plt_tn/num/22/02.md

28 lines
1017 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Balaka zanak'i Zipora
Balaka no mpanjakan'i Moaba.
# Zipora
Zipora no rain'i Balaka.
# Natahotra mafy ny vahoakan'ny Israely i Moaba...nihorohoro tamin'ny vahoakan'ny Israely i Moaba
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany, ary manindry fa tena natahotra Moaba.
# Natahotra mafy...i Moaba
Eto ny hoe "Moaba" dia manondro ny vahoakan'i Moaba. DH: "Natahotra mafy ireo Moabita rehetra"
# Niteny tamin'ireo loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba
Vondron'olona roa samihafa ny Moabita sy ny Midianita, fa ny Midianita dia nipetraka tao amin'ny tanin'i Moaba tamin'izany fotoana izany.
# Hihinana ny rehetra izay manodidina antsika tahaka ny omby mihinam-bilona eny an-tsaha ireo maro ireo
Ny fomba handravan'Israelita ny fahavalon'izy ireo dia resahina toy ny hoe omby mihinam-bilona eny an-tsaha izy ireo.
# Ary i Balaka zanak'i Zipora no mpanjakan'i Moaba tamin'izany fotoana izany
Io dia fiovana miala amin'ny vontoatin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra momba an'i Balaka.