\v 7 Dia hoy i Adonia Bezeka: “Mpanjaka fitopolo, izay tapaka ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongotr'izy ireo, no nanangona ny sakafon'izy ireo tao ambanin'ny latabatro. Tahaka izay efa nataoko, dia toy izany ihany koa no nataon'Andriamanitra tamiko.” Nentin'izy ireo tany Jerosalema izy, ary maty tany.
\v 14 Tsy ela dia tonga tany amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisika azy hangataka amin'ny rainy mba hanome saha iray azy izy. Raha niala tamin'ny ampondrany izy, dia nanontany azy Kaleba hoe: “Inona no azoko atao anao?”
\v 15 Ary hoy izy taminy: “Omeo tso-drano aho. Satria efa nomenao ahy ny tany Negeva, dia omeo loharano ihany koa aho.” Ka dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
\v 18 Nosamborin'ny vahoakan'i Joda ihany koa i Gaza sy ireo tany manodidina azy, Askelona sy ny tany manodidina azy, ary Ekrona sy ny tany manodidina azy.
\v 24 Nahita lehilahy nivoaka ny tanàna ireo mpitsikilo, dia hoy izy ireo taminy: “Mba asehoy anay re, ny fomba hidirana ao amin'ny tanàna, dia ho tsara fanahy aminareo izahay.”
\v 25 Dia nasehony azy ireo ny lalana mankao amin'ny tanàna, ka dia nanafika ny tanàna tamin'ny lelan-tsabatra izy ireo, nefa navelan'izy ireo nandeha ilay lehilahy sy ny fianakaviany.
\v 26 Avy eo dia nankany amin'ny tanin'ireo Hetita ilay lehilahy ka nanorina tanàna ary nantsoiny hoe Lozy izany, izay anarany mandrak'androany.
\v 27 Tsy noroahin'ireo vahoakan'ny Manase ireo vahoaka nitoetra tany amin'ny tanànan'i Beta Sana sy ireo zana-bohiny, na Tanasa sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Dora sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tao Ibleama sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Megido sy ireo zana-bohiny, satria efa tapa-kevitra ny hitoetra amin'izany tany izany ireo Kananita.
\v 2 Aza manao fanekena amin'ireo izay mipetraka ao amin'ity tany ity ianareo. Aoka horavanareo ny alitaran'izy ireo.’ Nefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Fa inona ity nataonareo?
\v 3 Koa ankehitriny aho dia milaza fa: ‘Tsy handroaka ireo Kananita eo anatrehanareo Aho, fa ho lasa tsilo eo anilanareo izy ireo, ary ireo andriamaniny dia ho lasa fandrika ho anareo.’”
\v 6 Ary rehefa naniraka ny vahoaka tamin'ny lalan'izy ireo Josoa, dia nankany amin'ny toerana voatendry ny vahoakan'i Israely tsirairay, mba haka ny tanin'izy ireo.
\v 7 Nanompo an'i Yaveh nandritra ny androm-piainan'i Josoa sy ireo loholona izay mbola velona taoriany ny vahoaka, ary ireo izay nahita ny asa lehiben'i Yaveh rehetra nataony ho an'Israely.
\v 14 Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafika izay nangalatra ny fananan'izy ireo taminy izy ireo. Namidiny ho andevo ireo izay voatazona tamin'ny herin'ny fahavalo manodidina azy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo intsony miaro ny tenany amin'ireo fahavalony.
\v 15 Na taiza na taiza nandehanan'Israely niady, ny tanan'i Yaveh dia nanohitra azy ireo mba handresy azy ireo, araka ny nianianany tamin'izy ireo ary tao anaty fahoriana mahatsiravina izy ireo.
\v 22 Hanao izany Aho mba hahafahako mitsapa ny Israely, na hitandrina ny lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany izy ireo na tsia, toy ny nitandreman'ny razan'izy ireo izany.”
\v 8 Noho izany, dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh, ary namidiny teo am-pelatanan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama Naharaima izy ireo. Nanompo an'i Kozana-risataima nandritra ny valo taona ireo vahoakan'Israely.
\v 9 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, dia nanandratra olona mba ho tonga hamonjy ny vahoakan'Israely i Yaveh, sy hanavotra azy ireo: Otniela zanaka lahin'i Kenaza (zandrin'i Kaleba).
\v 12 Taorian'izany, dia mbola nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ireo Israelita, ka nanome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba mba hampandresy ireo Israelita i Yaveh.
\v 13 Nikambana tamin'ireo Amona sy ireo Amaleka i Eglona, dia nandeha izy ireo ka nandresy an'Israely, ary nalain'izy ireo ho fananany ny Tanànan-drofia.
\v 14 Nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba nandritra ny valo ambin'ny folo taona ny vahoakan'Israely.
\v 20 Tonga teo aminy i Ehoda. Nipetraka irery ny mpanjaka, irery tao amin'ny mangatsiatsiaka tao amin'ny efitrano ambony. Hoy i Ehoda hoe: “Manana hafatra avy any amin'Andriamanitra ho anao aho.” Nitsangana avy teo amin'ny fipetrahany ny mpanjaka.
\v 24 Rehefa lasa i Ehoda, dia tonga ireo mpanompon'ny mpanjaka; hitan'izy ireo fa mihidy ireo varavaran'ny efitra ambony, ka nihevitra izy ireo hoe: “Azo antoka fa maka aina ao amin'ny mangatsiatsiaka ao amin'ny efitra ambony izy.”
\v 9 Hoy izy: “Hiaraka aminao tokoa aho. Na izany aza, ny lalana izay andehananareo dia tsy hitarika anareo any amin'ny voninahitrareo, fa hivarotra an'i Sisera eo an-tanan'ny vehivavy i Yaveh.” Dia niakatra Debora ary niaraka tamin'i Baraka nankany Kadesy.
