msh_reg/61-1PE.usfm

155 lines
16 KiB
Plaintext

\id 1PE
\ide UTF-8
\h 1 Petera
\toc1 1 Petera
\toc2 1 Petera
\toc3 1pe
\mt 1 Petera
\c 1
\cl Toko 1
\p
\v 1 Petera, apostolin'i Jesosy Kristy, ho gnan'ireo anaky am-pieleza, reo zay voafily, manera gnan'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, voho Bitynia.
\v 2 Izay la araky gny hain-Dranagnahary Baba mialoha, voatokan'ny Fagnahy ho fankatoava voho ho famafaza gny lion'i Jesosy Kristy. Ho agnaminareo anie gny fahasoava, sady hitombo anie gny fiadagnanareo.
\p
\v 3 Ho tahy anie Ndranagnahary voho Baban'i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin'ny famindram-po, ro nagnomeny antsika fahateraha vaovao ho gnan'ny fahatokisan'ny lova. Izay lova izay la tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
\v 4 Izay la ho gnan'ny lova zay tsy ho maty, tsy ho simba, sady tsy ho rava. Izay la voatoka ho gnanareo agny an-dagnitsy.
\v 5 Nareo la arovan'ny herin-Dranagnahary amin'ny alalan'ny finoa, ho gnan'ny famonjea zay fa vonona ho ambara amin'ny fotoa farany.
\v 6 Tena ravoravo mikasiky izay nareo, na la ilanareo aza gny hahatiaro malahelo amin'ny ola maro samby hafa henanio.
\v 7 Izay la ho gnan'ny fana-porofoa gny finoanareo, zay sarobidy mare noho gny volamena zay simba, na la nosendra tamin'ny bolo aza. Miseho izay mba ho hita gny vokatsy gny finoanareo amin'ny fandrengea, voninahitsy, sady haja amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy.
\v 8 Tsy nahita Gnazy nareo, nefa tea Gnazy. Tsy majery Gnazy nareo henanio, nefa mino Gnazy tena faly amin'ny fifalia tsy hay volagny, mahafinaritsy.
\v 9 Rambesonareo henanio gny vokatsy gny finoanareo, la gny famonjea gny fagnahinareo.
\p
\v 10 Reo mpaminany la nikaroky voho nagnontany soa gny mikasiky izay famonjea izay, gny mikasiky gny fahasoava zay ho gnanareo.
\v 11 Rozy la nila gny hahay gny mikasikin'ny hoe ia voho mbia gny Fagnahin'i Kristy ao amin-drozy ro nivola tamin-drozy. Izay la nitranga manahaky gny nambarany gnan-drozy mialoha mikasiky reo fijalean'i Kristy voho gny voninahitsy magnaraky izay.
\v 12 Nambara tamin-drozy izay mba tsy hanompo gny vatany rozy, fa nareo, lafa nivola reo raha zay voambara tagnaminareo henanio rozy tamin'ny alalan'ireo tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masy nalefa bakagny an-dagnitsy--raha zay tean'ireo anjely ho hay.
\p
\v 13 Noho izay homano gny sainareo. Mahonogna tena. Mametraha fitokia amin'ny fahasoava zay ho andesy eo agnaminareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy.
\v 14 maha-anaky mpankato, aza mampifagnaraky gny vatanareo amin'ireo fagniria zay narahinareo tamin'ny mbo tsy nahaizany anareo.
\v 15 Fa manahaky gny raiky zay nikaiky gnanareo hoe masy, nareo, avao koa, ao ho masy amin'ny fitondran-tegnanareo iaby.
\v 16 Fa voasoratsy hoe: “Ao ho masy, fotony masy Zaho.”
\p
\v 17 Ka laha mikaiky gny raiky zay mitsara tsy misy fagnavakavaha araky gny asan'olo kiraidraiky aby hoe: “Baba” nareo, la handany gny fotoan'andronareo amin'ny fanehoa fanaja.
\v 18 Hainareo fa tsy bakamin'ny volafoty na volamena mety rava ro nagnavota gnanareo tamin'ny fitondran-tena adala zay nianaranareo tamin'ireo razanareo.
\v 19 Fa koa, navota tamin'ny lio sarobidin'i Kristy nareo, zay manahaky gny anak'aondry tsy misy kilema na tsiny.
\v 20 Voafily talohan'ny nanangana an'izao tontolo izao Kristy, fa henanio la tamin'ireo fotoa farany ro nagnambara Gnazy tagnaminareo.
\v 21 Amin'ny alalany ro hinoanareo an-Dranagnahary, zay nananga gnazy tamin'ny maty voho tamin'ireo nomeny voninahitsy mba ho ao amin-Dranagnahary gny finoa voho fahatokianareo.
