36 lines
1.6 KiB
Markdown
36 lines
1.6 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Manohy milaza amin'Isaia izay tsy maintsy hataony Yaveh rehefa maniraka azy hitory amin'ny olona Izy.
|
||
|
|
||
|
# Hamafiso ny fon'io vahoaka io
|
||
|
|
||
|
Eto ny "fo" dia ilazana ny sain'ny olona. Ny olona izay tsy misaina mazava ary tsy afaka mahatakatra sy miahy ny amin'izy mitranga dia resahina toy ny hoe mafy fo. DH: "Aza avela hahatakatra ireo vahoaka ireo" na "Ataovy donto ny sain'ireo vahoaka ireo"
|
||
|
|
||
|
# Hamafiso ny fon'io vahoaka io
|
||
|
|
||
|
DH: "hamafiso ny fon'ireo vahoaka ireo"
|
||
|
|
||
|
# Hamafiso ny fon'io vahoaka io
|
||
|
|
||
|
Io fandidiana io dia midika fa hampiasa ny hafatr'Isaia mba hahatonga ny olona hahatakatra kely kokoa aza Yaveh ary hahatonga azy ireo tsy dia hiraharaha izay ataon'i Yaveh.
|
||
|
|
||
|
# ataovy marenina ny sofin'izy ireo, ary ataovy jamba ny mason'izy ireo
|
||
|
|
||
|
"ataovy izany mba tsy handrenesan'ny sofin'izy ireo, ary ataovy izany mba tsy hahitan'izy ireo." Ny ataon'Isaia mba hahatonga ny olona tsy hahatakatra ny hafatr'i Yavej dia resahina toy ny hoe mamparenina sy mahajamba azy ireo Isaia.
|
||
|
|
||
|
# mety hahita amin'ny masony izy ireo, handre amin'ny sofiny
|
||
|
|
||
|
Ny fahafahan'ny olona mahatakatra ny hafatr'i Yaveh sy ny ataony dia resahina toy ny hoe afaka mahita sy mandre ara-batana ny olona.
|
||
|
|
||
|
# hahalala amin'ny fon'izy ireo
|
||
|
|
||
|
Eto ny "fo" dia ilazana ny sain'ny olona. Ny fahatakarana zavatra marina sy ny firarahiana ny amin'izay mitranga dia resahina toy ny hoe afaka mahatakatra amin'ny fony ny olona.
|
||
|
|
||
|
# dia hiverina
|
||
|
|
||
|
Ny fibebahana sy ny fanombohana hankatoa an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe miverina ara-batana manatona Azy ny olona. DH: "hanaraka Ahy indray" na "dia hanomboka hatoky Ahy indray"
|
||
|
|
||
|
# ho sitrana
|
||
|
|
||
|
DH: "hanasitrana azy ireo Aho"
|