plt_tn/gen/06/11.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ny tany
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo olona izay miaina eo amin'ny tany na 2) "ny tany mihitsy."
# Simba ny tany
Izay nataon'ny olona dia ratsy ary noresahina toy ny sakafo izay tonga lo. DH: "lasa lo" na "tena ratsy tanteraka"
# teo anatrehan'Andriamanitra
Ireo mety ho heviny dia 1) "teo imason'Andriamanitra" na 2) "teo anatrehan'i Yaveh" toy ny ao amin'ny 4:16.
# ary feno herisetra izany
Ny mpanoratra dia miresaka ny herisetra toy ny zavatra izay afaka atao ao anaty fitoeran-javatra sy ny tany ho toy ny fitoerany. DH:" ary maro ny olona misetrasetra teo amin'ny tany" na "satria feno olona izay nifanao zava-dratsy izany"
# Indro
Ny teny hoe: "indro" dia manaitra antsika hitandrina tsara izay fampantarana tsy ampoizina izay hiseho maraka eto.
# ny nofo rehetra
Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby.
# nanimba ny lalan'izy ireo
Ny fitondratenan'ny olona dia resahina toy ny lalana. DH: "nanatsahatra niaina ny lalana izay notakian'Andriamanitra" na "nanao fitondran-tena ratsy" (UDB)