\p
\v 22 Nagnalio gny fagnahinareo tamin'ny fankatoava gny fahamarigna nareo. Izay la ho gnan'ny fitiava ara-pirahalahia malio; noho izay mifankatiava mare amin'ny fo.
\f + \ft Fanamariha: Reo dikan-teny sasany la mivaky hoe: “Nagnalio gny fagnahinareo tamin'ny fankatoava gny fahamarigna tamin'ny alalan'ny Fagnahy nareo.” \f*
\v 23 Nateraky ndraiky nareo, tsy bak'amin'ny voa mety, fa bak'amin'ny voa tsy maty, amin'ny alalan'ny safan-dranagnahary velo voho mipetraky.
\v 24 Fa “gny nofo iaby la manahaky gny akata, sady gny voninahiny iaby la manahaky gny ravin'akata. Maiky gny akata, sady malazo gny raviny,
\q
\v 25 fa gny safan'ny Tompo la mipetraky mandrakizay.” Izay gny vaovao mahafaly zay nambara tagnaminareo.
\c 2
\cl Toko 2
\p
\v 1 Noho izay ario gny raty iaby, gny fahadisoam-panatena iaby, gny fihatsaram-belatsihy, gny fagniria, sady gny fanendrekendreha iaby.
\v 2 Manahaky gny aja voho teraky, magniry ronono ara-pagnahy malio, mba hahafahanareo mitombo ao amin'ny famonjea amin'ny alalan'izay,
\v 3 laha nahatsapa nareo fa soa fagnahy gny Tompo.
\p
\v 4 Magnato gnazy izay vato velo zay narian'ny olo, fa voafilin-Dranagnahary ho manan-danja Agnaminy.
\v 5 Nareo avao koa la manahaky reo vato velo zay voaory ho tragno ara-pagnahy, mba ho mpisoro masy zay manolotsy gny soro ara-pagnahy eken-Dranagnahary amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
\v 6 Gny Soratsy Masy la ahita zao: “Ingo, zaho mipetraky amin'ny Ziona vato fehizoro, voafily voho manan-danja. Izay iaby mino gnazy la tsy ho megnatsy.”
\p
\v 7 Gny voninahitsy noho izay la ho gnanao zay mino. Nefa, “gny vato narian'ireo mpanori-tragno, izay la avy lohan'ny fehizoro”-
\p
\v 8 sady, vato mahatafintohy voho vatolampy mahalavo. Tafitohy rozy, tsy nankato gny safa, zay voatoka ho gnan-drozy avao koa.
\p
\v 9 Fa iha la olom-boafily, mpisoron'ny mpanjaka, firenena masy, olo ho gnan'ny fanagnan-Dranagnahary, mba ho afaky hagnambara gny hatsaran'ireo asan'izay raiky izay nikaiky gnanao bakao amin'ny maiky hagneo amin'ny hazavany mahatalanjo iha.
\v 10 Taloha iha tsy olo, nefa henanio iha la olon-Dranagnahary. Tsy nandramby famindram-po iha, fa henanio iha nandramby famindram-po.
\p
\v 11 Ry malala, mikaiha nareo manahaky gny vahiny voho mpirenireny aho mba hifaly gny filan'ny nofo, zay mahavy aly manohitsy gny fagnahinareo.
\v 12 Tokony mana fitondran-tena soa nareo eo amin'ireo Jentilisa, mba ho, laha mivola mikasiky gnanareo ho nanao raha raty rozy, la tokony hahajery reo asa soanareo voho hankalaza an-Dranagnahary amin'ny andro zay hahaviany.
\p
\v 13 Ankatoavo gny fahefan'ny olombelo iaby noho gny amin'ny Tompo. Ankatoavo manahaky gny agnabo mare gny mpanjaka,
\v 14 voho reo governora avao koa, zay nalefa mba hagnasazy reo mpanao raty voho hankalaza reo zay manao gny soa.
\v 15 Fa izay ro sitrapon-Dranagnahary, amin'ny fanaova gny soa gnanareo la mampitsy gny safa tsy mahay fomban'ny olo adala.
\v 16 Manahaky maha-olon'afaky, ka ampiasa ho manahaky gny fagnorogna fahalemea gny fahafahanao, fa ao ho manahaky gny mpanom-pon-Dranagnahary.
\v 17 Omeo voninahitsy gny olo iaby. Tiavo gny firahalahia. Mahatahora an-Dranagnahary. Omeo voninahitsy gny mpanjaka.