\v 10 Niantso ireo lehilahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiaraka ho any Kadesy i Baraka. Lehilahy iray alina no nanaraka azy, ary niaraka taminy i Debora.
\v 15 Nampifanjevon'i Yaveh ireo tafik'i Sisera, ireo kalesiny rehetra, ary ireo tafiny rehetra. Nanafika azy ireo ny lehilahin'i Baraka ka nidina tamin'ny kalesiny i Sisera ary nitsoaka an-tongotra.
\v 16 Fa nenjehin'i Baraka hatrany Harosetan'ny Jentilisa ireo kalesy sy ny tafika, ary ny tafik'i Sisera manontolo dia novonoina tamin'ny lelan-tsabatra, ary tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza.
\v 19 Hoy izy taminy: “Mba omeo rano kely ho sotroina re aho, fa mangetaheta.” Nanokatra kitapon-dronono hoditra izy ary nanome azy ho sotroina, avy eo dia norakofany indray izy.
\v 11 Henoy ny feon'ireo izay mihira eo amin'ny tany fanondrahana. Any no ilazan'izy ireo indray ny fahamarinan'ny asan'i Yaveh, sy ny fahitsian'ny asan'ireo mpiadiny tany Israely. Avy eo dia nidina teo amin'ny vavahadin'ny tanàna ireo vahoakan'i Yaveh.
\v 16 Nahoana ianao no mipetraka eo afovoan'ny vala, mihaino ireo mpiandry ondry mitsoka ny sodiny ho an'ireo ondry aman'osiny? Raha ny amin'ny fokon'i Robena dia nisy fikasan'ny fo lehibe.
\v 26 Napetrany teo amin'ny tsatokan-day ny tanany, ary ny tanany havanana tamin'ny tantanan'ny mpiasa; dia namely an'i Sisera tamin'ilay tantanana izy, notorotoroany ny lohany. Raha nandefona ny firifany izy dia nopotipotehiny ho torotoro ny karan-dohany.
\v 30 “Tsy efa nahita sy nizara ny babo ve izy ireo? Vehivavy iray, na vehivavy roa ho an'ny isan-dahy; fandrobana lamba mena ho an'i Sisera, fandrobana lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena roa misy peta-kofehy ho eo am-bozon'ireo nandroba?’
\v 31 Ho ringana anie ny fahavalonao rehetra, ry Yaveh! Fa ireo namanao kosa dia ho toy ny masoandro rehefa miposaka amin'ny heriny.” Dia nandry nandritra ny efapolo taona ny tany.
\v 2 Nampahory ny Israely ny fahefan'i Midiana. Nohon'ny amin'ny Midiana, dia nanao fialofana ho azy ireo tao amin'ny zohy teny amin'ny havoana, tany an-dava-bato, ary tao amin'ny fiarovana mafy ny vahoakan'Israely.
\v 3 Ary isaky ny namboly ireo vokany ny Israelita, dia nanafika azy ireo ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona avy any atsinanana.
\v 4 Nametraka ny tafiny teo amin'ny tany izy ireo ary namotika ireo vokatra, teny amin'ny lalana rehetra mankany Gaza. Tsy namela sakafo ho an'ny Israely, na ondry, na biby fiompy, na ampondra izy ireo.
\v 5 Isaky ny miakatra izy ireo sy ny biby fiompiny ary ny lainy, dia toy ny andiam-balala ny fiavin'izy ireo, ary tsy tambo isaina na ny olona na ireo ramevany. Nanafika ny tany mba hamotehana izany izy ireo.
\v 6 Tena nampaosa an'ireo Israelita tokoa ny Midiana hany ka niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
\v 15 Hoy Gideona taminy: “Ahoana re ry Tompo no hamonjeko an'Israely? Indro, ny fianakaviako no marefo indrindra ao amin'i Manase, ary izaho no farany tsy manan-danja indrindra ao an-tranon'ny raiko.”
\v 18 Aza miala eto re, mandra-piaviko eto aminao hitondra ny fanomezana ary hametraka izany eo anoloanao.” Hoy i Yaveh: “Hiandry Aho mandra-piverinao.”
\v 20 Hoy ny anjelin'Andriamamanitra taminy: “Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity ireo, ary araraho ho eo amin'ireo ny rony.” Dia izany no nataon'i Gideona.
\v 21 Ary ny anjelin'i Yaveh naninjitra ny tendron'ny tehina tamin'ny tanany. Tamin'izany no nikasihany ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatra avy tao amin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Avy eo dia lasa ny anjelin'i Yaveh ka tsy nahita azy intsony i Gideona.
\v 25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Yaveh taminy: “Alaivo ny omby lahin-drainao, dia ny omby lahy faharoa izay efa fito taona, ravao ny alitaran'i Bala izay an'ny rainao, ary tapaho ny Aseraha izay eo anilan'izany.
\v 26 Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny tampon'ity toerana fialofana ity, dia aoreno araka ny tokony ho izy izany. Atolory ho fanatitra dorana ny omby lahy faharoa, amin'ny fampiasana ny hazo avy amin'ny Aseraha izay nokapainao.”
\v 27 Ka dia naka folo tamin'ireo mpanompony i Gideona ary nanao araka izay nolazain'i Yaveh taminy. Ary satria natahotra loatra ny ankohonan-drainy sy ireo lehilahy tao an-tanàna ny hanao izany mandritra ny andro izy, dia nataony nandritra ny alina izany.
\v 28 Nony maraina rehefa nifoha ny lehilahy tao an-tanàna, dia efa rava ny alitaran'i Bala, ary ny Aseraha teo anilany dia voakapa, ary ny omby lahy faharoa dia natao fanatitra teo amin'ny alitara izay vao naorina.
