40 lines
1.6 KiB
Markdown
40 lines
1.6 KiB
Markdown
|
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
||
|
|
||
|
Manazava ny fomba handaminana ny tsy fifanarahana amin'ireo mpino hafa i Paoly.
|
||
|
|
||
|
# ady
|
||
|
|
||
|
"tsy fifanarahana" na "ady hevitra"
|
||
|
|
||
|
# sahy handeha any amin'ny fitsarana ... ireo mpino ... ve izy?
|
||
|
|
||
|
Manamafy i Paoly fa ireo Kristiana dia tsy maintsy mandamina ny tsy fifanarahana. DH: "Tsy tokony ho sahy handeha izy ... ireo mpino!" na "tokony hatahotra an'Andriamanitra izy ary tsy handeha ... ireo mpino!"
|
||
|
|
||
|
# fitsarana
|
||
|
|
||
|
toerana izay handinihan'ny mpitsaran'ny governemanta eo an-toerana ny toe-javatra iray ary hanapahany hoe iza no marina
|
||
|
|
||
|
# Moa tsy fantatrareo ve fa ireo mpino no hitsara an'izao tontolo izao?
|
||
|
|
||
|
Manao izay hahamenatra ireo Korintiana i Paoly noho ny fanaovan'izy ireo fihetsika tsy am-piheverana.
|
||
|
|
||
|
# Raha izany, ianareo no hitsara an'izao tontolo izao, moa tsy mahavita mandamina raharaha madinika ve ianareo?
|
||
|
|
||
|
Satria izy ireo dia homena andraikitra lehibe kokoa any aoriana any, dia tokony ho tompon'andraikitra amin'ny zavatra maivamaivana izy ireo ankehitriny. DH: "Hitsara an'izao tontolo izao ianareo amin'ny ho avy, ka tokony ho afaka hamaha izany olana izany ianareo izao"
|
||
|
|
||
|
# raharaha
|
||
|
|
||
|
"disadisa" na "tsy fitovian-kevitra"
|
||
|
|
||
|
# Moa tsy fantatrareo ve fa hitsara ireo anjely isika?
|
||
|
|
||
|
Gaga i Paoly fa toa tsy mahafantatra izy ireo. "Fantatrareo fa hitsara an'ireo anjely isika"
|
||
|
|
||
|
# isika
|
||
|
|
||
|
Mampiditra ny tenany sy ireo Korintiana ao anatin'izany i Paoly.
|
||
|
|
||
|
# Toy ny ahoana, noho izany, ny fihoaran'ny fahafahantsika mitsara ireo raharaha amin'ity fiainana ity?
|
||
|
|
||
|
"Satria fantatsika fa hitsara ireo anjely isika, afaka matoky isika fa hamela antsika hitsara ny zava-misy eto amin'ity fiainana ity Andriamanitra"
|