\v 3 Ary niresaka tamin'i Aspenaza, ilay lehiben'ny manampahefany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin'ireo zanak'Israely, amin'ny fianakavian'andriana sy ny ambony firazanana—
\v 4 tovolahy tsy misy kilema, manintona amin'ny endrika ivelany, mahay amin'ny fahendrena rehetra, feno fahalalana sy fahazavan-tsaina, ary voafantina mba hanompo ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. Izy dia hampianatra azy ireo ny literatiora Babyloniana sy ny fiteniny.
\v 5 Nanisan'ny mpanjaka anjara isan'andro manokana amin'ireo haniny sy sasany amin'ireo divay nisotrony izy ireo. Ireo zatovo lahy ireo dia nampihofanina nandritra ny telo taona, ary aorian'izay, dia hanompo ny mpanjaka izy ireo.
\v 8 Fa Daniela nihevitra tao an-tsainy fa tsy handoto ny tenany amin'ireo hanim-pin'ny mpanjaka sy ny divay izay nisotroany izy. Koa naka alalana tamin'ny lehiben'ny manam-pahefana izy mba tsy handoto ny tenany.
\v 17 Raha ny amin'ireo tovolahy efatra ireo, nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahalalana sy fahalalinan-tsaina amin'ny literatiora rehetra sy ny fahendrena, ary afaka mahatakatra ireo karazana fahitana sy nofy rehetra i Daniela.
\v 5 Namaly an'ireo olon-kendry ny mpanjaka hoe: “Efa nilamina izany raharaha izany. Raha tsy ambaranareo sy hazavainareo ahy ilay nofy, dia ho potikapotika ny vatanareo ary ireo tranonareo hatao korotam-pako.
\v 6 Fa raha lazainareo ahy ny nofy sy ny dikany, dia hahazo fanomezana avy amiko ianareo, valisoa iray, ary voninahitra lehibe. Koa lazao ahy ny nofy sy ny dikany.”
\v 9 Fa raha tsy lazainareo amiko ilay nofy, dia iray ihany ny teniko ho anareo. Nanapa-kevitra ny hanomana teny diso sy fitaka izay nifanekenareo ho lazaina amiko ianareo mandra-piova ny hevitro. Koa lazao ahy ary ilay nofy, dia ho fantatro fa afaka mandika izany amiko ianareo.
\v 10 Namaly ireo olon-kendry ilay mpanjaka hoe: “Tsy misy olona eto an-tany afaka hananteraka ny fangatahan'ny mpanjaka. Tsy misy mpanjaka lehibe sy mahery mbola nangataka zavatra toy izany avy amin'ny ombiasy, na avy amin'iza na iza milaza fa miresaka amin'ny maty, na avy amin'ny olon-kendry.
\v 11 Sarotra ny zavatra angatahin'ny mpanjaka, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza izany amin'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, ary tsy miaina eo amin'ny olombelona izy ireo.”
\v 15 Nanontany ny mpifehin'ny mpanjaka i Daniela hoe: “Nahoana no dia maika tahaka izany ny lalàn'ny mpanjaka?” Koa nolazain'i Arioka tamin'i Daniela izay niseho.
\v 21 Manova ny fotoana sy ny vanim-potoana Izy; manala sy mametraka ny mpanjaka eo amin'ireo seza fiandrianany Izy. Manome fahendrena ho an'ny hendry Izy ary fahalalana ho an'ireo izay manana fahazavan-tsaina.
\v 24 Avy eo dia niditra i Daniela hijery an'i Arioka (ilay notendren'ny mpanjaka hamono ny olona hendry rehetra tany Babylona). Nandeha izy ary niteny taminy hoe: “Aza mamono ny olon-kendry any Babylona. Ento any amin'ny mpanjaka aho ary dia hasehoko ny mpanjaka ny dikan'ny nofiny.”
\v 28 Na dia izany aza, misy Andriamanitra izay monina any an-danitra, izay manambara ny zava-miafina, ary efa nampahafantariny anao, ry Nebokadnezara mpanjaka, izay hitranga amin'ny andro ho avy. Ireto ny nofinao sy ireo fahitan'ny sainao raha nandry teo amin'ny fandrianao ianao.
\v 29 Raha ny aminao, ry mpanjaka, ny fisainanao eo am-pandrianao dia momba ireo zavatra ho avy, ary izay manambara ireo zava-miafina dia efa nampahafantatra anao izay hiseho.
\v 30 Raha ny amiko, izany zava-miafina izany dia tsy nambara tamiko nohon'ny fahendrena izay hananako bebe kokoa mihoatra ny olombelona hafa. Nambara tamiko izany zava-miafina izany mba hahatakaranao ny dikany, ry mpanjaka, ary mba hahafahanao mahafantatra ireo eritreritra lalina ao anatinao.
\v 31 Ry mpanjaka, nitraka ianao ary nahita sarivongana lehibe. Io sarivongana io, izay mahery tokoa sy mamirapiratra, dia nijoro teo anatrehanao. Mampihorohoro ny famirapiratany.
\v 32 Ny lohan'ny sarivongana dia natao tamin'ny volamena tsara indrindra. Ny tratrany sy ny sandriny dia vita tamin'ny volafotsy. Ny afovoany sy ny feny dia vita tamin'ny varahina, ary ny ranjon'izany dia natao tamin'ny vy.
\v 33 Ny tongotr'izany dia vita tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany.
\v 34 Nitraka ianao, ary nisy vato tapaka iray, na dia tsy tamin'ny alalan'ny tanan'ny olona aza, ary namely ny sarivongana teo amin'ny tongony vy sy tanimanga izany, ary nandrava azy ireo.
\v 35 Avy eo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena dia potipotika ka lasa toy ny akofam-bary eo amin'ny famoloana amin'ny fahavaratra. Notsofin'ny rivotra ireo ary tsy nisy soritr'izy ireo tavela. Fa ilay vato izay namely ny sarivongana dia lasa tendromobohitra lehibe ary nameno ny tany rehetra.
