32 lines
1.9 KiB
Markdown
32 lines
1.9 KiB
Markdown
|
# Efa nahita sitraka teo imasonao ny mpanomponao
|
||
|
|
||
|
Ny hoe mankasitraka olona dia noresahina toy ny hoe zavatra izay hita maso ny "sitraka". Ny "fahitana" ihany koa dia sarinteny ilazana ireo hevitra na ireo fisainan'ny olona. DH: "Nankasitrahako ianao" (UDB)
|
||
|
|
||
|
# ny mpanomponao efa
|
||
|
|
||
|
Naneho fanajana i Lota tamin'ny filazany ny tenany hoe " ny mpanomponao". DH: "izaho ,ny mpanomponao, efa"
|
||
|
|
||
|
# efa naneho hatsaram-panahy lehibe tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko
|
||
|
|
||
|
Ny anarana hoe: "hatsaram-panahy" dia azo avadika hoe: "tsara fanahy." DH: "tena tsara fanahy tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko"
|
||
|
|
||
|
# tsy afaka ny handositra ho any an-tendrombohitra aho, satria hahatratra ahy ny loza, ary ho faty aho
|
||
|
|
||
|
Ny tsy fahafahana mandeha lavitra an'i Sodoma raha handringana ny tanàna Andriamanitra dia resahina toy ny olona ny "loza" izay manenjika ka mahatratra an'i Lota. DH: "izaho sy ny havako dia ho faty tokoa raha mandringana ny olon'i Sodoma Andriamanitra, satria lavitra loatra ho anay ireo tendrombohitra axo antoka"
|
||
|
|
||
|
# ny aiko ... tsy afaka ny handositra ... hahatratra ahy, ... ary ho faty aho
|
||
|
|
||
|
Milaza izany fa ny havan'i Lota dia hiara ho faty miaraka aminy. DH: "ny ainay ... tsy afaka ny handositra izahay... hahatratra anay, ... ary ho faty izahay"
|
||
|
|
||
|
# aoka re aho handositra ao (tsy kely ve io?), ary dia ho voavonjy ny aiko
|
||
|
|
||
|
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Lota mba hahatonga ireo anjely hahatsikaritra fa kely tokoa ilay tanàna. DH: "aoka re aho handositra ao. Hitanao ny fahakelin'izany. Raha avelanao mankany izahay dia ho velona"
|
||
|
|
||
|
# aoka re aho handositra ao
|
||
|
|
||
|
Ny fangatahan'i Lota feno dia azo azavaina. DH: "mba aleo aho handositra ao, toy izay haringanao izany tanàna izany"
|
||
|
|
||
|
# ho voavonjy ny aiko
|
||
|
|
||
|
Milaza izany fa ny ain'ny havan'i Lota ihany koa dia ho voavonjy miaraka amin'ny azy. Afaka atao izany hoe: DH: "mba ho velona izahay" na "mba ho afabela izahay"
|