plt_tn/eph/04/17.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Paoly milaza azy ireo izay tokony tsy ho ataon'izy ireo intsony amin'izao amin'ny maha-mpino nasiana tombon-kase tamin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra azy ireo izao.
# Noho izany, dia milaza sy manindry mafy izany ao amin'ny Tompo aho
''noho izay vao nolazaiko, dia hilaza zavatra hafa aho mba hampaherezana mafy anarero satria an' ny Tompo avokoa isika rehetra''
# tsy hiaina tahaka ny Jentilisa intsony ianareo, amin'ny fahafoanan'ny fisainan'izy ireo
DH: ''tsy hiaina toy ireo Jentilisa amin'ny eritreritra tsy misy dikan'izy ireo intsony''
# Maizaina ny fahalalan'izy ireo
Tsy mieritreritra na misaina tsara intsony. DH: ''Nohamaizinin'izy ireo ny sainy'' na ''tsy afaka mahatakatra izy ireo''
# tafasaraka amin'ny fiainan'Andriamanitra nohon'ny tsy fahalalana ao amin'izy ireo
DH: ''Satria tsy mahafantatra an'Andriamanitra izy ireo, tsy afaka miaina amin'ny fomba tian' Andriamanitra hiainan'ny vahoakany'' na ''notapahan'izy ireo tamin'ny fiainan' Andriamanitra ny tenan'izy ireo tamin'ny alalan'ny tsy fahalalan'izy ireo''
# tsy fahalalana
''tsy ampy fahalalana'' na ''tsy ampy fanazavana''
# nohon'ny fahamafisam-pon'izy ireo
Mandà tsy hihaino sy hanaraka an'Andriamanitra amin'ny fampianarany izy ireo.
# nanolotra ny tenan'izy ireo ho amin'ny filan'ny nofo
DH: ''te-hanome fahafaham-po ny filan'ny nofon'izy ireo fotsiny''