\v 39 Ao aorianao, dia hisy fanjakana hafa hitsangana izay ambany noho ianao, kanefa ny fanjakana varahina fahatelo dia hanapaka eo amin'ny tany rehetra.
\v 40 Ary hisy fanjakana fahefatra, mafy tahaka ny vy, satria ny vy mamaky ireo zavatra hafa sy manorotoro ny zavatra rehetra. Manorotoro ireo zavatra rehetra ireo izany ary mamotika azy ireo.
\v 41 Araka ny hitanao, ny tongotra sy ireo rantsany dia vita tamin'ny tanimanga nandrahoana sy vy ny ampahany, koa dia ho fanjakana voazara izany; ny sasany amin'ny herin'ny vy dia ho ao amin'izany, araka ny efa nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka.
\v 42 Satria ireo rantsan-tongony dia natao tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia ho mafy ny fanjakana amin'ny ampahany ary malemy amin'ny ampahany.
\v 43 Tahaka ny nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka, dia hifangaro ireo olona; tsy hiara-hijanona izy ireo, tahaka ny vy tsy mifangaro amin'ny tanimanga.
\v 44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, dia hametraka ny fanjakana izay tsy ho voarava mihitsy, na ho babon'ny olon-kafa ilay Andriamanitry ny lanitra. Handravarava ireo fanjakana hafa izany ary hampitsahatra azy ireo rehetra, ary dia hitoetra mandrakizay izany.
\v 48 Avy eo nataon'ny mpanjaka nanana ny haja ambony i Daniela ary nomeny fanomezana mahafinaritra. Nanao azy ho mpanapaka teo amin'ny ireo faritanin'ny Babylona rehetra izy. Lasa lehiben'ny governora teo amin'ireo olon-kendry indrindra an'i Babylona i Daniela.
\v 49 Nanao fangatahana iray tamin'ny mpanjaka i Daniela, ary notendren'ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego mba ho mpandrindra eo amin'ireo faritanin'i Babylona. Fa Daniela kosa nitoetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka.
\v 1 Nanamboatra sarivongana volamena i Nebokadnezara mpanjaka izay enimpolo hakiho ny halavany ary enina hakiho ny sakany. Napetrany tao amin'ny Lemak'i Dora ao amin'ny faritanin'i Babylona izany.
\v 2 Dia nandefa hafatra i Nebokadnezara mba hampivory miaraka ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, ary ireo governora teo an-toerana, mbamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangany.
\v 3 Dia niara-nivory ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, sy ireo governora teo an-toerana, niaraka tamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangan'i Nebokadnezara. Nijoro teo anoloan'izany izy ireo.
\v 10 Ianao, ry mpanjaka, dia efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra, dia tsy maintsy miondrika ary miankohoka eo amin'ny sarivongana volamena.
\v 11 Na iza na iza tsy miondrika sy manompo dia tsy maintsy atsipy ao anaty lafaoro midedadeda.
\v 14 Hoy Nebokadnezara tamin'izy ireo: “Efa nandefa fisainanareo ve ianareo ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, fa tsy hanompo ireo andriamanitro ka hiankohoka eo anoloan'ny sarivongana volamena izay efa natsangako?
\v 15 Ary raha vonona ianareo— rehefa mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra— ny hiondrika ary hiankohoka eo amin'ny sarivongana volamena izay efa namboariko, dia hilamina ny zava-drehetra. Fa raha tsy manompo ianareo, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro midedadeda. Iza no andriamanitra afaka mamonjy anareo eo an-tanako?”
\v 17 Raha misy valiny, dia ny Andriamanitray izay tompoinay no afaka miaro anay amin'ny lafaoro midedadeda, ary hamonjy anay tsy ho eo an-tananao Izy, ry mpanjaka.
\v 18 Fa na tsy izany aza, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo ireo andriamanitrao izahay, ary tsy hiankohoka amin'ny sarivongana volamena izay efa natsanganao.”
\v 19 Dia feno fahatezerana i Nebokadnezara; niova tamin'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny endriny. Nodidiany fa tokony hafanaina im-pito mahamay kokoa noho ny hafanany mahazatra ny lafaoro.
\v 20 Dia nandidy lehilahy matanjaka maro tao amin'ny tafiny izy mba hamatotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ka hanipy azy ireo ao anaty lafaoro midedadeda.
\v 21 Nofatorana mbola tamim-piakanjoana ireo akanjolavany, ireo kapaotiny, ireo satrony, sy fitafiana hafa izy ireo, ka natsipy tao anaty lafaoro midedadeda.
\v 22 Satria hentitra ny fanarahana ny baikon'ny mpanjaka ary nahamay be ny lafaoro, dia namono ireo lehilahy izay nampiakatra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny lelafo.
\v 23 Ireo lehilahy telo ireo, izay Sadraka, Mesaka, ary Abednego, dia nianjera tao anatin'ny lafaoro midedadeda izy ireo sady nifatotra.
\v 24 Dia gaga Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangana faingana. Nanontany ireo mpanolotsainy izy hoe: “Moa ve tsy natsipintsika nifatotra tao anaty afo izy telolahy?” Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: “Eny tokoa, ry mpanjaka.”
\v 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro midedadeda i Nebokadnezara ka niantso mafy hoe: “Ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha! Mankanesa aty!” Dia nivoaka avy tao amin'ny afo i Sadraka, Mesaka, ary Abednego.
\v 4 Izaho, Nebokadnezara, dia nonina tamin-kafaliana tao an-tranoko, ary nankafy fahombiazana aho tao amin'ny lapako.
\v 5 Saingy nampatahotra ahy ny nofiko iray. Raha nandry iny aho, dia nampikorontana ahy ireo kisarisary sy ireo fahitàna izay tato an-tsaiko.
\v 6 Koa dia nanome didy aho ny hitondràna teo amiko ireo lehilahin'i Babylona rehetra izay nanam-pahendrena raha afaka ny handika ny nofy ho ahy izy ireo.
\v 7 Ary dia tonga ireo ombiasy, ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, ireo olon-kendry, ary ireo mpanandro. Nanambara ilay nofiko tamin'izy ireo aho, fa tsy afaka ny handika izany tamiko izy ireo.
