plt_tn/deu/25/13.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
# Tsy tokony hanana vatomizana samihafa ianao ao anaty kitaponao, ilay kely sy lehibe
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tsy tokony hamitaka olona amin'ny fampiasana vatomizana izay lehibe kokoa noho izay lazainao fa izy ianao rehefa mividy zavatra ary amin'ny fampiasana vatomizana kely kokoa noho izany lazainao fa izy rehefa mivarotra zavatra ianao"
# vatomizana
Ny vatomizana dia vato nampiasaina teo amin'ny mizana mba hahafantarana ny lanjan'ny zavatra iray.
# Tsy tokony hanana fandrefesana samihafa ianao ao an-tranonao
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tsy tokony hamitaka olona ianao amin'ny alalan'ny fampiasana fandrefesana izay lehibe kokoa noho izay lazainao fa izy rehefa mividy zavatra ianao ary amin'ny fampiasana fandrefesana kely kokoa noho izay lazainao fa izy rehefa mivarotra zavatra ianao"
# fandrefesana
Ny fandrefesana dia harona na zavatra fitahirizan-javatra hafa mba handrefesana ny habetsakin'ny zavatra ao.