\v 29 Ny lehilahy teo an-tanàna dia nifampiresaka hoe: “Iza no nanao izao?” Rehefa niresaka tamin'ny hafa izy ireo ka nikaroka izay valiny, dia hoy izy ireo: “Gideona zanak'i Joasy no nanao izao zavatra izao.”
\v 30 Ary hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy hoe: “Avohay ny zanakao mba hovonoina ho faty, satria noravany ny alitaran'i Bala, ary satria nokapainy ny Aseraha teo anilan'izany.”
\v 31 Hoy i Joasy tamin'ireo rehetra izay nanohitra azy hoe: “Hifona ny zava-misy ho an'i Bala ve ianareo? Hamonjy azy ve ianareo? Na iza na iza hifona ho azy, dia aoka izy ho vonoina ho faty raha mbola maraina koa. Raha andriamanitra i Bala, aoka izy hiaro ny tenany rehefa noravan'ny olona ny alitarany.”
\v 32 Ary tamin'izany andro izany i Gideona dia nantsoin'izy ireo hoe: “Jerobala,” satria hoy izy hoe: “Aoka hiaro ny tenany i Bala.” satria efa nandrava ny alitaran'i Bala i Gideona.
\v 33 Ary ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona rehetra avy any atsinanana dia niara-nivory. Niampita an'i Jordana izy ireo ary nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Jezirela.
\v 34 Fa tonga tamin'i Gideona ny fanahin'i Yaveh. Nitsoka ny trompetra, niantso ny fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hanarahan'izy ireo azy.
\v 35 Nandefa iraka eran'i Manase manontolo izy, ary izy ireo koa, dia voahantso mba hanaraka azy. Nandefa iraka ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly ihany koa izy, ary niakatra mba hihaona aminy izy ireo.
\v 37 Indro, izaho mametraka ny volon'ondry eo amin'ny famoloana. Raha misy ando eo amin'ny volon'ondry, ka maina eo amin'ny tany rehetra, dia ho fantatro fa hampiasa ahy mba hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nolazainao.”
\v 38 Toy izao no niseho_nifoha maraina be i Gideona ny ampitso, niara-nofihazany ny volon'ondry, ary nisy ando nivoaka tamin'ny volon'ondry, ampy nahafeno lovia iray ny rano.
\v 1 Dia nifoha maraina i Jerobala (Gideona izany), sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy, ary nitoby teo anilan'ny loharanon'i Haroda izy ireo. Ny tobin'ny Midiana dia tao avaratr'izy ireo tao an-dohasaha nanakaiky ny vohitr'i More.
\v 2 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: “Maro loatra amiko ireo miaramila, mba hanomezako fandresena ho anao eo amin'ireo Midianita, mba tsy hireharehan'i Israely amiko, hanao hoe: ‘Ny herinay no namonjy anay.’
\v 3 Ary ankehitriny, ambarao eo an-tsofin'ny vahoaka ka lazao hoe: ‘Na iza na iza matahotra, na iza na iza mangovitra, dia aoka izy hiverina ka hiala ao an-Tendrombohitra Gileada.’” Dia lasa ny olona roa arivo sy roa alina noho izany, ary ny iray alina kosa nijanona.
\v 5 Dia nentin'i Gideona nidina teny amin'ny rano ny olona, ary hoy Yaveh taminy hoe: “Atokano izay rehetra milelaka ny rano, toy ny filelaky ny alika, amin'ireo izay mandohalika ambany mba hisotro.”
\v 7 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: “Amin'ny alalan'ireo telonjato lahy izay nilelaka ny rano, no hanavotako anareo, sy hanomezako anareo ny fandresena eo amin'ireo Midianita. Aoka ny lehilahy hafa rehetra hiverina any an-tanànany avy.”
\v 8 Ka dia naka ireo vatsiny sy ireo trompetrany ireo izay voafidy. Nampodian'i Gideona ny lehilahin'Israely rehetra, ny lehilahy rehetra mba samy ho ao an-dainy, nefa nazoniny ireo telonjato lahy. Ary ny tobin'i Midiana dia tao ambaniny tao an-dohasaha.
\v 11 ary henoy izay lazain'izy ireo, dia hatanjaka ny herim-ponao amin'ny fanafihana ny toby.” Ary dia nidina niaraka tamin'i Pora mpanompony, tao amin'ireo toerana fiambenana ny toby i Gideona.
\v 12 Ny Midianita, ny Amalekita, sy ny olona rehetra avy any antsinana dia niara-nitoetra tao an-dohasaha, maro dia maro tahaka ny andiam-balala. Tsy tambo isaina ny ramevan'izy ireo; maro noho ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo.
\v 13 Rehefa tonga tao i Gideona, dia nisy lehilahy iray nitantara nofy tamin'ny namany. Dia hoy ralehilahy hoe: “Indro! Nanofy aho, ary nahita mofo hordea boribory nikodiadia tao an-tobin'i Midiana. Dia tonga tao an-day izany, sady nandona azy mafy dia mafy ary nianjera ka nitsimbadika ambony ambany, ka dia fisaka.”
\v 15 Rehefa ren'i Gideona indray ny filazana ny nofy sy ny fandikana izany, dia niankohoka nivavaka izy. Dia niverina tao an-tobin'i Israely izy ka nanao hoe: “Mifohaza! efa nomen'i Yaveh anareo ny fandresena ny miaramila Midiana.”
\v 16 Dia nozarainy ho vondrona telo ny telonjato lahy, ary nomeny trompetra sy siny foana izy rehetra, miaraka amin'ireo fanilo anatin'ny siny tsirairay.
\v 17 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Mijere ahy ka ataovy izay ataoko. Jereo! rehefa tonga eo amin'ny sisin'ny toby aho, dia tsy maintsy hataonareo izay hataoko.