\v 8 Nefa niditra i Daniela nony farany_ ilay iray izay nantsoina hoe Beltesazara araka ny anaran'andriamanitro, misy fanahin'ireo andriamanitra koa ao anatiny_ ary nilaza taminy ilay nofiko aho.
\v 15 Avelao ny fototry ny fakany ho ao anaty tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitry ny saha. Aoka izany ho kotsan'ny andon'ny habakabaka. Aoka izany hivelona miaraka amin'ireo biby eo amin'ireo voninkazo eny amin'ny tany.
\v 17 Izany fanapahan-kevitra izany dia avy tamin'ny didy notaterin'ilay iraka. Izany fanapahan-kevitra izany no nataon'ireo masina mba ahafahan'ireo velona mahafantatra fa manapaka manerana ireo fanjakanan'ny vahoaka ny Avo Indrindra ary manome azy ireo ho an'ny olona izay tiany hapetraka eo amin'izy ireo, na dia ny lehilahy faran'izay manetry tena aza.’
\v 18 Izaho, Nebokadnezara, no nanana izany nofy izany. Ankehitriny ianao, ry Beltesazara, Lazao ahy ny dikany, satria tsy misy amin'ireo lehilahy hendrin'ny fanjakako afaka ny handika izany ho ahy. Fa ianao no afaka manao izany, satria ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina.”
\v 19 Ary Daniela, izay natsoina ihany koa hoe Beltesazara, dia tohina mafy nandritra ny fotoana vitsy, ka nanaitra azy ny fisainany. Dia hoy ny mpanjaka hoe: “Ry Beltesazara, aza avela hanaitra anao akory ny nofy na ny dikan'izany.” Namaly Beltesazara hoe: “Ry Tompoko, aoka ho amin'ireo izay mankahala anao anie ny nofy; ho an'ireo fahavalonao anie ny dikan'izany.
\v 20 Ilay hazo izay hitanao—izay nitombo ka tonga nahery, ary izay nipaka tany an-danitra ny tendrony, ka azo nojerena tany amin'ny ireo faran'ny tany rehetra—
\v 21 izay tsara tarehy tokoa ireo raviny, ary maro dia maro tokoa ny voany, mba hisian'ny sakafo ho an'ny rehetra ao amin'izany, ary ao ambaniny no ahitan'ireo bibin'ny saha fialofana, ary nonenan'ireo voron'ny habakabaka tao aminy—
\v 22 izany hazo izany dia ianao, ry mpanjaka, ianao izay nitombo ho tena mahery. Nihanitombo ny fahalehibeazanao ka nanakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka tany amin'ireo faran'ny tany.
\v 23 Ianao, ry mpanjaka, no nahita ny iraka masina nidina avy tany an-danitra ka niteny hoe: “Kapaho ilay hazo ary poteho izany, nefa avelao ny fakan'izany ho ao amin'ny tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitra malemin'ny saha. Avelao ho kotsan'ny ando avy any an-danitra izany. Aoka izany hivelona hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha mandra-paha lasan'ny fito taona.’
\v 24 Izany no dikany, ry mpanjaka. Izany no didin'ny Avo Indrindra izay nipaka taminao, ry tompoko mpanjaka.
\v 25 Hesorina amin'ny olona ianao, ary hitoetra miaraka amin'ireo bibidia any amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao, ary ho kotsan'ny ando avy any an-danitra, ka fito taona no handalo mandra-pihaikinao fa ny Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary Izy no manome azy ireo ho amin'ny olona izay iriany.
\v 26 Araka ny nandidiana ny hamelàna ny fakan'ny hazo, dia amin'izany fomba izany no hamerenana ny fanjakanao ho aminao amin'ny fotoana hahalalanao fa manjaka ny lanitra.
\v 27 Noho izany, ry mpanjaka, aoka ny torohevitro ho azo ekena aminao. Ajanony ny fanotàna ka manaova izay marina. Mivilia amin'ireo helokao amin'ny fanehoana famindram-po amin'ireo nampahoriana, ary izany dia mba ho afaka hihitatra ny fahombiazanao.”
\v 31 Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ireo teny, dia nisy feo avy any an-danitra hoe: “Ry Nebokadnezara mpanjaka, nambara taminao fa efa nesorina taminao izao fanjakana izao.
\v 32 Ho roahina tsy ho eo amin'ny vahoaka ianao, ary ny toeram-ponenanao dia hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao. Fito taona no handalo mandra-pahatonga anao hiaiky fa ny Avo Indrindra no manapaka eran'ireo fanjakan'ny olona ary Izy no manome azy ireo ho an'ny olona iriany.”
\v 2 Raha nanandrana ilay divay i Belsazara, dia nanome baiko mba hitondrana ny tavoara vita amin'ny volamena na volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy tao an-tempoly tao Jerosalema, izay tamin'izany izy, ireo tandapany, ary ireo vadiny sy ny vaditsindranony no nisotro.
\v 3 Naka ireo tavoara volamena izay efa navoaka avy tao an-tempoly, tranon'Andriamanitra, tao Jerosalema ireo mpanompo. Ary tamin'ireo no nisotroan'ny mpanjaka, ireo tandapany, ary ireo vadiny sy ireo vaditsindranony.
\v 7 Niantso mafy ny komandiny ny mpanjaka mba hampiditra ireo izay nilaza fa miresaka amin'ny maty, olona marani-tsaina, ary ireo mpanandro. Niteny tamin'ireo fantatra tamin'ny fahendreny tao Babylona ny mpanjaka hoe: “Na iza na iza manazava io soratra io sy ny dikany dia hampitafiana volomparasy izay ary hanana rojo volamena eo am-bozony. Hanana ny fahefan'ny mpanapaka fahatelo ambony indrindra ao amin'ny fanjakana izy.”
\v 10 Ary niditra tao amin'ny trano fanasana ny mpanjaka vavy nohon'ny zavatra notenenin'ny mpanjaka sy ireo tandapany. Dia hoy ny mpanjaka vavy hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aza avela hanakorontana anao ny eritreritrao. Aza avela hiova ny endriky ny tavanao.
