plt_tn/neh/01/01.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Nehemia ... Hakalia ... Hanany
Ireo dia anaran-dehilahy.
# tamin'ny volana Kisleo
"Kisleo" no volana fahasivy amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritry ny tapaky ny volana Novambra sy fiandohan'ny volana Desambra amin'ny tetiandro tandrefana.
# tamin'ny taona faharoapolo
Nehemia dia manondro ny isan'ny taona nanjakan'i Artakserisesy. DH: "tamin'ny taona faharoapolo nanjakan'i Artakserisesy"
# fiarovana mafin'i Sosa
Io dia isan'ny tanàn-dehiben'ny mpanjaka Persiana, izay ao amin'ny tanin'i Elama. Izany dia tanàna midadasika sy voaaro mafy miaraka amin'ny manda manodidina azy.
# iray tamin'ireo rahalahiko
Hanany dia rahalahy mirai-rà amin'i Nehemia.
# i Hanany, no tonga niaraka tamin'ny olona maromaro avy any Joda
"Tonga avy any Joda niaraka tamin'ireo vahoaka hafa i Hanany"
# ireo Jiosy izay tafandositra, sy ireo Jiosy sisa tavela tany
Ireo fehezanteny roa ireo dia manondro ireo vondron'olona iray ihany. Ireto avy no mety ho heviny 1) Ireo Jiosy vitsivitsy izay nentina natao sesitany tany Babylona saingy tafatsoaka ka niverina nipetraka tao Jerosalema na 2) ireo Jiosy vitsivitsy izay tafaporitsaka teny amin'ireo izay saika hanao sesitany azy ireo tao Babylona ka hijanona tao Babylona ary aveo nipetraka tao Jerosalema. Satria tsy mazava manomboka eo amin'ny nitsoahan'izy ireo dia tsara kokoa ny tsy mamaritra mazava izany ao anaty fandikan-teny. DH: "ireo Jiosy izay nitsoaka tsy ho sesitany ary nijanona tao Jerosalema"