plt_tn/jhn/19/12.md

40 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Tamin'izany valin-teny izany
Eto ny hoe "valin-teny" dia maneho ny valin-tenin'i Jesosy. DH: "Pilato rehefa nahare ny valin-tenin'i Jesosy"
# niezaka ny hanafaka Azy Pilato
Ny hoe "niezaka" amin'ny Soratra taloha dia milaza fa Pilato dia niezaka "mafy" na "namerimberina" ny hanafaka an'i Jesosy DH: "Izy dia niezaka mafy ny hanafaka an'i Jesosy" na "Izy dia niezaka foana foana ny hanafaka an'i Jesosy"
# fa nihiaka mafy ireo Jiosy
Eto ny hoe "ireo Jiosy" dia entina hanehoana ireo mpitarika Jiosy izay manohitra an'i Jesosy. DH: "fa ireo mpitarika Jiosy dia tsy nijanona nihiaka mafy"
# tsy naman'i Kaisara ianao
"Ianao dia manohitra an'i Kaisara" na "Ianao dia manohitra ny Amperora"
# manao ny tenany ho mpanjaka
"milaza ny tenany fa Izy no mpanjaka"
# nentiny nivoaka Jesosy
Pilato eto no lazaina fa namoaka an'i Jesosy tamin'ny alalan'ireo miaramila izay nobaikony. DH: "Izy dia nandidy ireo miaramila mba hitondra an'i Jesosy hivoaka."
# nipetraka
Ny olona manan-danja tahaka an'i Pilato dia mipetraka rehefa hanao adidy lehibe izy ireo, raha mitsangana ny olona izay tsy manan-danja.
# teo amin'ny seza fitsarana
Ity dia seza voatokana ho an'ny olona manan-danja tahaka an'i Pilato rehefa hanao fitsarana lehibe izy ireo.
# izay antsoina hoe "lampivato"
Ity dia toerana misy vato miavaka izay ny olona manan-kaja ihany no afaka mandeha eo. DH: "eo amin'ny toerana antsoin'ny olona hoe lampivato"
# Hebreo
Ity dia maneho ny fitenin'ny vahoakan'Israely.