\v 11 Misy lehilahy izay manana ny fanahin'ireo andriamanitra masina eto amin'ny fanjakanao. Tamin'ny andron'ny rainao, dia hita tao aminy ny fahazavana sy ny fahazavan-tsaina ary fahendrena tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra. Nebokadnezara mpanjaka, mpanjaka rainao, nanao azy ho lehiben'ireo ombiasy, ary lehiben'ireo miresaka amin'ny maty, sy an'ireo olona marani-tsaina, ary an'ireo mpanandro.
\v 14 Efa reko ny momba anao, fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra, ary ny hazavana sy fahazavan-tsaina ary fahendrena tsara dia tsara dia hita ao aminao.
\v 15 Efa nampidirina teo anoloako mba hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny dikany ireo lehilahy fantatra amin'ny fahendrena sy ireo izay miresaka amin'ny maty, kanefa tsy nahavita nampahafantatra ny dikan'izany izy ireo.
\v 17 Dia namaly teo anoloan'ny mpanjaka i Daniela hoe: “Aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo olon-kafa ny valisoanao. Na dia izany aza, dia hovakiko aminao ny soratra, ry mpanjaka, ary holazaiko aminao ny heviny.
\v 18 Ny aminao, ry mpanjaka, ny Andriamanitra Avo Indrindra nanome an'i Nebokadnezara rainao ny fanjakana, ny fahalehibiazana, haja, sy voninahitra.
\v 19 Nohon'ny fahalehibeazana nomen'Andriamanitra azy, dia nangovitra sy natahotra azy ny vahoaka rehetra, ny firenena, ary ny fiteny samihafa. Namono izay tiany hovonoina izy, ary namela ho velona izay tiany ho velona. Nasandrany izay tiany, ary naetriny izay niriany haetry.
\v 20 Fa rehefa niavonavona ny fony ary nihamafy ny fanahiny mba hanaovany zavatra sahisahy, dia nesorina teo amin'ny seza fiandrianana maha mpanjaka azy izy, ary nesorin'izy ireo ny voninahiny.
\v 21 Noroahina tamin'ny olombelona izy, nanana saim-biby izy, ary niara-niaina tamin'ireo borikidia izy. Nihinan'ahitra tahaka ny omby izy. Kotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany mandra-pahafantarany fa ny Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka eo amin'ny fanjakan'ny vahoaka ary manendry izay tiany hapetraka eo amin'izany Izy.
\v 1 Nahafaly an'i Dariosa ny nanendry governora 120 isam-paritany nanerana ny fanjakana izay hanapaka manerana ny fanjakana rehetra.
\v 2 Nisy komandy lehibe telo teo amin'izy ireo, ary iray tamin'ireo i Daniela. Ireo komandy lehibe ireo dia voatendry mba hanara-maso ireo governora isam-paritra, mba tsy ho faty antoka ny mpanjaka.
\v 3 Niavaka ambonin'ireo komandy lehibe hafa sy ireo governora isam-paritra i Daniela satria nanana fanahy miavaka izy. Nanao drafitra ny hametraka azy manerana ny fanjakana rehetra ny mpanjaka.
\v 4 Avy eo ireo mpitan-draharaha lehibe hafa sy ireo governora isam-paritany nitady hadisoana tamin'ny asa nataon'i Davida ho an'ny fanjakana, saingy tsy nahita kolikoly na tsy fahombiazana tamin'ny asany izy ireo satria nahatoky izy. Tsy nisy fahadisoana na tsirambina hita taminy.
\v 7 Ireo mpitan-draharaha lehibe rehetra tao amin'ny fanjakana, ireo governora isam-paritra, sy ireo governora isam-paritany, ireo mpanolotsaina, ary ireo governora dia niara-nifampidinika ary nanapa-kevitra fa ianao, mpanjaka, dia tokony hamoaka didy ary hanamafy izany, ka na iza na iza manao fanangonan-tsonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy hatsipy ao an-davaky ny liona izany olona izany.
\v 8 Ankehitriny, ry mpanjaka, mamoaha didy ary soniavo ny taratasy mba tsy hanovàna izany, araka ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana, ka tsy afaka foanana izany.”
\v 12 Avy eo izy ireo nanatona ny mpanjaka ary niresaka taminy momban'ny didiny hoe: “Moa tsy nanao didy ve ianao fa izay rehetra manao sonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro manaraka, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy atsipy ao an-davaky ny liona?” Namaly ny mpanjaka hoe: “Voapetraka ny raharaha, araky ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana; tsy afaka foanana izany.”
\v 16 Dia nanome baiko ny mpanjaka, ary nentin'izy ireo niditra Daniela, ka natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona izy. Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela hoe: “Hanavotra anao anie, ny Andriamanitrao, izay tompoinao mandrakariva.”
\v 23 Avy eo dia faly tanteraka ny mpanjaka. Nanome baiko ny hampakaran'izy ireo an'i Daniela avy ao an-davaka izy. Noho izany dia nampiakarina avy tao an-davaka Daniela. Tsy nisy ratra hita taminy, satria nahatoky ny Andriamaniny izy.
\v 26 Izao aho dia manao didy fa amin'ny fanapahana rehetra amin'ny fanjakako dia mangovitra sy matahotra eo anatrehan'i Andriamanitr'i Daniela ny olona, satria Izy no Andriamanitra velona sy miaina mandrakizay, ary ny fanjakany dia tokony tsy ho ravaina; ny fanapahany dia tokony ho hatramin'ny farany.
\v 27 Miaro antsika sy manavotra antsika Izy, ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy eto an-tany Izy; niaro an'i Daniela ho avotra tamin'ny herin'ireo liona Izy.”
