plt_tn/2co/12/20.md

32 lines
1.9 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# mety tsy hahita anareo araky ny fanantenako
"mety tsy ho tiako izay hitako'' na "mety tsy ho tiako izay hitako ataonareo"
# aho fandrao tsy ho hitanareo araky ny fanantenanareo
"mety tsy ho tianareo izay hitanareo eo amiko"
# dia mety hisy fifandirana, fialonana, firehetan'ny hatezerana, fikasana amin'ny fitiavan-tena, fifosana, fieboeboana, ary fikorontanana
Ny teny hoe ''fifandirana, fialonana, firehetan'ny hatezerana, fikasana amin'ny fitiavan-tena, fifosana, fieboeboana, ary fikorontanana'' dia afaka adika amin'ny fampiasana ny matoanteny. Ireo mety ho dikany 1) "ny sasany aminareo dia mety hifamaly aminay, hialona anay, hanjary ho tezitra mafy tampoka aminay, hiresaka momba ny fiainanay manokana, hanjary hirehareha, ary hanohitra anay raha miezaka mitaona anareo izahay" 2) "ny sasany aminareo dia mety hifanditra amin'ny tsirairay, hifampialona, hanjary ho tezitra mafy tampoka amin'ny tsirairay, hifampiresaka momba ny fiainana manokan'ny tsirairay, hanjary hirehareha, ary hanohitra an'ireo izay nofidian'Andriamanitra hitarika"
# andrao mety halahelo ny amin'ireo maro izay nanota teo aloha
"halahelo aho satria betsaka tamin'izy ireo no tsy nanary ny fahotan'izy ireo taloha.
# tsy nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana feno fanirian-dratsy
Ireo mety ho dikany dia 1) I Paoly dia milaza zavatra mitovitovy intelo mba hanamafisana. DH: "tsy nitsahatra ny nanao fahotana vetaveta izay efa nataon'izy ireo" na 2) i Paoly dia milaza karazam-pahotana telo.
# tamin'ny fahalotoana
DH: "mihevitra mangingina momba izany ary maniry ireo zavatra izay tsy mahafaly an'Andriamanitra"
# tamin'ny....fijangajangana
Ny teny hoe "mijangajanga" dia afaka adika amin'ny fampiasana anarana. DH: "amin'ny fanaovana ny asa fijangajangana"
# ary ny... feno fanirian-dratsy
Ny teny hoe "feno fanirian-dratsy" dia afaka adika amin'ny fampiasana matoanteny. DH: "ary ny.... fanaovana ireo zavatra izay mahafa-po ny filan'ny fijangajangana''