\v 18 Rehefa mitsoka ny trompetra aho, dia izaho sy izay rehetra miaraka amiko, dia tsofy manodidina ny toby manontolo ihany koa ny trompetranareo ka mihikà hoe: ‘Ho an'i Yaveh sy Gideona!’”
\v 19 Dia tonga teo an-tsisin'ny toby i Gideona sy ny zato lahy izay niaraka taminy, tamin'ny fanombohan'ny antenantenan'ora indrindra. Raha teo am-panoloana mpiambina indrindra ireo Midianita, dia notsofin'izy ireo ny trompetra ary novakian'izy ireo ny siny izay teny an-tanan'izy ireo.
\v 24 Dia naniraka mpitondra hafatra nanerana ny tany havoanan'i Efraima rehetra Gideona, nanao hoe: “Mandehana midina hanohitra ny Midiana ka araho maso ny onin'i Jordana, hatrany Beti-bara, mba hampitsaharana azy ireo.” Dia niara-nivory ny lehilahin'i Efraima rehetra ka nanara-maso ireo rano, hatrany Beti-bara sy ny Reniranon'i Jordana.
\v 6 Dia hoy ireo manam-pahefana hoe: “Moa ve eo am-pelatananao ny tanan'i Zebaha sy Zalmona ankehitriny? Nahoana no tokony hanome mofo ho an' ireo miaramilanao izahay?
\v 7 Hoy Gideona hoe: “Rehefa omen'i Yaveh fandresena izahay manoloana an'i Zebaha sy Zalamona, dia ho triariko amin'ny tsilo avy any an'efitra sy raketa ny hoditrareo.”
\v 8 Niakatra avy tao izy mba ho any Penoela ary niteny tahaka izany tamin'ny olona tao ihany koa, fa ny olona tao Penoela namaly azy tahaka ireo famalin'ny olona tao Sokota.
\v 11 Niakatra ilay lalan'ny mpitoetra an-day i Gideona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy ireo tafika fahavalo izy, satria tsy nanampo ny fanafiana izy ireo.
\v 12 Nandositra i Zebaha sy Zalmona, ary raha nanenjika azy ireo i Gideona, dia voasambony ireo mpanjaka roan'i Midiana—i Zebaha sy Zalmona—ary nampihorohorony ny tafik'izy ireo manontolo.
\v 15 Ary tonga tao amin'ireo lehilahin'i Sokota i Gideona ka nanao hoe: “Indreo Zebaha sy Zalmona, izay nanesoanareo ahy sy nilazanareo hoe: ‘Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ve ianao? Tsy fantatray fa tokony hanome mofo an'ireo tafikao izahay.’”
\v 18 Dia hoy i Gideona tamin'i Zebaha sy Zalmona hoe: “Lehilahy tahaka ny ahoana no novonoinareo tao Tabara?” Namaly izy ireo hoe: “Tahaka anao ihany izy ireo. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia toy ny zanaka mpanjaka avokoa.”
\v 27 Nanamboatra efoda avy amin'ireo kavina i Gideona ary napetrany tao an-tanànany, tao Ofra izany, ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana izany teo ny Israely rehetra. Lasa fandrika ho an'i Gideona sy ho an'ireo izay tao an-tranony izany.
\v 2 “Mba lazao re izao, mba ho ren'ny mpitarika rehetra ao Sekema: ‘Inona no mety kokoa aminareo: manana ny zanak'i Jerobala fitopolo lahy hanapaka eo aminareo, sa iray ihany no manapaka eo aminareo?’ Tsarovy fa nofo sy rànareo aho.”
\v 9 Nefa hoy ny hazon'oliva tamin'izy ireo: “Tokony hafoiko ve ny diloiloko, izay ampiasaina hanomezam-boninanahitra ireo andriamanitra sy ny olombelona, mba hahafahako mandeha miverina, ka hitsingevangevana eny amin'ny hazo hafa fotsiny ihany?’
\v 11 Fa hoy kosa ilay aviavy tamin'ireo: ‘Tokony hafoiko ve ny hamamiko sy ny voa tsarako, mba hahafahako miverina ka hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa fotsiny ihany?’
\v 13 Hoy ilay voaloboka tamin'izy ireo hoe: ‘Tokony hafoiko ve ny divay vaovaoko, izay mampifaly ny andriamanitra sy ny olombelona, ka hiverina ary hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa?’
\v 15 Hoy ny tsilon-draketa tamin'ireo hazo: ‘Raha tena te hanosotra ahy ho mpanjaka eo aminareo ianareo, dia avia ary mitadiava fiarovana eo amban'ny aloko. Raha tsy izany, dia aoka hivoaka avy ao amin'ny tsilon-draketa ny afo ary aoka izany handoro ny sederan'i Libanona.’
\v 16 Ankehitriny ary, raha nanao ny marina sy mahitsy ianareo, tamin'ny nanaovanareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary raha nanao ny tsara mahakasika an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary raha nanafay azy araka izay mendrika azy ianareo—
\v 17 —ary mihevitra fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy, ary namonjy anareo tamin'ny tanan'i Midiana—
\v 18 fa ankehitriny ianareo dia efa nitsangana hanohitra ny ankohonan-draiko ary namono ireo zanany lahy, dia olona fitopolo, teo ambony vato iray izany. Ary nataonareo mpanjaka eo amin'ireo mpitarik'i Sekema i Abimeleka, zanaky ny mpanompo vaviny, satria havanareo izy.
\v 19 Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ianareo, dia tokony hiravoravo amin'i Abimeleka, ary hamela azy hiravoravo aminareo.
\v 20 Fa raha tsy izany, dia aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo. Aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba handoro an'i Abimeleka.”
