28 lines
1.6 KiB
Markdown
28 lines
1.6 KiB
Markdown
|
# rehefa mamon'ny ràny any an-danitra ny sabatro
|
||
|
|
||
|
Manoritsoritra ny tenany toy ny hoe mpiady mitondra sabatra Yaveh. Ny andianteny hoe "mamon'ny rà" dia miresaka ny sabatr'i Yaveh toy ny hoe olona izay mihinana ary afa-po izany. Mampiasa io sarinteny io Yaveh mba hanindriana fa hisy faharavana be tokoa any an-danitra ary mba hanambarana ny fahavitan'izany. DH: "rehefa vita ny fandravana ireo zavatra tany an-danitra"
|
||
|
|
||
|
# indro
|
||
|
|
||
|
Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny mpamaky ary mba hakan'izy ireo sary an-tsaina ireo zavatra izay efa nolazaina. DH: "henoy" na "ary dia"
|
||
|
|
||
|
# hidina any Edoma, eo amin'ny vahoaka izay hatokako amin'ny fandravana izany ankehitriny
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny sabatr'i Yaveh. Ity dia manohy ny sarinteny momba ny fandravan'i Yaveh ireo zavatra amin'ny sabatra. DH: "Ho avy hanasazy ny vahoakan'i Edoma, dia ny vahoaka izay efa natokako ho ravaina Aho"
|
||
|
|
||
|
# any Edoma
|
||
|
|
||
|
Edoma dia manondro ny vahoaka izay mipetraka ao. DH: "amin'ny vahoakan'i Edoma"
|
||
|
|
||
|
# Ny sabatr'i Yaveh dia mitete rà sy rakotra tavy...ireo osilahy
|
||
|
|
||
|
Io dia miresaka ny famonoan'i Yaveh ny vahoaka toy ny hoe mpisorona manao sorona ireo biby Izy. Manao izany amin'ny fanoritsoritana ny sabatry ny mpisorona Izy. DH: "Manao sorona azy ireo toy ny mpisorona manao sorona ireo biby, izay mitete rà sy tavin-janak'ondry, osy, ary osilahy Yaveh"
|
||
|
|
||
|
# Fa manana sorona ao Bozra sy famonoana lehibe ao amin'ny tanin'i Edoma i Yaveh
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "sorona" sy "famonoana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "Fa hanao sorona olona maro be any Bozra ary hamono olona maro be ao amin'ny tanin'i Edoma Yaveh"
|
||
|
|
||
|
# Bozra
|
||
|
|
||
|
Io dia tanàna tena manan-danja any Edoma.
|