\p
\v 18 Ry mpamono meteza hanaiky gny tomponareo amin'ny fagnaja iaby. Ka magnenky ho mpanompon'ny soa voho ho tompo soa fagnahy, fa ho gnan'ireo raty toetry avao koa.
\v 19 Fotony mendri-pandrengea izay laha misy miaritsy fahararia lafa mijaly amin'ny tsy rariny noho gny fanatenany an-Dranagnahary.
\v 20 Fa ohatrino gny jala laha manota iha sady miaritsy agnatiny gny fagnasazia gnanao bakeo? Fa laha nanao gny soa iha sady miaritsy agnatiny gny fagnasazia gnanao, la mendri-pandrengea amin-Dranagnahary izay.
\v 21 Fa noho toy ro nikaiha gnanao, fotony Kristy avao koa la nijaly ho gnanao. Namela ohatsy ho gnanao Ie mba hagnaraha reo lalany.
\v 22 Tsy nanota Ie, na hoe nisy fitaky teo am-bavany.
\q1
\v 23 Lafa nivolagnany raty Ie, la tsy mba namaly raty. Lafa nijaly Ie, la tsy nampitahotsy, fa nanolotsy gny vatany tamin'izay raiky izay mpitsara ampahamarigna.
\q1
\v 24 Ie vatany la nanday reo fahotantsika tao amin'ny vatany ho eo agnabo hazo, mba tsy hanagna anjara amin'ny fahota sasy tsika, sady mba hiay ho gnan'ny fahamarigna. Tamin'ny alalan'ny ratrany ro nahasitragna gnanareo.
\v 25 Nirenireny manahaky gny aondry tsobo nareo iaby, fa henanizao nareo nimpoly tamin'ny mpiamby aondry voho mpiamby gny fagnahinareo.
\c 3
\cl Toko 3
\p
\v 1 Amin'izay fomba izay, Nareo sevaky la tokony hagneky gny valinareo. Atavo izay na la misy johaty maro aza tsy mankato gny teny, sady mety ho azo rozy na tsy misy aza gny safa, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny valin-drozy.
\v 2 Fa rozy la hahajery gny fitondran-tena mendrikareo am-panaja.
\v 3 Ao izay ho tanteraky tsy miaraky amin'ireo haingo ivelany: taly volo, ravaky, volamena, na salotsy lamody.
\v 4 Fa koa, ao izay ho tanteraky miaraky amin'izay ao am-pon'ny olo, voho gny hasoa maharitran'ny fagnahy soa voho mitsy, zay sarobidy eo agnatrehan-Dranagnahary.
\v 5 Fa reo sevaky masy taloha ro nandravaky gny vatan-drozy manahaky izay. Nana fahatokia an-Dranagnahary rozy sady nagneky gny valiny aby.
\v 6 Manahaky fomba izay ro nankatoavan'i Abrahama gnan'i Saraha voho nikaihany gnazy ho tompony. Nareo la anany henanio laha manao zay soa voho tsy matahotsy ola nareo.
\p
\v 7 Manahaky izay avao, nareo johary la tokony miay miaraky amin'ny valinareo araky gny fahazavan-tsay, manahaky gny fanaky malemy mare, gny sevaky. Tokony omenareo voninahitsy rozy manahaky gny mpiara-mandova gny fanomezan'ny fiaigna. Atavo izay mba tsy ho voasaka gny vavakareo.
\p
\v 8 Farany, nareo iaby, ao hiray say, hangoraky, hifankatia manahaky gny mpirahalahy, ho tso-po, sady hanetri-tena.
\v 9 Ka mamaly raty gny raty na manevateva gny mpanevateva. Mifanohitsy amin'izay aza, mitahia hatrany, fa noho izay ro nikaiha gnanareo, mba hahafahanareo mandova gny fitahia.
\v 10 “Izay raiky zay te hankafy gny fiaigna voho te hahajery andro soa la tokony hagnatsahatsy gny lelany amin'ny raty voho gny sogniny amin'ny fivolagnany fitaky.
\q
\v 11 Ao ie hiala amin'ny atao hoe raty sady hanao izay soa. Ao ie hila fiadagna voho hitaky izay.
\q
\v 12 Gny mason'ny Tompo mahajery gny to, sady gny sofiny mahare reo fangatahan-drozy. Fa gny vatan'ny Tompo la manohitsy reo zay manao raty.”
\p
\v 13 Ie izay raiky hamely gnanareo laha magniry gny hanao gny soa nareo?
\v 14 Nefa laha mijaly nohon'ny fahamarigna nareo, la sambatsy. Ka matahotsy izay hatahoran-drozy. Ka mangorohoro.
