plt_tn/act/12/20.md

44 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mbola mitantara ny zava-nitranga hafa tamin'ny andron'i Heroda i Lioka
# Ary
Ity teny ity dia ampiasaina eto hanamarihana ny tranga manaraka ao amin'ny tantara
# Niara-nankany aminy izy ireo
Azo inoana fa nandeha tany amin'i Heroda izy rehetra. DH: "Ireo lehilahy misolo tena ny mponin'i Tyra sy i Sidona dia niara-nandeha niresaka tamin'i Heroda"
# Nandresy lahatra an'i Blasto izy ireo
Nandresy lahatra an'i Blasto izy ireo lehilahy ireo
# Blasto
I Blastus dia mpanampy iray na mpiandraikitra an'i Heroda Mpanjaka.
# Dia nangataka fihavanana izy ireo
"nangataka fihavanana ireo lehilahy ireo"
# ny tanànan'izy ireo dia nandray ny sakafony avy amin'ny mpanjakan'ny tanàna
Mety novidin'izy ireo io sakafo io. DH: "ny mponin'i Tyro sy i Sidona dia nividy ny sakafon'izy ireo rehetra tamin'ireo vahoaka izay nanjakan''i Heroda"
# nandray ny sakafony
Izany dia midika fa noferan'i Heroda izany famatsiana sakafo izany satria tezitra tamin'ireo mponin'i Tyro sy Sidona izy.
# Tamin'ny andro voatondro
Izany angamba no andro nifanarahan'i Heroda hihaonany tamin'ireo mpisolontena. DH: "Tamin'ny andro nifanarahan'i Heroda ifanatrehana tamin'izy ireo"
# akanjona mpanjaka
fitafiana lafo izay mety mampiseho fa izy no mpanjaka
# nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana
Tao no niresahan'i Heroda tamin'ireo olona izay tonga nijery azy.