plt_tn/isa/22/25.md

20 lines
1004 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no manohy ny sarinteny tao amin'ny andininy teo aloha. (Jereo ny 22:23)
# Amin'izany andro izany
Eto ny "andro" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "Amin'izany fotoana izany"
# fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 14:21.
# ilay ketoka amin'ny toerana mafy orina ... ho tapahina
Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga an'i Sebna hamoy ny fahefany ao amin'ny lapan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe ketoka eo amin'ny rindrina izay mitresaka ka milatsaka amin'ny tany i Sebna. Izany dia manamafy fa nihevitra ny fahefany ho mafy orina i Sebna saingy hanala azy Andriamanitra.
# ary ny lanja amin'izany dia ho tapahina
eto ny "lanja" dia ilazana ny hery sy fahefan'i Sebna. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra mihantona amin'ilay ketoka, izay maneho an'i Sebna. Ny ataon'i Yaveh mba hamoizan'i Sebna ny hery sy fahefany dia resahina toy ny hoe misy olona manapaka ny zavatra izay nihantona teo amin'ilay ketoka.