\v 15 Fa koa, atoka manahaky gny masy ao am-ponareo gny Tompo Kristy. Mivonogna hatrany hamaly gny olo iaby zay magnotany gnanareo gny antony hatokianareo an-Dranagnahary. Atavo amin'ny halemem-pagnahy voho fagnaja izay.
\v 16 Mana feon'ny fieretrereta malio mba gny olo zay manevateva gny fiaigna soanareo ao amin'i Kristy la mety megnatsy fotony mivola manohitsy gnanareo rozy manahaky gny hoe mpanao raty nareo.
\v 17 Soa mare, laha Ndranagnahary magniry, fa mijaly nareo amin'ny fanaova gny soa nohon'ny fanaova gny raty.
\v 18 Fa nijaly nohon'ny fahota avao koa i Kristy. Ie zay to la nijaly ho gnantsika, zay tsy to, mba handesany gnantsika eo amin-Dranagnahary. Vinono tamin'ny nofo Ie, fa novelomin'ny Fagnahy.
\v 19 Tamin'ny alalan'ny Fagnahy, la nandeha ie sady nitory ho gnan'ireo fagnahy zay agny an-gadra henanizao.
\v 20 Tsy nankato rozy lafa niamby gny faharetan-Dranagnahary tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fanangana sambofiara, sady Ndranagnahary namonjy olo kelikely_fagnahy valo__tamin'ny rano.
\v 21 Izay ro famantara gny batisa zay mamonjy gnanareo henanizao- tsy manahaky gny fagnaliova gny loto amin'ny vata, fa manahaky gny kaikin'ny feon'ny fieretrereta ho amin-Dranagnahary-tamin'ny alalan'ny fitsangan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
\v 22 Kristy la eo an-tagna ankavanan-Dranagnahary. Niakatsy agny an-dagnitsy ie. Reo anjely, reo manam-pahefa, sady gny hery la tsy maintsy magneky Gnazy.
\c 4
\cl Toko 4
\p
\v 1 Noho izay, fotony nijaly tamin'ny nofo i Kristy, la atavo fialian'ny vatanareo izay tanjona izay. Fa ze nijaly iaby tamin'ny nofo la nitsahatsy tamin'ny fahota.
\v 2 Vokatr'izay, gny olo manahaky izay, tagnaty gny fotoa kelikely hiay, la tsy hiay ho gnan'ny fagnirian'ny olo sasy, fa ho gnan'ny sitrapon-Dranagnahary.
\v 3 Fa ampy zay gny fotoa lasa nanaova zay tian'ny Jentilisa atao- hafalian'ny nofo, fijejojejoa, fimamoa, fitondran-tena mahamegnatsy, filalaovan-draty, sady reo asan'ny fanompoan-tsampy maharikoriko.
\v 4 Dinihin-drozy fa hafahafa fotony tsy mikamba amin-drozy ao amin'izay fagnaranam-po maro izay nareo, noho izay la hivola raty mikasiky nareo rozy.
\v 5 Hamaly gny raiky ze vonona hitsara gny velo voho gny maty rozy.
\v 6 Noho izay antony izay ro nitoria gny vaovao mahafaly tamin'ireo maty avao koa, mba na la nitsara tamin'ny nofo manahaky gny olo aza rozy, la hiay manahaky an-Dranagnahary ao amin'ny fagnahy.
\v 7 Magnariniky gny faran'ny raha iaby. Noho izay tongava say, sady mampionogna vata amin'ny eritreritrareo ho gnan'ny fitiavam-bavaky.
\v 8 Agnabon'ny raha iaby, mana fitiava feno ho gnan'ny kiraidraiky aby, fa gny fitiava mandrakotsy fahota maro.
\v 9 Mifampiantranoa tsy am-pitaraigna.
\v 10 Fa gny kiraidraiky agnaminareo la nandramby fanomezam-pahasoava, ampiasao hifanompoa izay. Manaova izay manahaky gny mpitan-draharahan'ny fanomezam-pahasoava maro maimaimpoa an-Dranagnahary.
\v 11 Laha misy mivola, ao ie hanao izay manahaky gny raiky mivola gny safan-Dranagnahary. Laha misy manompo, ao izay ho avy amin'ny hery zay omen-Dranagnahary. Manaova reo raha reo mba homem-boninahitsy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy amin'ny fomba iaby Ndranagnahary. Ao ho gnan'i Jesosy Kristy gny voninahitsy voho hery la traky farany. Amena.
\v 12 Ry malala, ka rambesy ho hafahafa gny fitsapa amin'ny bolo zay nitranga tagnaminareo, manahaky gny hoe nisy raha hafahafa nitranga tagnaminareo.
