48 lines
2.5 KiB
Markdown
48 lines
2.5 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Petera dia nanomboka nampitandrina ireo mpino mahakasika ireo mpampianatra sandoka.
|
||
|
|
||
|
# Isika dia manana ity teny faminaniana izay efa natao mafy orina ity
|
||
|
|
||
|
Ireo zavatra izay hitan'i Petera sy ireo apostoly hafa, izay nofaritany ao amin'ireo andininy teo aloha, dia manamafy izay nolazain'ireo mpaminany. DH: "Ny zavatra izay hitantsika dia mahatonga ny teny faminaniana ho azo antoka kokoa.
|
||
|
|
||
|
# Isika dia manana
|
||
|
|
||
|
Eto ny teny hoe: "isika" dia manondro ireo mpino rehetra, anisan'izany i Petera sy ireo mpamakiny.
|
||
|
|
||
|
# Ity teny faminaniana
|
||
|
|
||
|
Izany dia manondro ny Testamenta Taloha. DH: "ny Soratra Masina, izay noresahin'ireo mpaminany."
|
||
|
|
||
|
# Tokony hitandrina izany tsara ianareo
|
||
|
|
||
|
Petera dia nampianatra ireo mpino mba handinika tsara ny hafatra amin'ny faminaniana.
|
||
|
|
||
|
# Izany dia tahaka ny jiro mazava ao anaty haizina mandra-piavin'ny maraina
|
||
|
|
||
|
Petera dia nampitaha ny teny faminaniana amin'ny jiro izay manome hazavana ao anaty maizina mandra-pihavin'ny hazavan'ny maraina. Ny fiavin'ny maraina dia sarisarin'ny fiavin'i Kristy.
|
||
|
|
||
|
# Ny kintan'ny maraina miposaka ao am-ponareo
|
||
|
|
||
|
Petera dia miresaka an'i Kristy toy ny "kintana maraina," izay maneho fa efa antomotra ny andro sy ny faran'ny haizina. Kristy dia hitondra hazavana ao am-pon'ireo mpino, mampitsahatra ny fisalasalana rehetra ary mitondra fahatakarana feno momba ny aminy.
|
||
|
|
||
|
# Ny kintana maraina
|
||
|
|
||
|
NY ''kintana maraina'' dia manondro ireo planeta Venus, izay miposaka mialohan'ny masoandro ary manondro fa efa akaiky ny andro.
|
||
|
|
||
|
# Fantaro aloha izao
|
||
|
|
||
|
''Fantaro aloha izao ho zava-dehibe indrindra.''
|
||
|
|
||
|
# Fa tsy misy faminaniana avy amin'ny famoahan-kevitry ny olona
|
||
|
|
||
|
Izany andalana izany dia afaka takarina amin'ny fomba samihafa: 1) ireo mpaminany dia tsy naminany samirery ny faminanian'izy ireo; 2) ny olona dia tokony hiantehitra amin'ny Fanahy Masina mba ahatakarana ireo faminaniana; 3) ny olona dia tsy maintsy mandika ireo faminaniana miaraka amin'ny fanampian'ny fiombonan'ireo mpino Kristiana manontolo.
|
||
|
|
||
|
# Notarihan'ny Fanahy Masina ny olona mba hiteny izay notenenin'Andriamanitra.
|
||
|
|
||
|
Ny Fanahy Masina dia nitarika ny olona mba hiteny izay tian'Andriamanitra ho lazain'izy ireo. DH: ''ny olona dia niresaka avy amin'Andriamanitra rehefa notarihan'ny Fanahy Masina izy ireo.''
|
||
|
|
||
|
# Olona notarihan'ny Fanahy Masina
|
||
|
|
||
|
Petera dia miresaka ny Fanahy Masina hanampiana ireo mpaminany hanoratra izay tian'Andriamanitra ho soratan'izy ireo toy ny hoe notarihan'ny Fanahy Masina avy any amin'ny toerana iray ho any amin'ny hafa.
|