\v 3 Ry malala, raha iny nanao ny ezaka rehetra hanoratra ho anareo ny mahakasika ny famonjena hiombonantsika iny aho, dia nanoratra ho anareo aho mba hanosika anareo hiady mafy ho an'ilay finoana izay efa natolotra indray monja ho an'ireo mpino.
\v 4 Fa ho an'ny olona sasany nisisika antsokosoko eo aminareo. Ireo dia olona voamarika ho an'ny fanamelohana. Ireo dia olona ratsy fanahy izay manevateva ny fahasoavan'Andriamanitra ho any amin'ny fijejojejoana, ary dia mandà ny Andriana sy ny Tompo tokantsika, Jesosy Kristy.
\v 5 Ankehitriny aho dia te hampahatsiaro anareo_na dia efa fantatrareo tanteraka ary izany_fa ny Tompo dia nanavotra ny olona avy tao amin'ny tany Egypta, fa taorian'izany dia naringany izay rehetra tsy nino.
\v 6 Ary ireo anjely izay tsy nitana ny fahefana izay napetraka tamin'izy ireo, fa izay nandao ny fonenan'izy ireo_Andriamanitra dia namatotra azy ireo tamin'ny fatorana mandrakizay, ao amin'ny maizin-kitroka tanteraka, ho amin'ny andron'ny fitsarana lehibe.
\v 7 Tahaka an'i Sodoma sy Gomora sy ireo tanàna manodidina azy ireo, izay nanolotra ny tenan'izy ireo ho amin'ny fijangajangana sy ny fanaovana filana tsy ara-boajanahary. Dia natao ohatra amin'ireo izay mijaly amin'ny fanasaziana any amin'ny afo mandrakizay izy ireo.
\v 8 Kanefa toy izany ihany, ireo mpanofinofy ireo dia mandoto ihany koa ny vatan'izy ireo, ary miteny zavatra ratsy manohitra ireo manam-boninahitra.
\v 9 Fa na dia Mikaela arikanjely aza, rehefa niady tamin'ny devoly sy nifanditra taminy ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hanameloka azy. Fa hoy kosa izy: “Hananatra anao anie ny Tompo!”
\v 11 Loza ho azy ireo! Fa raha nandeha tao amin'ny tanànan'i Kaina izy ireo, ary nanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoana tamby. Dia ringana tao amin'ny fikomian'i Kora izy ireo.
\v 12 Ireo dia ilay olona izay harambato miafina ao amin'ny sakafom-pitiavanareo. Mihinana am-pahamenarana, mamoky ny tenan'izy ireo ihany. Izy ireo dia rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra. Hazo fararano tsy misy voany_ indroa maty, niala fakany.
\v 13 Izy ireo dia onjan-dranomasina mahery, mitopatopa mamorivory ny fahamenaran'izy ireo. Kintana mirenireny izy ireo, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
\v 16 Ireo dia mpimonomonona, sy mpimenomenona, izay manaraka ny filan-dratsin'izy ireo. Izy ireo dia mpieboebo fatratra, izay, nohon'ny tombontsoan'izy ireo manokana, dia mandoka ny hafa.