\v 13 Fa koa, na la maro ka gny hiaignanareo reo fijalian'i Kristy, mifalia, mba ho afaky hifaly avao koa nareo sady ho ravoravo amin'ny fanambara gny voninahiny.
\v 14 Laha notevatevay noho gny agnaran'i Kristy nareo, la voatahy, fotony gny Fagnahin'ny voninahitsy voho gny Fagnahin-Dranagnahary la mipetraha ao agnaminareo.
\v 15 Fa ao tsy hisy na ia na ia agnaminareo hijaly manahaly gny mpamono olo, mpangalatsy, mpanao raty, na mpiraharaha gny an'ny hafa.
\v 16 Fa laha misy mijaly fa Kristiana, ao ie tsy ho megnatsy; fa koa, ao hagnome voninahitsy an-Dranagnahary amin'izay agnara izay ie.
\v 17 Fa fotoa zao hanomboha gny fitsara miaraky amin'ny avorohotan-Dranagnahary. Laha manomboky amintsika izay, ino ro ho vokatsy ho gnan'ireo zay tsy mankato gny filazantsaran-Dranagnahary?
\v 18 Sady laha “gny olo-to aza ila tsy ho voavonjy, amin'ny fomba manao akory ro hisehoan'ny olo tsy an-Dranagnahary voho gny mpanota?”
\p
\v 19 Noho izay ao reo zay mijaly noho gny sitrapon-Dranagnahary hanankina gny fanahin-drozy amin'ny Mpamoro mahatoky amin'ny fanaovan-tsoa.
\c 5
\cl Toko 5
\p
\v 1 Mananatsy reo loholona agnaminareo aho, zaho zay loholona nama. Zaho avao koa la vavolombelon'ireo fijalian'i Kristy, sady avao koa mpikamba ao amin'ny voninahitsy zay fa haseho.
\v 2 Noho izay, mananatsy gnanareo aho, ry loholona, andraso gny aondrin-Dranagnahary zay eo agnaminareo. Araho maso rozy regny, tsy amin'ny fahateriterea, fa amin'ny sitraponareo, araky gny sitrapon-Dranagnahary. Araho maso rozy regny, tsy amin'ny jala maloto, fa an-tsitrapo.
\v 3 Ka manjakazaka amin'ny olo zay tandremanareo. Fa koa, ao ho fitaratsy ho gnan'ny aondry.
\v 4 Sady lafa miseho gny lohan'ny mpiamby aondry, la hahazo satro-boninahitsy tsy mety simba nareo.
\p
\v 5 Manahaky izay koa, nareo tanora fagnahy, magnekea gny olo-dehibe. Nareo iaby, tafio fanetren-tena gny vatanareo sady mifanompoa. Fa Ndranagnahary manohitsy gny mpirehareha, fa magnome fahasoava gny mpanetry tena.
\p
\v 6 Noho izay manetre tena eo ambanin'ny tana-maherin-Dranagnahary mba hanan-dratany gnanareo amin'izay fotoa izay.
\v 7 Apetraho eo aminy gny fagnahinareo iaby, fotony Ie ro miahy gnanareo.
\p
\v 8 Mampionona vata, miambena. Gny fahavalonareo, la gny devoly, miodidy manahaky gny liona mihaoky, mila zay olo ho arapany.
\v 9 Manohera gnazy. Mioregna amin'ny finoanareo. Hainareo fa izay fahoria izay la mahazo gny firaisan'ireo mpino manera an'izao tontolo izao avao koa.
\v 10 Lafa baka nijaly tagnatiny fotoa kelikely nareo, gny Ndranagnahary gny fahasoava iaby, zay nikaiky gnanareo ho amin'ny voninahiny la traky farany ao amin'i Kristy, la hahatanteraky gnanareo, hananga gnanareo, sady hampahery gnanareo.
\v 11 Ho Gnazy anie gny fanjaka la traky farany mandrakizay. Amena
\p
\v 12 Rambeso manahaky gny rahalahy mahatoky i Silasy, sady manoratsy teny kelikely ho gnanareo tamin'ny alalany aho. Mananatsy gnanareo aho sady magnambara gnanareo fa izay nosoratako la fahasoava ton-Dranagnahary. Mijoroa amin'izay.
\p
\v 13 Gny sevaky zay agny Babylona, zay voafily niaraky tagnaminareo, manao veloma gnanareo. Sady koa i Marka, anako johary, manao veloma gnanareo.
\v 14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiava. Ho agnaminareo iaby anie gny fiadagna zay ao amin'ny Kristy.