plt_tn/luk/20/27.md

16 lines
907 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity no fizarana manaraka ao amin'ny tantara. Tsy fantatsika hoe aiza no mitranga izany, na dia mety azo heverina aza hoe tao amin'ny kianjan'ny tempoly izy ireo. Jesosy dia miresaka amin'ny Sadoseo sasantsasany.
# ireo izay niteny fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty
Ity fehezanteny ity dia maneho ireo Sadoseo toy ny vondrona Jiosy izay milaza fa tsy misy afaka hitsanga amin'ny maty. Tsy midika izany hoe ny Sadoseo sasany dia nino fa misy fitsanganana ary ny sasany tsy nino.
# raha maty ny rahalahin'ny lehilahy iray, manam-bady, ary tsy manan-janaka
''raha maty ny rahalahin'ny lehilahy iray rehefa nanam-bady izy fa tsy nanan-janaka''
# ary hanome zanaka ho an'ny rahalahiny
Ireo Jiosy dia nihevitra fa ireo zanaka teraka avy amin'ity karazana fanambadiana faharoa ity dia an'ilay lehilahy maty. Mandova ny fananany izy ireo ary mitondra ny anarany.