32 lines
1.4 KiB
Markdown
32 lines
1.4 KiB
Markdown
|
# Indro
|
||
|
|
||
|
"Jereo" na "Mihainoa." Manisy fanamafisan-kevitra amin'izay ho lazaina manaraka io teny io.
|
||
|
|
||
|
# Yaveh mitaingina rahona haingam-pandeha
|
||
|
|
||
|
Toa atao kisarisary mitaingina rahona toy ny fitaingina kalesy Yaveh eto.
|
||
|
|
||
|
# mihovitrovitra eo anatrehany ireo sampin'i Egypta
|
||
|
|
||
|
Ireo sampy dia faritana ho manana fahatsapana tahotra rehefa manatona Yaveh. DH: "mihovitrovitry ny tahotra eo anatrehan'i Yaveh ny sampin'i Egypta"
|
||
|
|
||
|
# ary dia mivalaketraka anaty ny fon'ireo Egyptiana
|
||
|
|
||
|
Ny fo mivalaketraka dia midika tsy fananana herim-po intsony. DH: "ary tsy manana herim-po intsony ny Egyptiana"
|
||
|
|
||
|
# lehilahy iray hanohitra ny namany
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "hiady" eto dia efa fantatra amin'ny andian-teny teo aloha. DH: "hiady hanohitra ny namany ny olona iray"
|
||
|
|
||
|
# tanàna hanohitra tanàna
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "tanàna" dia maneho ny vahoakan'izany tanàna izany. DH: "hisy vahoakan'ny tanàna iray hiady amin'ny tanàna iray hafa" na "hiady amin'ny samy izy ireo ny vahoaka avy amin'ny tanàna samihafa"
|
||
|
|
||
|
# fanjakana hanohitra fanjakana
|
||
|
|
||
|
DH: "hisy fanjakana hiady amin'ny fanjakana"
|
||
|
|
||
|
# fanjakana hanohitra fanjakana
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "fanjakana" dia entina ilazana fanjakana kelikely kokoa ao Egypta. Mety ho azo antsoina hoe faritany ihany koa izany. Manondro ny vahoakan'izany fanjakana na faritany izany io. DH: "hisy vahoaka avy amin'ny faritany iray hanohitra ny vahoaka avy amin'ny faritany hafa" na "hisy vahoaka avy amin'ny faritany samihafa hiady amin'ny samy izy ireo"
|