plt_tn/1ti/02/05.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# iray ihany no mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona
Ny mpanelanelana dia olona iray izay manampy amin'ny fifampiraharahana amin'ny fandriam-pahalemana eo amin'ny antoko roa izay tsy mitovy hevitra. Eto Jesosy dia manampy an'ireo mpanota hiditra ao amin'ny fifandraisana am-pilaminana miaraka amin'Andriamanitra.
# nanome ny tenany
"maty an-tsitrapo"
# vidim-panavotana ho an'ny rehetra
"tahaka ny vidin'ny fahafahana" na "ho fanorenana ny fahafahana"
# tahaka ny fijoroana vavolombelona amin'ny fotoana tokony ho izy
Izany dia afaka atao amin'ny endrika mazava fa izany no vavolombelona izay tian'Andriamanitra hamonjena ny olona rehetra. DH: "tahaka ny porofo amin'ny fotoana izay tian'Andriamanitra hamonjena ny olona rehetra"
# amin'ny fotoana tokony ho izy
izany dia midika fa izany no fotoana izay nofidin'Andriamanitra.
# Fa amin'izany tanjona izany
"Fa amin'izany" na "fa amin'izany antony"
# Izaho, ny tenako, dia natao ho mpitory sy ho apostoly
DH: "Kristy nanao ahy, Paoly, mpitory ary apostoly"
# mpampianatra an'ireo Jentilisa amin'ny finoana sy fahamarinana aho
"Mampianatra ireo Jentilisa ny hafatra amin'ny finoana sy fahamarinana aho." Eto, i Paoly dia mety mampiasa ny "finoana" sy "fahamarinana" mba hilazana hevitra iray. DH: "mampianatra ireo Jentilisa momba ny finoana marina aho"