plt_tn/psa/070/004.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# mitady Anao
Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia maneho 1) fangatahana fanampiana amin'Andriamanitra na 2) mihevitra momba an'Andriamanitra sy mankatò Azy. DH: "mangataka fanampiana aminao" na "mihevitra momba Anao sy mankatò Anao"
# hifaly sy ho ravoravo
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny fahalehibiazan'ny haravoana. DH: "hifaly tanteraka" na "ho tena ravo"
# tia ny famonjenao
Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho asa. DH: "tia Anao satria namonjy azy ireo Ianao" (UDB)
# hiteny mandrakariva
Izany dia fanitarana mba hanamafisana ny maha zava-dehibe ny fiderana an'Andriamanitra matetika.
# mahantra sy ory
Eto ny teny "mahantra" sy "ory" midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa tsy afaka mamonjy ny tenany izy. DH: "tena ory aho"
# faingàna amiko
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe Izy mihazakazaka mankany amin'ny mpanoratra mba hampnjy azy. DH: "tongava faingana hanampy ahy!" (UDB)
# Ianao no vonjy ho ahy ary manavotra ahy
Eto ny andianteny "Ianao no vonjy ho ahy" dia manazava ny hoe Andriamanitra no "vonjy." DH: "Ianao manampy ahy amin'ny famonjena ahy"