28 lines
1.4 KiB
Markdown
28 lines
1.4 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Miteny i Hosea mpaminany.
|
||
|
|
||
|
# Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro
|
||
|
|
||
|
Ny "mpiambina" dia mitazana any ivelan'ny tanàna hijery raha misy loza tamy. Ny mpaminany mampitandrina ny olona rehefa manota sy ambava-lozan'ny ho faizin'ny Andriamaniny dia resahina toy ny hoe mpiambina ny tanàna. DH: "Tahaka ny mpiambina eo amin'ny Efraima ho an'Andriamanitra ny mpaminany"
|
||
|
|
||
|
# Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro
|
||
|
|
||
|
Ny dikan-teny sasany dia maandika io andalan-teny io hoe "Mpiambina an'i Efraima ny mpaminany miaraka amin'ny Andriamanitro"
|
||
|
|
||
|
# Ny mpaminany no
|
||
|
|
||
|
Ilazana ny mpamianany amin'ny ankapobeny izay notendren'i Yaveh io. DH: "Ireo mpaminany no" na "ireo mpaminany marina no"
|
||
|
|
||
|
# Efraima
|
||
|
|
||
|
Eto "Efraima" dia manondro ny vahoakan'Israely rehetra.
|
||
|
|
||
|
# Fa misy fandri-borona amin'ny lalany rehetra
|
||
|
|
||
|
Ny "fandri-borona" dia fandrika ampiasaina ahazoana vorona. Midika izany fa ny vahoakan'Israely dia manao izay rehetra vitany mba hanakanana ny mpaminanin'i Yaveh. DH: "mamela-pandrika ho azy na aiza na aiza alehany" na "manao izay rehetra vitany ny vahoaka mba hanisiana ratsy azy"
|
||
|
|
||
|
# Efa nanimba toetra fatratra toy ny tamin'ny andron'i Gibea izy ireo
|
||
|
|
||
|
"Nanota ny vahoakan'Israely ary lasa simba toetra tokoa tahaka azy ireo tany Gibea fahiny." Mety fanehoana ny fihetsika manafintohina nataon'ny fokon'i Benjamina naverina notantaraina tao amin'ny Mpitsara 19-21 izany.
|