plt_tn/deu/16/18.md

52 lines
1.9 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
# Manendre mpitsara
"misafidiana mpitsara"
# ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo rehetra
Eto ny hoe "vavahady" dia misolotena an'ilay tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ny tanànanareo rehetra"
# ho alaina izy ireo
DH: "ho fidianareo izy ireo"
# hitsara ny olona amin'ny fitsaràna marina
"hitsara ny olona ara-drariny"
# Tsy tokony haka an-kery ny fitsaràna ianareo
Mosesy miresaka fitsaràna toy ny hoe zavatra materialy izay afaka esorin'ny olona matanjaka amin-kery eny amin'ny olona malemy izany. DH: "tokony hitsara ara-drariny ianao rehefa mitsara" Ny fiteninao dia mety manana teny iray izay midika hoe "mampiasa hery mba hangalana." DH: "tokony handray fanapahan-kevitra ara-drariny ianareo"
# Tsy tokony ...ianareo
Eto ny hoe "ianareo" dia maneho an'ireo izay ho voatendry ho mpitsara sy manam-boninahitra.
# satria ny kolikoly mahajamba ny mason'ireo hendry ary mamadika ireo tenin'ny fahamarinana
Ny fakàna kolikoly dia resahina toy ny hoe manimba ny olona ilay kolikoly. DH: "fa na dia ny olon-kendry izay manaiky kolikoly aza dia ho jamba, ary na dia ny olo-marina izay manaiky kolikoly aza dia hilaza lainga"
# ny kolikoly mahajamba ny mason'ireo hendry
Ny olon-kendry izay manaiky kolikoly mba tsy hiteny manohitra zavatra ratsy izy dia resahina toy ny hoe lasa jamba izy.
# ny hendry
DH: "olon-kendry"
# mamadika ireo tenin'ny fahamarinana
DH: "mahatonga olo-marina handainga"
# Tokony hanaraka ny fitsaràna ianareo, ny fitsaràna irery
Ny fitsaràna dia resahina toy ny hoe olona mandeha. Ny olona izay manao ny rariny sy ny hitsiny dia resahina toy ny hoe manaraka akaiky ao aorian'ny fitsaràna izy. DH: "manaova izay rariny ihany"
# handovanareo ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo
Ny fandraisana ny tany izay omen'Andriamanitra ho an'ny vahoaka dia resahina toy ny hoe mandova ilay tany avy amin'Andriamanitra ireo vahoaka.