plt_tn/jer/17/01.md

24 lines
971 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# "Voasoratra tamin'ny penina vy manana tendro diamondra ny fahotan'i Joda ... tandrok'ireo alitaranao izany
Ny tsy fitsaharan'ny olona mamerina ny ota fanaony dia toy ny hoe voarakitra an-tsoratra ao am-pon'izy ireo sy ny alitaran'ny sampin'izy ireo ireo ota ireo.
# Voasoratra ... ny fahotan'i Joda
DH: "Ny vahoakan'i Joda dia efa nanoratra ny fahotan'izy ireo"
# Voasokitra ... izany
DH: "nataon'izy ireo sokitra izany"
# Voasokitra eo amin'ny takelaky ny fon'izy ireo
Ireo fahazarana manota lalim-pakan'ireo olona dia resahina toy hoe natao sokitra tao am-po sy sain'izy ireo ny fahotan'izy ireo. DH: "voarakitra ao anatin'izy ireo"
# tandrok'ireo alitaranao
Ny teny "tandroka" dia manondro ireo zoron'ilay alitara.
# tambonin'ny havoana avo
Misy amin'ireo dikan-teny moderina no manampy ilay fehezanteny voalohany amin'ilay andininy manaraka amin'ity fehezanteny ity, manao hoe "eny amin'ny havoana avo sy ireo tendrombohitra eny amin'ny tany malalaka."