36 lines
1.9 KiB
Markdown
36 lines
1.9 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Manohy mamaritra ny fotoana izay hamonjen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely i Isaia. Na dia hitranga amin'ny ho avy aza ireo tranga ireo (9:1), dia faritan'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo. Manamafy izany fa tena hitranga tokoa ireo.
|
||
|
|
||
|
# Notorotoroinao toy ny tamin'ny andron'ny Midiana ... ny zioga mavesany
|
||
|
|
||
|
Ny Israelita, izay andevon'ny Asyriana, dia resahin'Isaia toy ny hoe omby izay misy zioga. Hitranga amin'ny ho avy izany, saingy resahiny toy ny hoe efa nitranga sahady. DH: "Fa toy ny tamin'ny andron'ny Midiana dia hanafaka ny vahoakan'Israely tsy ho andevon'ny mpampahory azy ireo tahaka ny hanesoran'ny olona ny zioga tsy ho eo amin'ny soroky ny biby Ianao"
|
||
|
|
||
|
# an-tsorony ... ny zioga mavesany ... mpampahory azy
|
||
|
|
||
|
Ny vahoakan'Israely dia resahin'Isaia toy ny hoe olona iray ihany. DH: "an-tsoron'izy ireo ... ny zioga mavesatr'izy ireo ... mpampahory azy ireo"
|
||
|
|
||
|
# ny andry eo an-tsorony
|
||
|
|
||
|
Ny andry dia ampahany amin'ny zioga izay mankeo amin'ny sorok'ilay omby.
|
||
|
|
||
|
# ny andry
|
||
|
|
||
|
Ny mety ho dikany hafa dia "tehina," tapaka hazo lava izay ampiasain'ny olona hikapohana ny omby mba hiasan'ireo ho mariky ny fahefan'ny olona iray hanapaka eo amin'ny olona hafa.
|
||
|
|
||
|
# ny tsorakazon'ny mpampahory azy
|
||
|
|
||
|
Ny fahefana ananan'ny mpampahory eo amin'ny vahoakan'i Joda dia resahin'Isaia toy ny hoe tsorakazo ampiasain'ny olona iray hikapohana omby mba hiasany.
|
||
|
|
||
|
# toy ny tamin'ny andron'ny Midiana
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "andro" dia fomba fiteny izay azo ilazana ny tranga izay mitranga mihoatra ny iray andro. DH: "toy ny tamin'ny nandresenareo ny Midianita"
|
||
|
|
||
|
# ny kiraro rehetra izay manitsaka eo amin'ny fikorontanana sy ireo akanjo mihosin-drà dia ho dorana
|
||
|
|
||
|
DH: "ho doranao ny kiraron'ireo miaramila sy ny akanjony, izay mihosin-drà"
|
||
|
|
||
|
# ho dorana, hatao solika ho an'ny afo
|
||
|
|
||
|
Azo atao mazava kokoa amin'ny fandikana izany amin'ny fehezanteny vaovao io. DH: "dorana. Hataonao solika handrehetana afo ireo kiraro sy akanjo"
|