\v 28 Hoy i Gala, zanak'i Ebeda hoe: “Iza moa i Abimeleka, ary iza i Sekema, no dia tokony hanompo azy isika? Moa tsy zanak'i Jerobala ve izy? Moa tsy Zebola ve no lefiny? Tompoy ny olon'i Hamora, dia ny rain'i Sekema izany! Nahoana isika no tokony hanompo an'i Abimeleka?
\v 29 Iriako mba teo ambany fifehezako ity vahoaka ity! Dia ho nesoriko i Abimeleka. Dia niteny tamin'i Abimeleka aho hoe: ‘Antsoy ny tafikao rehetra.”’
\v 31 Nandefa iraka tany amin'i Abimeleka izy mba hamitahana, nanao hoe: “Indro, Gala zanak'i Ebeda sy ireo havany dia ho avy any Sekema, ary manainga ny tanàna hanohitra anao izy ireo.
\v 36 Rehefa hitan'i Gala ireo lehilahy, dia hoy izy tamin'i Zebola hoe: “Indreo, misy olona midina avy any an-tampon-kavoana!” Hoy Zebola taminy hoe: “Toy ny olona ny fahitanao ireo aloka eo amin'ny havoana.”
\v 37 Dia niteny indray i Gala ka nanao hoe: “Indreo, misy olona midina eo afovoan'ny tany, ary misy antoko iray tonga avy eo amin'ny hazo terebintan'ireo mpanandro.”
\v 49 Koa dia nikapa rantsan-kazo ny olon-drehetra ary nanaraka an'i Abimeleka. Navangongon'izy ireo teo amin'ny rindrin'ny tilikambo izany, ary nodoran'izy ireo, hany ka maty ihany koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambon'i Sekema, dia lehilahy sy vehivavy manodidina ny arivo izany.
\v 54 Avy eo dia niantso faingana an'ilay tovolahy izay mpitondra ny fiadiany izy, ary niteny taminy hoe: “Avoahy ny sabatrao dia vonoy aho, mba tsy hisy hilaza ny amiko hoe: ‘Vehivavy no namono azy.”’ Ka notrobaran'ilay tovolahy izy, ary maty.
\v 15 Hoy ireo vahoakan'Israely tamin'i Yaveh: “Nanota izahay. Ataovy aminay na inona na inona mety ho tsara Aminao. Fa kosa, mba avoty re izahay amin'ity andro ity.”
\v 2 Niteraka ireo zanany lahy hafa koa ny vadin'i Gileada. Rehefa lehibe ny zanaky ny vadiny, dia noteren'izy ireo handao ny trano i Jefta sady nanao taminy hoe: “Tsy handova na inona na inona avy amin'ny fianakavianay ianao. Zanaky ny vehivavy hafa ianao.”
\v 10 Dia hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: “Yaveh anie ho vavolombelona eo amintsika sy ianao raha tsy manao araka izay lazaintsika isika!”
\v 12 Avy eo Jefta naniraka mpitondra hafatra ho an'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, manao hoe: “Inona ity ady eto amintsika ity? Nahoana ianao no tonga tamin-kery haka ny taninay?”
\v 17 Rehefa nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma i Israely, nanao hoe: ‘Miangavy re mba avelao izahay handalo eo amin'ny taninareo,’ dia tsy nihaino ilay mpanjakan'i Edoma. Nandefa mpitondra hafatra tany amin'ny mpanjakan'i Moaba ihany koa izy ireo, fa nandà izy. Noho izany dia nijanona tao Kadesa i Israely.
\v 23 Ary taorian'izay Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia nandroaka ireo Amorita teo anatrehan'i Israely vahoakany, ka tokony haka ho fananana ny tanin'izy ireo ve ianao ankehitriny?
\v 24 Moa tsy haka ny tany izay nomen'i Kemosy, andriamanitrao ho anao ve ianao? Noho izany na inona na inona tany omen'i Yaveh Andriamanintsika antsika, dia ho alaintsika.
\v 25 Koa tsara noho i Balaka zanaka lahin'i Zipora, mpanjakan'i Moaba ve ianao? Sahy niady hevitra tamin'Israely ve izy? Sahy nanangan'ady tamin'izy ireo ve izy?
\v 26 Rehefa nipetraka nandritra ny telonjato taona tany Hesbona sy ireo zana-bohiny i Israely, ary tany Aroera sy ireo zana-bohiny, sy tany amin'ireo tanàna rehetra izay eny amoron'i Arnona— koa nahoana ianareo no tsy nitondra azy ireo niverina tamin'izany fotoana izany?
\v 29 Avy eo tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Yaveh, ka nandalo an'i Gileada sy Manase izy, dia nandalo an'i Mizpa any Gileada, ary avy ao Mizpa an'i Gileada izy dia nandalo ny vahoakan'i Amona.
\v 30 Nanao voady tamin'i Yaveh i Jefta ary nanao hoe: “Raha omenao fandresena eo amin'ny vahoakan'i Amona aho,
\v 31 dia na inona na inona mivoaka ny varavaran'ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina am-piadanana avy any amin'ny vahoakan'i Amona aho, dia ho an'i Yaveh, ary hatolotro ho fanatitra dorana izany.”
\v 32 Ary dia nandalo teo amin'ny vahoakan'i Amona i Jefta mba hiady hanohitra azy ireo, ary nomen'i Yaveh azy ny fandresena.
\v 33 Nanafika azy ireo izy ary nahatonga famonoana lehibe tao Aerora ka hatrany Minita—tanàna roapolo—ka hatrany Abela-keramina. Ka dia tao ambany fifehezan'ny vahoakan'Israely ny vahoakan'i Amona.
