plt_tn/luk/18/18.md

24 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity no hetsika manaraka ao amin'ny fizaran'ny tantara izay nanomboka tao amin'ny 17:20. Jesosy manomboka miresaka amin'ny mpanapaka iray momban'ny fidirana ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.
# nisy mpanapaka iray
Ity dia mampiditra mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara. Mamaritra azy amin'ny toerana misy azy fotsiny izany.
# inona no tsy maintsy hataoko
''inona no tokony ataoko'' na ''inona no takiana amiko''
# mba handovako ny fiainana mandrakizay
''handraisana fiainana izay tsy mety tapitra.'' Ny teny hoe ''mandova'' dia maneho foana ny fananana izay avelan'ny lehilahy iray ho an'ireo zanany rehefa maty izy. Noho izany, ity sariteny ity dia mety midika hoe azon'ny tenany fa zanak'Andriamanitra izy ary naniry an'Andriamanitra hanome azy ny fiainana mandrakizay''
# Nahoana Aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy olona tsara, afa-tsy Andriamanitra irery
Jesosy manontany ilay mpanapaka raha tsapany fa ny fiantsoana an'i Jesosy hoe ''tsara'' dia milaza fa Jesosy no Andriamanitra. DH: '''fantatrao fa tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Nahoana ianao no miantso Ahy hoe tsara?'' na ''Fantatrao fa tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Azonao ve izay lazainao rehefa miantso Ahy hoe tsara ianao?''
# Izany rehetra izany
''izany didy rehetra izany''