plt_tn/luk/10/05.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fiadanana anie ho amin'ity trano ity
Ity dia sady arahaba no tso-drano. Eto ny "trano" dia maneho ireo izay mipetraka amin'ilay trano. DH: "Hahazo ny fiadanana anie ny olona ato amin'ity tokantrano ity"
# olon'ny fiadanana
"olona manana fiadanana." Ity dia olona izay mila fiadanana amin'Andriamanitra sy amin'ny olona.
# hitoetra aminy ny fiadanana izay lazainareo
Ny "fiadanana" eto dia voalaza toy zava-miaina izay afaka misafidy izay hipetrahany.
# raha tsy misy kosa
Mety hanampy ny famerenana ilay fehezanteny manontolo. DH: "raha tsy misy olon'ny fiadanana ao" na "raha tsy olon'ny fiadanana ilay topon-trano"
# hiverina aminareo izany
Ny "fiadanana" dia voalaza toy ny zava-miaina izay afaka misafidy izay hipetrany. DH: "hahazo izany fiadanana izany ianareo"
# Mitoera ao amin'io trano io
Jesosy tsy niteny hoe tokony hijanonana ao mandritry ny tontolo andro izy ireo, fa hoe tokony hatory ao amin'ny trano iray ihany izy ireo isan-kalina rehefa any. DH: "Tohizo foana ny fatoriana ao amin'izany trano izany"
# fa ny mpiasa dia mendrika ny karamany
Ity dia fitsipika fototra izay ampiharin'i Jesosy amin'ireo lehilahy izay nirahiny. Satria izy ireo hampianatra sy hanasitrana ny olona, dia tokony hanome toerana sy sakafo azy ireo ny olona.
# Aza mifindrafindra trano
Ny mifindrafindra trano dia midika hoe mankany amin'ny trano samihafa. Afaka atao mazava tsara fa ny tiany lazaina dia ny momban'ny fijanonana amin'ny alina any amin'ny trano samihafa."Aza mandeha matory any amin'ny trano samihafa isan-kalina"