36 lines
1.9 KiB
Markdown
36 lines
1.9 KiB
Markdown
|
# Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay
|
||
|
|
||
|
Izany andian-teny izany dia nampiasaina hanamarihana ny fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao.
|
||
|
|
||
|
# nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany
|
||
|
|
||
|
"nampandraiketin'i Potifara an'i Josefa ny tokan-tranony sy ny zavatra rehetra izay nananany"
|
||
|
|
||
|
# notahian(a)
|
||
|
|
||
|
Eto ny "notahiana" dia midika hoe nampitranga zavatra tsara na nampahazo tombotsoa ny olona na ny zavatra izay voatahy.
|
||
|
|
||
|
# Ny fitahian'i Yaveh dia tao
|
||
|
|
||
|
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fitahiana izay omen'i Yaveh toy ny zavatra izay manarona ny zavatra iray hafa. DH: "nitahy i Yaveh"
|
||
|
|
||
|
# ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha
|
||
|
|
||
|
Ilazana ny ankohonany sy ireo vokatrany ary ireo biby fiompiny. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava. DH: "Ny ankohonan'i Potifara sy ireo vokatrany rehetra mbamin'ireo biby fiompiny"
|
||
|
|
||
|
# Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany
|
||
|
|
||
|
Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny." DH: "Koa niandraiketan'i Josefa ny zavatra rehetra izay nananany"
|
||
|
|
||
|
# Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy
|
||
|
|
||
|
Tsy nila miahiahy mahakasika ny zavatra izay ao an-tokantranony izy; ny hany nataony dia ny mihevitra izay tiany hohanina. Afaka atao izany hoe: DH: "ny hany mba noheritretin'i Potifara dia ny mihevitra izay tiany hohanina. Tsy nila nisaina ny zavatra hafa tao an-tokantranony izy " (UDB)
|
||
|
|
||
|
# Ary
|
||
|
|
||
|
Ny teny "ary" dia manamarika fiatona ao amin'ny fizotry ny tantara ary ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fototra mahakasika an'i Josefa.
|
||
|
|
||
|
# tsara tarehy sady mahasarika
|
||
|
|
||
|
Mitovy ihany ny hevitr'ireo teny roa ireo. Ilazana ny endrik'i Josefa izay maha-te-ho tia. Azo antoka tokoa fa tsara tarehy sy matanjaka izy. DH: "tsara tarehy sy matanjaka"
|