plt_tn/gen/01/14.md

44 lines
2.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Aoka hisy ny mazava eo amin'ny lanitra
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hisian'ny fahazavana, Andriamanitra dia nampisy azy ireo.
# fahazavana eny amin'ny lanitra
"zavatra mamiratra eny amin'ny lanitra" na "zavatra izay manome hazavana eny amin'ny lanitra." Ilazana ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana.
# eny amin'ny lanitra
"eny amin'ny habakabakin'ny lanitra" na "eny amin'ny toerana midadasikin'ny lanitra"
# hanasaraka ny andro amin'ny alina
"hanasaraka ny andro amin'ny alina." Midika hoe: "hanampy antsika amin'ny hilazana ny tsy mampitovy ny andro sy ny alina." Ny masoandro milaza ny andro, ary ny volana sy ireo kintana milaza ny alina.
# aoka izy ireo ho famantarana
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hampiasaina azy ireo ho famantarana, Andriamanitra dia nanao azy ireo ho famantarana. DH: "Aoka hampiasaina ho toy ny famantarana izy ireo" na "Aoka hiseho izy ireo"
# famantarana
Eto izany dia midika ho fanambara zavatra na manondro zavatra.
# vanim-potoana
"vanim-potoana" ilazana ireo fotoana izay natokana ho firavoravoana sy ireo zavatra hafa izay ataon'ny olona.
# ho an'ny vanim-potoana, sy ho an'ireo andro ary ireo taona
Ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana no maneho ny fandehanan'ny fotoana. Izay hahafahantsika mahafantatra rehefa ho fotoanan'ny tranga izay miseho isan-kerin'andro, isam-bolana, na isan-taona.
# Aoka ireo ho mazava eo amin'ny lanitra mba hanome hazavana eny amin'ny tany
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hanazavan'izy ireo ny tany, Andriamanitra nanao azy ireo hanazava ny tany.
# hanome hazavana eo amin'ny tany
"hiposaka hazavana eo amin'ny tany" na "hampamirapiratra ny tany." Tsy miposaka hazavana ho azy ny tany fa nohazavaina ary noho izany dia mitaratra hazavana.
# Toy izao
"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6