msh_reg/65-3JN.usfm

30 lines
2.0 KiB
Plaintext

\id 3JN
\ide UTF-8
\h 3 Jaona
\toc1 3 Jaona
\toc2 3 Jaona
\toc3 3jn
\mt 3 Jaona
\c 1
\cl Toko 1
\p
\v 1 Zaho loholona mamangy gnan'i Galo malala, gny teako amin'ny fahamarigna.
\v 2 Ry malala, mivavaky aho mba hanimba amin'ny raha iaby iha sady ho salama, manahaky gny hanimba gny fagnahinao.
\v 3 fa nizoto mare aho fony nisy rahalahy avy ka nijoro vavolombelo tamin'ny fahamarignanao, manahaky gny andehananao amin'ny to.
\v 4 tsy mana hazotoa bevata noho toy aho, la gny mahare fa mandeha amin'ny fahamarigna reo anako.
\v 5-6 Ry malala, manao asa mahatoky iha na amin'ino na amin'ino asa ataonao ho gnan'ireo rahalahy voho reo vahiny, zay nijoro vavolombelo gny fitiavanao teo agnatrehan'ny fiangona. Soa ro ataonao raha elefanao mandeha amin'ny fomba mendriky gnan-Dranagnahary rozy,
\p
\v 7 fotony nohon'ny agnaranao ro nialany, tsy nanday na ino ino bakamin'ireo jentilisa.
\v 8 Nohon'io tsika la tokony handramby gny manahaky gnan'io, mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarigna tsika.
\p
\v 9 Nanoratsy raha tamin'ny fiangona aho, kanefa Diotrefa, gny te-ho lohany amin-drozy, la tsy nandramby gnanay.
\v 10 Nohon'io, laha avy aho, la ho taroviko reo asa zay nataony, gny fomba nilazanny raha mahatsiravina manohitsy gnanay miaraky amin'ny safa raty. Tsy afa-po tamin'ireo sa, la tsy nandramby reo rahalahy ie. Nandrara reo zay te-hanao manahaky gnan'io ie sady nandroaky gnan-drozy hiboaky gny fiangona.
\p
\v 11 Ry malala, ka mangalaky manahaky zay raty fa zay soa. gny raiky zay manao gny soa la gnan-Dranagnahary; gny raiky zay manao gny raty la tsy nahajery gnan-Dranagnahary.
\p
\v 12 Gny iaby voho gny fahamarigna la vavolombelo magnambrara gnan'i Demetrio. Rahay avao koa la mijoro vavolombelo, sady hainao fa marina gny fagnambaranay.
\p
\v 13 Nana raha bevata ho soraty aminareo aho, fa tsy magniry hanoartsy gnan'ireo amin'ny penina voho ranomainty aho.
\v 14 Kanefa aho manantena hahajery gnanareo tsy ho ela, sady hiresaky mivanta tsika.
\v 15 Ho aminareo anie gny fiadana. Manao veloma gnanao reo sakaiza atoy. Veloma agny amin'ireo sakaiza kirakiraiky araky gny agnarany iaby.