plt_tn/1co/09/24.md

28 lines
1.8 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Paoly dia manazava ny fampiasany ny fahafahana izay hananany ao amin'i Kristy mba hifehezana ny tenany.
# Moa ve tsy fantatrareo fa amin'ny fihazakazahana iray ny mpihazakazaka rehetra dia manao ny fihazakazahana, nefa iray ihany no mahazo ny loka?
Mampatsiahy ireo Korintiana ny amin'izay efa fantatr'izy ireo i Paoly mba hahafahany manome fampahafantarana vaovao. "Mamelà ahy hampatsiahy anareo fa na dia mihazakazaka amin'ny fifaninanana ara-hazakazaka avokoa aza ny mpihazakazaka rehetra, dia mpihazakazaka iray ihany no hahazo ny loka."
# mifaninana ara-pihazakazahana
Mampitaha ny fiainana Kristiana sy ny fiasana ho an'Andriamanitra amin'ny fihazakazahana sy ny maha-atleta i Paoly. Toy ny amin'ny fifaninanana ara-pihazakazahana, ny fiainana Kristiana sy ny asa dia mitaky fitsipi-pifehezana mafy avy amin'ny mpihazakazaka, ary, toy ny amin'ny hazakazaka, dia manana tanjona manokana ny Kristiana.
# mihazakazaha mba hahazo ny loka
Paoly dia miresaka ny loka izay omen'Andriamanitra an'ireo olony mahatoky toy ny hoe loka omena amin'ny fifaninanana atletika.
# handray satro-boninahita izay mety simba ... satro-boninahitra tsy mety simba
Ny satro-boninahitra dia ravin-kazo maro narandrana miaraka. Ny satro-boninahitra dia nomena ho loka ho an'ireo izay mpihazakazaka naharesy ny lalao sy ny hazakazaka. Paoly dia miresaka ny fiainana mandrakizay toy ny hoe satro-boninahitra izay tsy halazo mandrakizay.
# tsy mihazakazaka amin'ny tsy misy antony aho na mamely totohondry amin'ny rivotra
"Fantatro tsara ny antony hihazakazahako, ary fantatro izay hataoko rehefa mamely totohondry aho"
# mba tsy ho lavina ny tenako
DH: "ny mpitsara dia hilaza fa nankato ireo lalàna aho." Amin'izany toe-javatra izany ny "mpitsara," ilay iray izay tsy handà an'i Paoly, dia sarin-teny hilazana an'Andriamanitra"