plt_tn/sng/02/08.md

48 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manomboka eto ny Fizarana Faharoa amin'ny boky
# Endrey, iny tamy iny izy
Ny teny hoe "Endrey" eto dia manasongadina izay manaraka. DH: "Eny tokoa"
# mandingandingana ireo tendrombohitra, mitsambikina amin'ireo havoana
"mandingandingana ireo tendrombohitra, mihazakazaka mafy amin'ireo havoana." Mihazakazaka mafy sy tsara tahaka ny gazela ilay tiana, na dia eo amin'ny kianja marokorokon'ireo tendrombohitra sy havoana aza.
# tahaka ny gazela na diera mbola tanora
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny gazela sy serfa mbola tanora ny malalany satria faingana, tsara tarehy, sy soa tahaka ireo biby ireo izy.
# gazela
Jereo ny nandikanao ny hoe "gazela" ao amin'ny 8:2.
# diera mbola tanora
"zanaka serfa" na "serfa vavy mbola tanora"
# indro, izy dia mitsangana
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa nahita zavatra mahaliana ravehivavy.
# mitazana eo amin'ny varavaran-kely
"nijery teo am-baravaran-kely"
# ao ambadiky ny rindrinay
"tao amin'ny lafin'ny rindrinay ambadika." Tao an-trano ilay vehivavy ary tao ivelan'ny trano ny malalany.
# ny rindrinay
Ny hoe "-nay" dia manondro ilay vehivavy sy ny olona hafa ao an-trano izay miaraka aminy.
# mipoitra eo amin'ny makarakara
"nipoitra teo amin'ny makarakara izy"
# makarakara
hazo lava misadika izay nofaretin'ny olona miaraka mba hamoronana rakotra ho an'ny varavarankely na fidirana hafa