plt_tn/mic/05/04.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:
Ireo andininy ireo dia manohy ny fanoritsoritana ilay mpanapaka avy ao Betlehema.
# hiandry ny ondry aman'osiny amin'ny herin'i Yaveh
DH: "Hitarika ny olony amin'ny herin'Andriamanitra Izy."
# amin'ny voninahitry ny anaran'i Yaveh Andriamaniny
DH: "amin'ny herin'ny fahefan'i Yaveh Andriamaniny"
# Hitoetra izy ireo
Eto, ny "izy ireo" dia manondro ire vahoakan'Israely? Ny teny "Israely" na "Jerosalema" dia azo lazaina. DH: "Hitoetra any Israely ireo vahoaka" na "Hitoetra any Jerosalema ireo vahoaka"
# ary satria ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy
Io dia midika fa any aoriana any dia hanome voninahitra ny mpanapak'israely avokoa ny olona rehetra manerana ny firenen-drehetra.
# Ho fiadanantsika Izy
Eto, ny "-tsika" dia manondro an'i Mika sy ireo vahoakan'Israely. DH: "Ho olon'ny fiadanana Izy"
# mpiandry ondry fito sy mpitarika valo amin'ireo olona
Eto, ny "mpiandry ondry" dia midika hoe "mpanapaka." Ary, azonao atao ny manampy fanamarihana manao hoe: "Ny isa "fito" sy ny "valo" atambatra dia midika fa misy mpitarika maro mihoatra noho ny ampy mba hahazoana izay ilaina ao."