40 lines
2.5 KiB
Markdown
40 lines
2.5 KiB
Markdown
|
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
|
||
|
|
||
|
Paoly manohy ny vavaka ataony izay natombony tao amin'ny 3:14.
|
||
|
|
||
|
# mba hitoetra ao am-ponareo amin'ny finoana Kristy, mba hifototra sy hiorina ao amin'ny fiatiavany ianareo
|
||
|
|
||
|
Ity no zavatra faharoa izay hivavahan'i Paoly ny mba ''hanomezan'''Andriamanitra ny Efesiana araka ny '''haren'ny voninahiny'' ; ny voalohany dia ny ''hahatanjahan''' izy ireo.
|
||
|
|
||
|
# ao am-ponareo amin'ny finoana
|
||
|
|
||
|
Eto ny ''fo'' dia maneho ny ao anatin'ny olona iray, ary ny ''amin'ny'' dia maneho ny fomba afahan'i Kristy miaina ao anatin'ny mpino. Kristy dia miaina ao am-pon'ireo mpino satria Andriamanitra mamela azy ireo amin'ny hatsaram-panahy hanana finoana.
|
||
|
|
||
|
# finoana, mba hifototra sy hiorina ao amin'ny fitiavany ianareo. Hahazo hery anie ianareo ka ho afa-mahatakatra
|
||
|
|
||
|
Ireo dika azo heverina: 1) ''finoana. Mivavaka aho mba hifototra sy hiorina amin'ny fitiavany ianareo mba afahanareo mahatakatra'' na 2) ''finoana mba hifotorana ny hiorenanareo amin'ny fitiavany. Mivavaka ihany koa aho ny mba afahanareo mahatakatra''
|
||
|
|
||
|
# mba hifototra sy hiorina amin'ny fitiavany ianareo
|
||
|
|
||
|
Paoly miresaka ny finoan'izy ireo toy ny hoe hazo izay manana fototra lalina sy trano miorina eo amin'ny fototra mafy orina izany. DH: ''mba ho toy ny hazo mifototra mafy sy toy ny trano naorina teo amin'ny vato ianareo''
|
||
|
|
||
|
# mba ho afa-mahatakatra
|
||
|
|
||
|
Ity no zavatra faharoa izay nandoalihan'i Paoly sy nivavahany; ny voalohany dia, ny mba hanomezan'Andriamanitra fahatanjahana azy ireo (3:14) sy ny hitoeran'i Kristy ao am-pon'izy ireo amin'ny alalan'ny finoana (3:14). Ary ny ''fahatakarana'' no zavatra voalohany izay nivavahan'i Paoly fa ho afaka ataon'ireo Efesiana.
|
||
|
|
||
|
# ireo mpino rehetra
|
||
|
|
||
|
''ireo mpino rehetra ao amin'i Kristy'' na ''ireo masina rehetra''
|
||
|
|
||
|
# ny sakany, ny halavany, ny hahavony, ary ny halaliny
|
||
|
|
||
|
Ireo dika azo heverina: 1) ireo teny ireo dia mamaritra ny halehiben'ny fahendren' Andriamanitra, DH: ''fa tena hendry Andriamanitra'' na 2) ireo teny ireo dia mamaritra ny hamafin'ny fitiavan'Andriamanitra antsika. DH: '"fa tena tia antsika Kristy''
|
||
|
|
||
|
# mba hahalala ny fitiavan'i Kristy
|
||
|
|
||
|
Ity no zavatra faharoa nivavahan'i Paoly mba ho afaka ataon'ireo Efesiana; ny voalohany dia ny ''fahatakarana.'' DH: ''mba ho fantatrareo be ny fitiavan'i Kristy antsika''
|
||
|
|
||
|
# mba ho fenon'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra ianareo
|
||
|
|
||
|
Ity no zavatra fahatelo izay nandoalihan'i Paoly sy nivavahany (3:14); ny voalohany dia ny mba ''hatanjahan''' izy ireo. (3:14), ary ny faharoa dia ny mba "hatakaran" izy ireo (3:18).
|