plt_tn/jhn/10/22.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity ny fizarana manaraka ao amin'ny tantara. Tonga ny fetin'ny Fanokanana ary manomboka mametra-panontaniana an'i Jesosy ny sasany. Ireo andininy faha-22 sy 23 dia manome fampahafantarana fototra momban'ny fizotry ny tantara.
# fetin'ny Fanokanana
Ity dia fialan-tsasatry ny ririnin'ireo Jiosy mandritry ny valo andro mba hahatsiarovana ny fahagagana izay nanaovan'Andriamanitra an'ilay menaka kely naharitra nirehitra tamin'ilay fanaovan-jiro nandritry ny valo andro. Izy ireo dia nandrehitra fanaovan-jiro mba ho fanokanana ny tempolin'ireo Jiosy ho an'Andriamanitra. Ny fanokanana zavatra dia mampanantena fa hampiasa izany amin'ny antony manokana.
# Jesosy nitsangana teo an-kianjan'ny tempoly
Ny faritra izay nandehan'i Jesosy dia ny kianjan'ny Tempoly izay any ivelan'ny Tempoly. DH: "Jesosy dia nandehandeha teo an-kianjan'ny tempoly"
# fialofana
Ity dia zavatra mifandray amin'ny fidirana ao an-trano; misy tafo izany ary mety na mety tsy misy rindrina.
# Avy eo notangoronan' ireo Jiosy Izy
Eto ny "Jiosy" dia manambara ireo mpitarika Jiosy izay manohitra an'i Jesosy. DH: "Avy eo ireo mpitarika Jiosy niodidina Azy"
# hampisalasalainao anay
Ity dia fomba fiteny. DH: "hampanotanianao tena anay"