\v 34 Tonga tao an-tranony tany Mizpa i Jefta, ary nivoaka avy tao ny zanany vavy mba hitsena azy amin'ny apongatapaka sy dihy. Izy irery no hany zanany, ary ankoatra azy dia tsy nanana zanaka lahy na vavy izy.
\v 36 Hoy izy taminy hoe: “Ry raiko, nanao voady tamin'i Yaveh ianao, ataovy amiko ny zavatra rehetra nampanantenainao, satria efa namaly faty an'ireo fahavalonao, dia ireo Amorita i Yaveh.”
\v 37 Hoy izy tamin-drainy hoe: “Aoka hazonina ho ahy izany fampanantenana izany. Avelao ho irery mandritra ny roa volana aho, mba hahafahako mandao ka mandeha midina mankany amin'ireo havoana ary hitomany ny maha-virjiny ahy, izaho sy ny fangoraham-poko.”
\v 38 Hoy izy hoe: “Mandehana.” Nalefany nandritra ny roa volana izy. Dia nandao azy razazavavy, izy sy ny fangoraham-pony, ka nitomany ny maha-virjiny azy tany amin'ny havoana.
\v 3 Rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianao, dia napetrako tamin'ny tanjako manontolo ny fiainako ary namakivaky ny vahoakan'i Amona aho, ka nomen'i Yaveh ahy ny fandresena. Nahoana ianao no tonga hiady amiko ankehitriny?
\v 7 Niasa toy ny mpitsara nanerana an'i Israely nandritra ny enina taona i Jefta. Avy eo dia maty i Jefta ilay Gileadita ary nalevina tao amin'ny iray amin'ireo tanànan'ny Gileada.
\v 6 Ary tonga ravehivavy ka niteny tamin'ny vadiny hoe: “Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary toy ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana azy, tena mampitahotra. Tsy nanontany azy izay niaviany aho, ary tsy nilaza tamiko ny anarany izy.
\v 7 Dia hoy izy tamiko hoe: “Indro! Hitoe-jaza, ary hiteraka zazalahy ianao. Koa noho izany dia aza misotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto, satria ny zaza dia ho Nazarita ho an'Andriamanitra manomboka amin'ny fotoana maha ao am-bohoka azy ka hatramin'ny andro hahafatesany.”
\v 8 Dia nivavaka tamin'i Yaveh i Manoa ka nanao hoe: “Tompo o, mba avelao ilay lehilahin'Andriamanitra nirahinao hiverina aminay indray mba hampianarany anay izay tokony ataonay amin'ny zaza izay ho teraka tsy ho ela.”
\v 9 Namaly ny vavak'i Manoa i Yaveh, ka tonga tamin-dravehivavy indray ny anjelin'Andriamanitra raha nipetraka tany an-tsaha izy. Nefa tsy niaraka taminy i Manoa vadiny.
\v 11 Dia nitsangana i Manoa ka nanaraka am- badiny. Rehefa tonga teo amin'ilay lehilahy izy, dia hoy izy hoe: “Ianao ve ilay lehilahy niresaka tamin'ny vadiko?” Dia hoy ralehilahy hoe: “Izaho no izy.”
\v 16 Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: “Na dia hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafonao akory. Fa raha manomana fanatitra dorana ianao, dia atolory ho an'i Yaveh izany.” (Tsy fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.)
\v 19 Ary nalain'i Manoa niaraka tamin'ny fanatitra hohanina ny zanak'osy ka natolony teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo. Nanao zava-mahagaga izy raha iny nijery iny i Manoa sy ny vadiny.
\v 20 Rehefa niakatra avy teo amin'ny alitara nankany an-danitra ny lela afo, dia niakatra tao anatin'ny lela afon'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh. Nahita izany i Manoa sy ny vadiny ary nampiakohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany.
\v 21 Tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony ilay anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.
\v 2 Rehefa niverina izy, dia niteny tamin'ny ray sy reniny hoe: “Nahita vehivavy iray tao Timna aho, iray amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina. Ary alaivo mba ho vadiko izy.”
\v 3 Hoy ny ray sy reniny taminy hoe: “Moa ve tsy misy vehivavy amin'ireo zanaka vavin'ny havanao, na amin'ireo vahoakanao rehetra? Haka vady avy amin'ireo Filistina tsy mifora ve ianao?” Hoy i Samsona tamin'ny rainy hoe: “Alaivo ho ahy izy, fa rehefa nijery azy aho, dia mahafinaritra ahy izy.”
\v 4 Fa ny ray sy reniny dia tsy nahalala fa avy amin'i Yaveh izany zavatra izany, satria naniry ny hanangana ady amin'ireo Filistina Izy (satria tamin'izany fotoana izany dia ireo Filistiana no nanjaka tao Israely).
\v 5 Ary nidina tany Timna niaraka tamin'ny ray sy reniny i Samsona, ary nankany amin'ny tanim-boalobok'i Timna izy ireo. Ary, indro, nisy liona tanora iray nanatona ary nierona taminy.
\v 6 Tonga tampoka taminy ny Fanahin'i Yaveh, ary dia nosamahiny mora toy ny manasamaka zanak'osy ilay liona, ary tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Nefa tsy nolazainy tamin'ny rainy na ny reniny izay nataony.
\v 12 Hoy i Samsona tamin'izy ireo hoe: “Avelao aho anio hiteny ankamantatra aminareo. Raha misy iray aminareo mahita izany ary miteny amiko ny valiny mandritra ny fito andro fanasana, dia homeko rongony fotsy madinika telopolo sy akanjo fisolo telopolo.
\v 13 Fa raha tsy mahalaza amiko ny valiny ianareo, dia homenareo rongony fotsy madinika sy akanjo fisolo telopolo isa aho.” Hoy izy ireo taminy hoe: “Lazao anay ny ankamantatrao, mba hahafahanay mandre izany.”
