plt_tn/psa/029/001.md

24 lines
920 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Salamo nataon'i Davida
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
# zanak'Andriamanitra
Ny andianteny "zanak'i" dia fomba ilazana hoe "manana ny toetran'i." DH: "Ianareo ry lehilahy mahery"
# Miderà an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny
Ny anarana "vaoninahitra" sy "hery" dia azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "Miderà an'i Yaveh fa be voninahitra sy mahery Izy"
# Omeo an'i Yaveh ny voninahitra izay mendrika ny anarany
Ny anarana "voninahitra dia azo avadika ho matoanteny na mpamaritoetra. DH: "Omeo voninahitra Yaveh araka izay mendrika ny anarany"
# izay mendrika ny anarany
Ny andinateny "ny anarany" dia manondro an'i Yaveh na ny lazany. DH: "araka izay mifanaraka nohon'ny amin'ny maha izy Azy"