plt_tn/mat/10/08.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Manohy manome toro-marika ireo mpianany i Jesosy momba izay tokony hataon'izy ireo rehefa mandeha mitory.
# Araka ny nahazoanareo maimaimpoana, dia manomeza ihany koa maimaimpoana
Misy fampahafantarana tsy voalaza eto, saingy azo ihany. DH: "Nanampy anareo ary nampianatra ny fahamarinan'Andriamanitra maimaimpoana Aho. Noho izany, tsy tokony hampandoa vola ny hafa ianareo mba hanampianareo na hampianaranareo ny fahamarinan'Andriamanitra azy ireo''
# volamena, volafotsy, na varahina
Ireo no vy nanamboarana ny vola. Io lisitra io dia misy hevitra ambadika ilazana ny vola, koa raha tsy fantara eo amin'ny faritrao ireo vy ireo, dia adikao hoe "vola" ireo lisitra ireo.
# kitapom-bolanareo
Ny dikan'io dia fehikibo na "fehikibo fasiana vola," fa mety maneho izay rehetra azo ampiasaina mba hitondrana vola koa. Ny fehikibo dia lamba lava nanaovana teo amin'ny valahana. Tamin'izany dia lehibe izany ka azo aforitra ary ampiasaina mba hitondrana vola.
# kitapom-batsy
Mety ho izay kitapo rehetra ampiasaina hitondrana zavatra rehefa mandeha io, na kitapo ampiasain'ny olona iray hanangonana sakafo na vola.
# fitafy hafa
Ampiasao ny teny mitovy amin'ny nampiasainao tao amin'ny 5:40 ilazana ny hoe "fitafy."
# ny sakafony
Eto ny "sakafo" dia ilazana izay rehetra ilain'ny olona iray. DH: "izay ilainy"