\v 1 Tamin'ny voalohan-taonan'i Belsazara mpanjakan'i Babylonia, dia nanofy sy nahazo fahitana tao an-tsainy i Daniela raha nandry teo amin'ny fandriany izy. Avy eo dia nanoratra izay hitany tao amin'ny nofiny izy. Nanoratra ireo tranga manan-danja indrindra izy:
\v 5 Avy eo dia nisy biby faharoa, tahaka ny bera, ary niondrika izany; nanana taolan-tehezana telo eo anelanelan'ny nifiny sy ny vavany izany. Notenenina izany hoe: ‘Mifohaza ary mandrapaha olona maro.’
\v 8 Raha nandinika ireo tandroka aho, dia nijery ary nahita tandroka hafa maniry eo amin'izany, tandroka kely iray. Ny telo amin'ireo tandroka voalohany dia nivoaka tamin'ny fakany. Nahita maso tahaka ny mason'olona tao anatin'io tandroka io aho ary vava izay nirehareha momba ireo zavatra lehibe.
\v 9 Raha nijery aho, dia nipetraka tamin'ny toerany ireo seza fiandrianana, ary ireo Andro Fahagola no naka ny fitoerany. Fotsy tahaka ny oram-panala ny akanjony, ary ny volon-dohany dia tahaka ny volon'ondry tsy mifangaro. Lelan'afo no seza fiandrianany, ary ireo kodiany dia afo mirehitra.
\v 10 Nikoriana nivoaka avy teo anoloany ny loharanon'afo; an-tapitrisany no nanompo azy, ary zato tapitrisa no nitsangana eo anatrehany. Nivory ny fitsarana, ary nisokatra ireo boky.
\v 14 Nomena azy ny fahefana hanapaka sy voninahitra ary hery fiandrianana mba hanompo azy ireo olona rehetra, ireo firenena, ary ireo fiteny isan-karazany. Ny fahefany hanapaka dia fahefana mandrakizay izay tsy ho levona, ary ny fanjakany dia ilay tsy ho rava mandrakizay.
\v 21 Raha nijery aho, io tandroka io dia mikarama an'ady manohitra ireo olomasina ary naharesy azy ireo
\v 22 mandra-pihavian'ireo Andro Fahagola, ary ny fahamarinana dia nomena ireo olomasin'ilay Avo Indrindra. Avy eo dia tonga ny fotoana rehefa nandray ny fanjakana ireo olomasina.
\v 23 Izao no nolazain'ilay olona: ‘Raha ny amin'ilay biby fahefatra, ho fanjakana fahefatra amin'ny tany izay ho hafa amin'ireo fanjakana hafa rehetra izany. Handrapaka ny tany iray manontolo izany, hanitsaka sy handrava azy ho potipotiny.
\v 24 Raha ny amin'ireo tandroka folo, mpanjaka folo no hisandratra avy amin'io fanjakana io, ary iray hafa no hisandratra aorian'izy ireo. Ho hafa amin'ireo teo aloha izany, ary handresy ireo mpanjaka telo izy.
\v 27 Ny fanjakana sy ny fanapahana, ary ny halehibiazan'ny fanjakana eo ambanin'ny lanitra manontolo, dia homena ireo olona izay an'ireo olomasin'ilay Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana maharitra mandrakizay, ary ireo fanjakana hafa rehetra dia hanompo sy hankato azy.’
\v 28 Inty no faran'ny tranga. Raha ny amiko, Daniela, nanaitra ahy tanteraka ireo eritreritro ary niova endrika ny tavako. Fa notazomiko ho ahy irery ireo zavatra ireo.”
\v 2 Hitako tamin'ilay fahitana, raha nijery aho, dia tao anatin'ny fiarovana mafin'ny Sosana tany amin'ny faritanin'i Elama aho. Hitako tao amin'ilay fahitana fa nanatrika ny Lakandranon'ny Olay aho.
\v 3 Nijery ambony aho ary nahita ondrilahy niaraka tamin'ny tandroka roa teo anoloako aho, nitsangana teo akaikin'ny lakan-drano. Ny tandroka iray dia lava noho ny ilany, fa ilay lavalava iray nitombo tsimoramora noho ilay fohifohy ary nihoatra ny halavan'izany.
\v 8 Niha-goavana ilay osy avy eo. Fa rehefa niha-nahery izy, dia vaky ilay tandroka lava, ary tamin'ny toeran'iny dia nisy tandroka lava efatra hafa nitombo izay nanondro manandrify ny rivotra efatry ny lanitra.
\v 10 Tonga lehibe tokoa izany tahaka ny hirotsaka an'ady miaraka amin'ny tafiky ny lanitra. Ny sasany tamin'izany tafika izany sy ny sasany tamin'ireo kintana dia nazera tamin'ny tany, ary nanitsakitsaka azy ireo izany.
\v 11 Nanao ny tenany ho lehibe tahaka ny mpifehy ny tafika izy, ary nanaisotra taminy ny sorona dorana tsy tapaka izany, ary ny fitoerana masiny dia voaloto.
\v 12 Noho ny fikomiana, dia homena ny tandroky ny osy ny tafika, ary hatsahatra ny fanatitra dorana. Harian'ny tandroka amin'ny tany ambany ny fahamarinana, ary hahomby amin'izay ataony izany.
\v 13 Ary naheno masina niteny aho ary iray masina hafa namaly azy: “Hafiriana no haharetan'ireo zavatra ireo, io fahitana momba ny fanatitra dorana io, ny fahotana izay mitondra faharavana, ny fanjakazakana eo amin'ny fitoerana masina, ary ny tafiky ny lanitra izay voahitsakitsaka?”
\v 17 Ka nanakaiky teo amin'izay nitsanganako izy. Rehefa tonga izy, natahotra aho ary nanodrika ny tenako tamin'ny tany. Hoy izy tamiko: “Mahatakara, ry zanak'olona, fa ny fahitana dia ho amin'ny fotoana farany.”
\v 19 Hoy izy: “Indro, hasehoko anao izay hitranga aty aoriana amin'ny fotoan'ny fahatezerana, satria ny fahitana dia mikasika ny fotoana voatondro ho amin'ny farany.
\v 26 Ny fahitana momba ireo hariva sy ireo maraina izay efa voalaza dia marina. Fa asio tombokase ny fahitana, fa manondro andro maro amin'ny hoavy izany.”
