
# Nahoana ianao, ry Jakoba, no niteny, ary ianao ry Israely no nanambara...ny fanamarinana ahy?
|
||
|
|
||
|
Ny fanontaniana dia manindry fa tsy tokony milaza izay lazainy izy ireo. DH: "Tsy tokony milaza ianareo, ry vahoakan'Israely...fanamarinana ahy."
|
||
|
|
||
|
# Nahoana ianao, ry Jakoba, no niteny, ary ianao ry Israely no nanambara
|
||
|
|
||
|
Ireo andianteny roa ireo dia samy manondro ny vahoakan'Israely. DH: "Nahoana ianareo no milaza, ry vahoakan'Israely"
|
||
|
|
||
|
# Ny lalako dia miafina amin'i Yaveh
|
||
|
|
||
|
Ny tsy fahafantaran'i Yaveh izay hahazo azy ireo dia resahina toy ny hoe tsy afaka mahita ny lalana izay andehanan'izy ireo Yaveh. DH: "Tsy fantatr'i Yaveh izay hahazo ahy"
|
||
|
|
||
|
# ny Andriamanitro dia tsy voakasiky ny fanamarinana ahy
|
||
|
|
||
|
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy miraharaha ireo hafa izay mampijaly ahy ny Andriamanitro" na 2) "tsy miraharaha ny fampijaliana ahy ny Andriamanitro."
|
||
|
|
||
|
# Tsy fantatrareo ve? Tsy renareo ve?
|
||
|
|
||
|
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Isaia mba hanindriana fa tokony hahalala ny haben'i Yaveh ny olona. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 40:21. DH: "Fantatrareo sy renareo tokoa!"
|
||
|
|
||
|
# faran'ny tany
|
||
|
|
||
|
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany ireo. Miendrika fampisainana sy manondro ny toerana rehetra amin'ny faran'ny tany io andianteny io. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ny tany manontolo''
|