plt_tn/pro/05/20.md

24 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fa nahoana ianao, ry zanako, no tokony ho voasariky ny mpijangajanga; nahoana ianao no tokony hamihina ny tratran'ireo vehivavy ratsy fitondran-tena?
Mametraka ity fanontaniana fampisainana ity ny mpanoratra mba hanindriana fa ny zanany lahy dia tsy mahazo manao ireo zavatra ireo. DH: "Ry zanako, aza mety ho babon'ny vehivavy janga! Aza mamihina ny tratran'ny vehivavy ratsy fitondran-tena!"
# ho babon'ny mpijangajanga
Ny fangitakitahana lehibe miseho avy amin'ny faniriana vehivavy dia resahina toy ny hoe babon'izany vehivavy izany izy. DH: "mamela vehivavy janga hambabo anao" na "mamela vehivavy janga hisarika anao"
# nahoana ianao no tokony hamihina ny tratran'ireo vehivavy ratsy fitondran-tena
Eto ny teny hoe "tratra" dia entina ilazana ilay vehivavy ratsy fitondran-tena sy ny fanintonany ara-nofo. DH: "nahoana ianao no tokony hamihina vehivavy ratsy fitondran-tena"
# vehivavy ratsy fitondran-tena
Ireo mety ho heviny dia 1) "vehivavy izay tsy vadinao" na 2) "vehivavy izay vadin'olon-kafa."
# Mahita ny zavatra ataon'ny olona rehetra ... mijery ny lalana alehany rehetra
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy hevitra ihany ary manindry fa fantatr'Andriamanitra ny zavatra rehetra ataony.
# ny lalana alehany rehetra
Ny ataon'ny olona na ny fomba fiainany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona. DH: "izay rehetra alehany" na "izay rehetra ataony"