\v 7 Anao, ry Tompo, ny fahamarinana. Kanefa, ho anay anio, ny henatra eo amin'ny tavanay—ho an'ny vahoakan'ny Joda sy ireo izay monina any Jerosalema, ary ho an'ny Israely rehetra. Anisan'izany ireo izay akaiky sy ireo izay lavitra indrindra any amin'ny tany rehetra izay nandefasanao azy ireo. Izany dia noho ny fitaka lehibe izay nataonay hanohitra Anao.
\v 8 Ho anay, ry Yaveh, eo amin'ny tavanay ny henatra—ho an'ireo mpanjakanay, ho an'ireo lehibenay, ary ho an'ireo razambenay—satria efa nanota taminao izahay.
\v 9 An'ny Tompo Andriamanitray ny fangoram-po sy ny famelan-keloka, fa efa nikomy hanohitra Azy izahay.
\v 10 Izahay dia tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray tamin'ny fandehanana araka ny lalàny izay nomeny anay tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony.
\v 11 Ny Israely rehetra dia efa nandika ny lalànao ka niala, nandà tsy hankatò ny feonao. Ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, ny mpanompon'Andriamanitra, efa naidina taminay, satria efa nanota taminy izahay.
\v 12 Yaveh efa nanamafy ny teny izay nolazainy manohitra antsika sy manohitra ny fitsipika teo amintsika, tamin'ny fitondrana loza teo amintsika. Fa tsy nisy zava-bita azo ampitahaina amin'ny natao tamin'i Jerosalema teo amin'ny ambany lanitra manontolo.
\v 13 Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, no hiavian'izany loza rehetra izany amintsika, fa mbola tsy nitalaho ny famindram-po avy tamin'i Yaveh Andriamanitray tamin'ny fialàna tamin'ireo helokay sy hahitanay ny fahamarinanao izahay.
\v 14 Ka noho izany dia notehirizin'i Yaveh ho vonona ny loza ary efa nentiny teo aminay izany, satria Yaveh Andriamanitray dia marina amin'ny asa rehetra izay ataony, kanefa mbola tsy nankatò ny feony ihany izahay.
\v 15 Koa, ry Tompo Andriamanitray, nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ny vahoakanao tamin'ny tanana mahery, ary efa nanao anarana fanta-daza ho an'ny tenanao Ianao, toy izao andro anio izao. Fa mbola nanota ihany izahay; efa nanao ireo zava-dratsy.
\v 16 Ry Tompo, noho ireo asa marinao, dia aoka ny hatezeranao sy ny fahaviniranao hiala amin'i Jerosalema tanànanao, ilay tendrombohitrao masina. Fa noho ireo fahotanay, sy noho ny helok'ireo razambenay, dia lasa antom-pahafam-baraka ho an'izay manodidina anay i Jerosalema sy ireo vahoakanao.
\v 17 Ankehitriny, ry Andriamanitray, mihainoa ny vavaky ny mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po; fa noho ny aminao, Tompo o, dia ampamirapirato eo amin'ny fitoeranao masina izay rava ny tavanao.
\v 18 Andriamanitro o, sokafy ny sofinao ka mihanoa; sokafy ny masonao ka mijere. Efa simba rava izahay; jereo ny tanàna izay nantsoina avy amin'ny anaranao. Tsy mitalaho ho an'ny fanampianao izahay noho ny fahamarinanay, fa noho ny famindram-ponao lehibe.
\v 19 Tompo o, mihainoa! Tompo o, mamelà heloka! Tompo o, mihainoa ka mihetseha! Noho ny Aminao manokana, aza ela, ry Andriamanitro, fa ny tanànanao sy ny vahoakanao dia antsoina amin'ny anaranao.”
\v 20 Raha mbola niteny aho—nivavaka sy niaiky ny fahotako sy ny fahotan'Israely vahoakako, ary naneho ny fangatahako teo anatrehan'i Yaveh Andrimanitro ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra—
\v 23 Rehefa nanomboka nitalaho famindram-po ianao, dia nomena ny baiko ary tonga aho hilaza aminao ny valiny, fa ianao dia tiana tokoa. Noho izany dia tsarovy izao teny izao ary takaro ny fanambarana.
\v 24 Fito amby fitopolo amin'ny taona no voadidy ho an'ny vahoakanao sy ny tanànanao masina mba hampitsaharana ny heloka sy hampitsaharana ny fahotana, hanoherana ny faharatsiana, ary hitondrana ny fahamarinana mandrakizay, mba hanatanterahana ny fahitana sy ny faminaniana, ary hanamasinana ny fitoerana masina indrindra.
\v 25 Fantaro ary takaro fa avy amin'ny fivoahan'ny baiko no hamerenana amin'ny laoniny sy hanorenana indray an'i Jerosalema ho an'ny fahatongavan'ilay voahosotra (izay ho mpitarika), hisy fito impito sy roa amby enimpolo impito. Haorina amin'ny lalana sy hady indray i Jerosalema, na dia eo aza ireo fotoam-pahoriana.
\v 26 Afaka roa amby enim-polo impito amin'ny taona, ilay voahosotra dia ho rava ary tsy hanana na inona na inona. Ny tafiky ny mpanapaka izay ho avy dia handringana ny tanàna sy ny fitoerana masina. Ny fiafaran'izany dia ho tonga miaraka amin'ny tondra-drano, ary hisy ady, eny fa na dia any amin'ny farany aza. Efa voadidy ny fandravana.
\v 27 Hanamafy ny fanekena amin'ny maro anatin'ny fito iray izy. Amin'ny fisasahan'ny fito dia hampitsahatra ny sorona sy fanatitra Izy. Amin'ny elatry ny fahavetavetana no ho tonga ny olona izay hanao fandravana. Ny fiafarana tanteraka sy ny fahapotehana dia nambara fa haidina amin'izay mpandrava.”
\v 4 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny tamin'ny voalohan'ny volana, raha teo akaikin'ny ony lehibe aho (izany hoe, Hedekela),
\v 5 niandrandra aho ary nahita lehilahy nitafy lamban-drongony, miaraka amin'ny fehikibo vita amin'ny volamena tsy mifangaro avy any Ofaza manodidina ny valahany.
