plt_tn/pro/25/25.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Toy ny rano mangatsiaka ho an'izay mangetaheta, ny vaovao mahafaly avy any amin'ny firenena lavitra
Ny rano mangatsiaka dia ampitahaina amin'ny vaovao mahafaly izay samy mamelombelona sy mahafinaritra.
# Tahaka ny loharano voahosihosy sy fantsakana rava ny olo-marina mikoy eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy
Misy olona miandry ny loharano mba hisy rano mangatsakatsaka, tahaka ny fiandrasan'ny olona iray ny olo-marina mba hijoro ho an'izay inoany. Ny loharano voaloto dia ampitahaina amin'ny olo-marina izay lavo.
# mikoy eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy
Ny hoe mikoy dia sarinteny ilazana ny 1) fandavana ny hiady amin'ny olona ratsy fanahy na 2) fanatevenan-daharana ny faharatsian'izy ireo. DH: "izay mamela ny ratsy fanahy hanao faharatsiana" na "izay manomboka manao izay ataon'ny olona ratsy fanahy"
# mikoy
Sarinteny ilazana ny tsy fahafahana manohy manao ny tsara io. DH: "tsy afa-mijoro"
# eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy
Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa mamely azy ny ratsy fanahy" na 2) "rehefa manosika azy hanao ratsy ny olona ratsy fanahy"