plt_tn/rev/16/17.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ilay anjely fahafito nandraraka ny lovia fahafito nisy ny fahatezeran'Andriamanitra.
# nandraraka ny tao an-doviany
Ny teny hoe: "lovia" dia maneho izay ao anatiny. DH: "nandraraka ny divay tao an-doviany" na "nandraraka ny fahatezeran'Andriamanitra tao an-doviany"
# Ary nisy feo mafy nivoaka avy tao an-tempoly sy avy tamin'ny seza fiandrianana
Izany dia midika fa olona iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana na olona iray nitsangana teo akaikin'ny seza fiandrianana no niteny mafy. Tsy fantatra mazava hoe iza ilay miteny.
# tselatra
Ampiasao eto ny teny izay mamaritra ny tselatra amin'ny fitenim-paritrao rehefa miseho izany.
# kotroka, kotro-baratra
Feo mahery ataon'ny kotroka. Ampiasao eto ny teny izay mamaritra ny feon'ny kotroka amin'ny fitenim-paritrao. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 4:4.
# Vaky ... ilay tanàna lehibe
Afaka atao hoe: "Ilay horohoron-tany namaky ny tanàna lehibe"
# Avy eo Andriamanitra niantso
"Ay eo Andriamanitra nahatsiaro" na "Avy eo Andriamanitra nieritreritra momba ny" na "Avy eo Andriamanitra nanomboka nifantoka tamin'ny." Izany dia tsy midika fa nahatadidy zavatra iray izay adinony Andriamanitra.
# nomeny izany tanàna izany ny kapoaka feno divay vita avy amin'ny firehetan'ny fahatezerany
Ny divay dia famantarana ny hatezerany. Ny fampisotroana ny olona an'izany dia marika fa sazin'izy ireo izany.DH: "izy dia nampisotro ny olona tao amin'ny tanàna ny divay izay maneho ny fahatezerany"