\v 6 Ny vatany dia toy ny topaza, ary ny tarehiny toy ny hazavana. Ireo masony tahaka ny fanilo mirehatra, ary ireo sandriny sy ny tongony toy ny varahina manganohano. Ny feony toy ny feon'olona maro be.
\v 7 Izaho, Daniela, irery no nahita fahitana, fa ny olona izay teo amiko dia tsy nahita ny fahitana. Na izany aza, tonga teo amin'izy ireo ny horohoro lehibe, ary nandositra nanafina ny tenany izy ireo.
\v 8 Koa izaho irery no sisa teo ary nahita ilay fahitana lehibe. Tsisy hery nitoetra tao amiko; nihasimba nivaloarika ny endriko namiratra, ary tsisy hery nitoetra tao amiko.
\v 9 Dia naheno ireo teniny aho—ary raha naheno azy ireo aho, latsaka tanaty torimaso lalina aho ary ny tarehiko teo amin'ny tany.
\v 12 Dia hoy izy tamiko: “Aza matahotra, ry Daniela. Nanomboka tamin'ny andro voalohany nahafantaranao izany tao an-tsainao ary nanetrenao tena teo alohan'ny Andriamanitrao, dia efa re ny teninao, ary tonga aho noho ny teninao.
\v 16 Nikasika ny molotro ny olona iray izay tahaka ny zanak'olona, ary nanokatra ny vavako aho ka niteny taminy nitsangana teo anoloako hoe: “Ry Tompoko, nohon'ny fahitana dia ao anaty fahoriana aho; tsy misy hery tavela ato amiko.
\v 17 Mpanomponao aho. Ahoana no hahafahako miresaka amin'ny tompoko? Fa ankehitriny tsy manan-kery aho, ary tsy misy fofon'aina tavela ato anatiko.”
\v 19 Hoy izy hoe: “Aza matahotra, ry lehilahy nahindrahindra fatratra. Fiadanana anie ho anao! Matanjaha izao, matanjaha!” Raha mbola niresaka tamiko izy, dia nahery aho. Hoy aho hoe: “Aoka ny tompoko no hiteny, fa nankahery ahy ianao.”
\v 20 Dia hoy izy hoe: “Fantatrao ve nahoana aho no tonga eto aminao? Mbola hiverina hiady amin'ny andriandahin'i Persia aho. Rehefa mandeha aho, dia ho avy koa ny andriandahin'i Grisia.
\v 2 Ho lazaiko aminao ny marina izao. Hisy mpanjaka telo hitsangana any Persia, ary ny fahefatra dia ho mpanefoefo lavitra noho ireo hafa rehetra. Rehefa nahazo hery tamin'ny hareny izy, dia hamporisika ny olon-drehetra hanohitra ny fanjakan'i Gresy.
\v 4 Rehefa tafatsangana izy, dia ho rava ny fanjakany ary hizara amin'ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy amin'ny taranany manokana, ary tsy amin'ny fahefany fony nanapahany. Fa ny fanjakany dia ho fongotra ho an'ny hafa ankoatra ireo taranany.
\v 5 Ny mpanjakan'ny Atsimo dia ho lasa matanjaka, saingy ny iray amin'ireo mpifehiny dia hanjary hatanjaka lavitra noho izy ary hanapaka ny fanjakany amin'ny hery lehibe.
\v 6 Taona vitsy aorian'izany, rehefa mety ny fotoana, dia hanao fihavanana izy ireo. Ny zanaka vavin'ny mpanjakan'ny Atsimo ho avy any amin'ny mpanjakan'ny Avaratra hanamafy ny fifanekena. Saingy tsy hahatana ny herin'ny ny sandriny izy, na koa hotafajanona ralehilahy, na ny sandriny. Hafoy izy—izy sy ireo izay nitondra azy, ary ny rainy, sy izay nanohana azy tamin'izany fotoana izany.
\v 14 Amin'izany fotoana izany dia maro no hitsangana hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo. Zanaka mpisetrasetra maro eo amin'ny vahoakanao no hametraka ny tenan'izy ireo hahatanteraka fahitana iray, saingy ho tafintohina izy ireo.
\v 15 Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra, handraraka tany hanaovana tovon-tany, ary hambabo tanàna amin'ny fiarovana mafy. Tsy ho afa-mijoro ny tafiky ny Atsimo, na dia ireo miaramila mahery indrindra aza. Tsy hisy hery ho tafajoro.
\v 16 Fa kosa, izay ho avy no hanao izay iriany hanoherana azy; tsy hisy ho tafatsangana eo amin'ny lalany. Hitsangana eo amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary ho eo an-tanany ny fandringanana.
\v 17 Hanomana ny tavany ho avy miaraka amin'ny herin'ny fanjakany rehetra ny mpanjakan'ny Avaratra, ary hisy fifanarahana izay hataony miaraka amin'ny mpanjakan'ny Atsimo hiaraka aminy. Hanome zanaka vavy avy amin'ny vehivavy hampakarina izy mba hamotehana ny fanjakan'ny Atsimo. Fa tsy hahomby na hanampy azy ilay tetika.
\v 18 Aorian'izany, dia ho liana amin'ny sisin-tany ny mpanjakan'ny Avaratra ary hambabo ny maro amin'izy ireo. Saingy hisy mpifehy hanapitra ny avonavony ary hahatonga ny fireharehany hivadika ho any aminy ihany.
\v 19 Dia ho liana amin'ny fiarovana mafin'ny taniny ihany izy, saingy ho tafintohina izy ka ho lavo; ary tsy ho hita.
\v 20 Dia hisy olona hitsangana handimby ny toerany izay hampandalo mpamory hetra iray noho ny amin'ny famirapiratan'ny fanjakana. Fa amin'ny andro manaraka eo dia ho torotoro izy, fa tsy amin'ny hatezerana na amin'ny ady.