\v 14 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: “Avy ao amin'ny mpihinana no misy zavatra fihinana; avy ao amin'ny matanjaka no misy zavatra malefaka.” Saingy tsy nahita ny valiny tao anatin'ny telo andro ireo vahiny nasainy.
\v 15 Tamin'ny andro fahefatra dia hoy izy ireo tamin'ny vadin'i Samsona hoe: “Fitaho ny vadinao mba hilazany aminay ny valin'ilay ankamantatra, raha tsy izany dia hodoranay ianao sy ny tranon'ny rainao. Nasainareo taty mba ho ampahantraina angaha izahay?”
\v 2 Hoy ny rainy hoe: “Tena nihevitra aho fa nankahala azy ianao, ka nomeko ny namanao izy. Tsara noho izy ny zandriny vavy, sa tsy izany? Alaivo ho solony izy.”
\v 4 Dia nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato ary namatotra azy ireo tsiroaroa, isan-drambony. Avy eo dia naka fanilo izy ka namatotra ireo teo afovoan'ny rambo roa.
\v 5 Rehefa nandrehitra ny fanilo izy, dia namela ireo amboahaolo handeha eny amin'ny vary manirin'ireo Filistina, dia samy nodoran'izy ireo ny vary niangona sy ny vary naniry teny an-tsaha, niaraka tamin'ireo tanim-boaloboka sy ireo tanin'Oliva.
\v 8 Ary notapatapahiny tamin'ny famonoana lehibe, ny valahany sy fen'izy ireo. Ary nidina izy ka nonina tao anaty lava-bato tao amin'ny hantsan'i Etama.
\v 6 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: “Miangavy re, lazao ahy ny mahatonga anao tena matanjaka, ary ahoana no hahafahan'ny olona mamatotra anao, ka ho voafehy ianao?
\v 13 Hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: “Hatramin'izao ianao dia mbola namitaka ahy ary nilaza lainga tamiko. Lazao ahy hoe ahoana no mety handresena anao.” Fa hoy i Samsona taminy hoe: “Raha zairinao ao amin'ny lamba eo amin'ny fanjairana ny vonan'ny voloko miisa fito, ary avy eo dia fantsio eo amin'ny fanjairana izany, dia ho toy ny lehilahy hafa rehetra aho.”
\v 14 Raha natory izy, dia nozairin'i Delila tamin'ny fanjairana ny foto-bolo fito tamin'ny volony ary namantsika izany teo amin'ny fanjairana izy, dia hoy izy taminy: “Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!” Nifoha tamin'ny torimasony izy ary nongotany teo amin'ny fanjairana ilay lamba sy ilay tsatoka.
\v 17 Dia nolazain'i Samsona taminy ny zavatra rehetra ary hoy izy taminy hoe: “Mbola tsy notapahina tamin'ny hareza mihintsy ny volon-dohako, satria izaho dia Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko. Koa raha haratana ny lohako, dia hiala amiko ny heriko, ary halemy aho ka ho toy ny lehilahy hafa rehetra.”
\v 27 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano. Tao avokoa ireo mpanapak'ireo Filistina rehetra. Teo amin'ny telo arivo teo ho eo ny lehilahy sy vehivavy teo an-tafon-trano, izay nijery an'i Samsona nampiala voly azy ireo.
\v 30 Hoy i Samsona hoe: “Avelao aho ho faty miaraka amin'ireo Filistina!” Naninjitra ny heriny izy ka nianjera teo amin'ireo mpanapaka sy teo amin'ireo olona rehetra izay tao anatin'izany ilay fanorenana lehibe. Ka ny maty izay novonoiny tamin'izy maty dia mihoatra noho ireo izay novonoiny nandritra ny fiainany.
\v 3 Naveriny tany amin'ny reniny ny sekely volafotsy 1.100 ary hoy ny reniny taminy: “Hatokako ho an'i Yaveh ity volafotsy ity, fa hanamboatra sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an'idina ny zanako lahy. Ka ankehitriny, dia averiko aminao ity.”
\v 9 Dia hoy Mika taminy: “Avy aiza ny fiavianao?” Ary hoy ralehilahy taminy: “Levita an'i Betlehema tao Joda aho, ary nandia aho mba hitady toerana izay mety honenako.”
\v 10 Dia hoy i Mika taminy: “Mijanona eto amiko, ary aoka ianao ho ray sy ho mpisorona ho ahy. Homeko sekely volafotsy folo isan-taona, akanjo fitafy, ary ny sakafonao ianao.” Koa dia niditra tao an-tranony ilay Levita.
\v 11 Dia nahafaly an'ilay Levita ny hipetraka miaraka amin-dralehilahy, ary ho an'i Mika dia tonga tahaka ny iray amin'ireo zanany lahy ilay tovolahy.
\v 12 Natokan'i Mika ho an'ny adidy masina ilay Levita, ary lasa mpisorony ilay tovolahy, ary tao an-tranon'i Mika.
\v 2 Naniraka lehilahy dimy tamin'ireo olona maro be tao amin'ny fokon'izy ireo ny vahoakan'i Dana, lehilahy izay mpiady efa za-draharaha avy amin'i Zora sy Estaola, mba handeha hiaodihaody an-tongotra amin'ilay tany, ary hizaha izany. Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: “Mandehana ka zahao ilay tany.” Tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima izy ireo, tany amin'ny tranon'i Mika, ka nijanona tao izy ireo ny alina.
\v 3 Rehefa nanakaiky ny tranon'i Mika izy ireo, dia nahafantatra ny firesak'ilay zatovo Levita. Koa dia nijanona izy ireo ary nanontany azy hoe: “Iza no nitondra anao taty? Inona no ataonao aty amin'ity toerana ity? Nahoana ianao no eto?”
