plt_tn/gen/17/17.md

16 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# niteny tao am-pony
"nieritreritra anakam-po" na "niteny mangina tamin'ny tenany"
# Moa mbola hisy zaza afaka hateraka ho an'ny lehilahy izay efa zato taona ve?
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama satria tsy nino izy fa hiseho tokoa izany. DH: "Azo antoka tokoa fa ny lehilahy izay efa zato taona dia tsy afaka ho rain-jaza!"
# Ahoana no hahafahan'i Saraha, izay efa sivifolo taona, hitondra vohoka?"
Mbola mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama satria tsy nino izy fa hiseho tokoa izany. Ny andian-teny "izay efa sivifolo taona" dia manambara ny antony tsy ninoan'i Abrahama fa i Saraha dia hitondra vohoka. DH: "sivifolo taona i Saraha. Mbola afaka ny hitondra vohoka ve izy?" na "sivifolo taona i Saraha. Azo antoka tokoa fa tsy afaka hitondra vohoka!"
# Enga anie Ismaela mba ho velona eo anatrehanao
"Aoka mba handova ny fanekena izay nataonao tamiko i Ismaela" na "Angamba mety afaka handray ny fitahiam-panekenao i Ismaela." Nanolo-kevitra ny amin'ny zavatra izay ninoany fa hitranga marina tokoa i Abrahama.