\v 21 Olona notsinontsinoavina izay tsy mba homen'ny olona ny voninahitry ny fahefan'ny mpanjaka no handimby ny toerany; ho avy tampoka izy ary haka ny fanjakana an-kafetsena.
\v 22 Hisy tafika iray ho voafaoka tahaka ny safo-drano eo anoloany. Samy ho ringana avokoa izany tafika izany sy ny mpitarika ny fanekena.
\v 23 Amin'ny fotoana izay hanaovana fifanarahana miaraka aminy, dia hamitapitaka izy; vahoaka vitsy an'isa fotsiny no hahatonga azy hatanjaka.
\v 24 Ho avy any amin'ny faritany manan-karena indrindra tsy hampitandrina akory izy, ary tsy hanao izay nataon'ny rainy na ny raibeny izy. Hampiely ireo voasambotra, ireo babo, ary ireo harena eo amin'ireo mpanaradia azy izy. Hitetika ny fanonganana ny fiarovana mafy izy, fa vetivety ihany.
\v 25 Hamoha ny heriny izy ary ny fony hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo amin'ny tafika goavana. Hanangana ady amin'ny tafika lehibe, tena mahery ny mpanjakan'ny Atsimo, saingy tsy hiangana izy satria hikononkonona hanohitra azy ny hafa.
\v 26 Na izay mihinana ny hanim-piny aza dia hitady hamotika azy. Ho voafaoka tahaka ny safo-drano ny tafiny, ary maro amin'izy ireo no ho lavo voavono.
\v 27 Samy hipetraka eo amin'ny latabatra iray ihany ireo mpanjaka ireo, amin'ny fon'izy ireo mikasa hifanao ratsy, hifandainga ao amin'izy ireo, saingy tsy hisy dikany izany. Fa ho avy ny farany amin'ny fotoana izay efa voatondro.
\v 28 Hiverina any amin'ny taniny miaraka amin'ny harem-be ny mpanjakan'ny Avaratra, miaraka amin'ny fony manohitra ny fanekena masina. Hiasa izy ary hody any amin'ny taniny ihany avy eo.
\v 32 Ny amin'ireo izay ratsy fanahy tamin'ny fifanekena, dia ho fitahiny ireny ka ho simba toetra. Saingy ireo olona izay mahalala ny Andriamanitr'izy ireo dia hahery ary hiasa.
\v 33 Ireo izay hendry eo amin'ny olona no hampahalala ny maro. Fa ho lavon-tsabatra sy ny lela afo izy ireo; ho lavo any amin'ny fahababoana sy ny fandrobana mandritra ny andro maro izy ireo.
\v 34 Amin'ny fahalavoan'izy ireo, dia ho vonjena amin'ny famonjena kely sy bitika izy ireo. Hikambana amin'izy ireo am-pihatsarambelatsihy ny maro.
\v 35 Ho lavo ny sasany amin'ireo hendry hany ka ho avy amin'izy ireo ny fandiovana, ny fanasana, ary fanadiovana, ambara-pahatongan'ny fotoana ny farany. Fa mbola ho avy ihany ny fotoana voatondro.
\v 36 Hanao araka izay iriany ny mpanjaka. Hanandra-tena izy ka hanao ny tenany ho lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra. Hilaza zavatra manohina hanohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra izy, fa hahomby ambara-pahatanterahan'ny fahavinirana izy. Fa ho atao izay efa nodidiana.
\v 37 Tsy mba hiraharaha ireo andriamanitry ny razany izy na ilay andriamanitra tsiriritin'ny vehivavy. Ary tsy hiraharaha izay mety ho andriamanitra rehetra izy. Fa hanao ny tenany ho ambonin'ny olon-drehetra izy.
\v 38 Hankalaza ny andriamanitry ny fiarovana mafy izy fa tsy ireo. Andriamanitra izay tsy neken'ireo razany no homena haja amin'ny volamena sy volafotsy, amin'ny vato soa sy fanomezana sarobidy izany.
\v 41 Handeha any amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary Israelita an'alinalina no ho lavo. Fa ireto no ho tafandositra amin'ny tanany: Edoma, Moaba, ary ireo sisa tamin'ny vahoakan'i Amona.
\v 42 Hanitatra ny tanany amin'ireo tany izy; ary tsy havotana ny tany Egypta.
\v 43 Hifehy ny rakitra volamena sy volafotsy izy, ary ny haren'ny Egypta rehetra; ho eo an-tongony ireo Lybiana sy ireo Etiopiana.
\v 44 Fa hampihorohoro azy ny vaovao avy any atsinanana sy avaratra, ka handeha hivoaka amin'ny fahavinirana lehibe izy mba handravarava tanteraka ary hanokana ny maro ho ringanina.
\v 45 Hametraka ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana izy. Ho tonga amin'ny fiafarany izy, ary tsy hisy hamonjy azy.
\v 2 Maro amin'izay mandry amin'ny vovoky ny tany no hitsangana, ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin'ny fahamenarana sy fanamavoana mandrakizay.
\v 3 Ireo izay hendry dia hamirapiratra toy ny hazavan'ny lanitra ambony, ary ireo hamerina ny maro amin'ny fahamarinana, dia toy ireo kintana mandrakizay doria.
\v 4 Fa ianao, ry Daniela, ahorony ireo teny ireo; tehirizo ho voaisy tombokase ny boky mandra-pahatonga ny fotoanan'ny farany. Maro no hihazakazaka etsy sy eroa, ary hitombo ny fahalalana.”
\v 7 Reko ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony—nanandratra ny tanany ankavanana sy ny tanany ankavia tamin'ny lanitra izy ka nihaniana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay fa ho fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana izany. Rehefa nopotehina ihany ny herin'ny olona masina, dia ho tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra ireo.
\v 10 Maro no ho diovina, ho voasasa, ary ho voafotsy, fa ny ratsy fanahy hanao faharatsiana. Tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahatakatra, fa ireo izay hendry no hahatakatra.
\v 11 Hatramin'ny fotoan'ny fampitsaharana ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fametrahana ny fahavetavetana izay mitondra ny fandravana tanteraka, dia hisy andro 1.290.