plt_tn/luk/22/01.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity no fizarana manaraky ny tantara. Jodasy manaiky hamadika an'i Jesosy. Ireto andininy ireto dia manome fampahafantarana fototra momban'ity fizarana ao amin'ny tantara ity.
# Ary
Ity teny ity dia nampiasaina eto mba hampidirana fizarana vaovao ao amin'ny tantara.
# Firavoaravoana amin'ny Mofo tsy misy masirasira
Ilay firavoravoana dia nantsoina tamin'ity anarana ity satria nandritry ny firavoravoana, dia tsy nihinana mofo tsy vita amin'ny lalivay izy ireo. DH: ''firavoravoana izay hihinanan'izy ireo mofo tsy misy masirasira''
# efa antomotra
''efa akaiky hanomboka''
# ny amin'ny fomba afahan'izy ireo mamono an'i Jesosy
Ireo mpisorona sy mpisorona-be dia tsy nanana fahefana hamono an'i Jesosy, fa nanantena ireo hafa hamono Azy izy ireo. DH: ''ahoana no mety hanoloran'izy ireo an'i Jesosy amin'ny fahafatesana'' na ''ahoana no mety hamporisihan' izy ireo ny olona hamono an'i Jesosy''
# natahotra ny olona
Ireo dika azo heverina: 1) ''natahotra izay mety ho ataon'ny olona'' na 2) ''natahotra fa mety hanao an'i Jesosy ho mpanjaka ny olona''