\v 19 Hoy izy ireo taminy hoe: “Mangina! Ataovy eo amin'ny vavanao ny tananao ary andao hiaraka aminay, ary ho rainay sy mpisoronay ianao. Tsara kokoa ho anao ve ny ho mpisorona ho an'ny tranon'ny lehilahy iray, sa mpisorona ho an'ny foko iray sy fianakaviam-be iray ao Israely?” Faly ny fon'ilay mpisorona.
\v 25 Hoy ny vahoakan'i Dana taminy hoe: “Tsy tokony hamela anay handre izay rehetra lazainao ianao, raha tsy izany dia hisy olona tezitra mafy hanafika anao, ary ho vonoina ianao sy ny fianakavianao.”
\v 3 Ary niarina ny vadiny ka nanaraka azy mba handresy lahatra azy hody. Niaraka taminy ny mpanompony, sy ny ampondra anankiroa. Dia nentiny tany an-tranon-drainy izy. Rehefa nahita azy ny rain'ilay zazavavy, dia faly izy. Ny rafozan-dahiny,
\v 4 ilay rain'ilay zazavavy, dia nandresy lahatra azy mba hijanona telo andro. Nisakafo sy nisotro izy ireo, ary nandany ny alina tao.
\v 18 Ilay Levita niteny taminy hoe: “An-dalana avy any Betleheman'i Joda ho any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany havoan'i Efraima, izay niaviako izahay. Nankany Betleheman'i Joda aho, ary handeha ho any an-tranon'i Yaveh, nefa tsy hisy olona hampiantrano ahy.
\v 19 Manana mololo sy sakafo ho an'ny ampondranay izahay, ary misy mofo sy divay ho ahy sy ho an'ireo mpanompo vavinao aty, ary ho an'ny tovolahinao miaraka amin'ireo mpanomponao. Tsy misy zava-mahory anay.”
\v 20 Dia niarahaba azy ireo ilay lahy antitra hoe: “Ho aminareo ny fiadanana! Izaho no hiantoka ny filànao rehetra. Fa aza mandry eto an-kianja fotsiny.”
\v 27 Nifoha ny tompony nony maraina ary namoha ny varavaran'ny trano ka nivoaka hanohy ny lalany. Nahita ny vadin-tsindranony niampatra teo am-baravarana izy, ary ny tanany teo an-tokonam-baravarana.
\v 5 Nandritra ny alina, dia nanafika ahy ireo mpitarik'i Gibea, nanodidina ilay trano ary nikasa ny hamono ahy. Nosamboriny sy naolan'izy ireo ny vaditsindranoko, ka maty izy.
\v 6 Nalaiko ny vaditsindranoko ary nokapakapaiko ny vatany, ary nalefako tany amin'ny faritry ny lovan'Israely tsirairay ireo, satria nanatanteraka faharatsiana sy fanafintohinana tahaka izany tany Israely izy ireo.
\v 10 Haka lehilahy folo amin'ny zato manerana ny fokon'Israely rehetra isika, sy zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ireo olona ireo, ka rehefa tonga any Gibea any Benjamina izy ireo, dia hosaziana amin'ny ratsy izay nataon'izy ireo tany Israely.”
\v 13 Noho izany, omeo anay ireo lehilahy ratsy fanahy any Gibea ireo, mba hahafahanay mamono ho faty azy ireo, ary mba hanalanay tanteraka izany ratsy izany amin'i Israely.” Fa i Benjamina dia tsy te-handre ny tenin'ireo rahalahiny, ireo olon'Israely.
\v 31 Nandeha ka niady tamin'ireo vahoaka ny olon'i Benjamina, ary voaroaka niala ny tanàna izy ireo. Nanomboka namono ny sasany tamin'ireo vahoaka izy ireo. Teo amin'ny olon'Israely telopolo teo no maty tany an-tsaha sy teny an-dalana. Ny iray tamin'ireo lalana dia niakatra nankany Betela, ary ny iray hafa dia nankany Gibea.
\v 37 Dia nitsangana ireo lehilahy niafina ka nirifatra tany Gibea faingana, ary tamin'ny sabatr'izy ireo no namonoany ny olona rehetra izay nonina tao an-tanàna.
\v 38 Ny famantarana nifanarahana teo amin'ireo miaramialan'Israely sy ireo lehilahy niafina mangingina dia hisy rahon-tsetroka lehibe hiakatra avy ao an-tanàna.
\v 39 Rehefa lasa ny famantarana dia nilavo lefona tamin'ny ady ireo miramilan'Israely. Ary nanomboka nanafika i Benjamina ka nahafaty olon'Israely manodidina ny telopolo, ary hoy izy ireo hoe: “Azo antoka fa resy eo anatrehantsika izy ireo, tahaka ny tamin'ny ady voalohany.”
\v 3 Hoy izy ireo niantso mafy: “Nahoana, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, no dia nitranga tamin'ny Israely izao, ka tsy ho eto aminay intsony ny iray amin'ireo fokonay ankehitriny?”
\v 10 Naniraka roa arivo sy iray alina tamin'ireo lehilahy be herim-po indrindra miaraka amin'ny toromarika ny fiangonana mba handeha any Jabesy Gileada ka hanafika azy ireo, ary hamono azy ireo, eny fa na dia ny zaza amam-behivavy aza.
\v 21 Miandrasa ny fotoana izay hivoahan'ireo zazavavy avy any Silo handihy, dia mivoaha faingana avy ao amin'ny tanim-boaloboka ka misambora vady avy amin'ireo zazavavy avy any Silo ny tsirairay avy aminareo, avy eo dia miverena any amin'ny tanin'i Benjamina.
\v 24 Dia nandao izany toerana izany ka nandeha nody ny vahoakan'i Israely, samy any amin'ny foko sy ny fianakaviany avy, ary samy any amin'ny lovany avy.