msh_reg/55-1TI.usfm

163 lines
16 KiB
Plaintext

\id 1TI
\ide UTF-8
\h 1 Timoty
\toc1 1 Timoty
\toc2 1 Timoty
\toc3 1ti
\mt 1 Timoty
\c 1
\cl Toko 1
\p
\v 1 Paoly, apositolin'i kristy Jesosy araky gny lilin-Dranagnahary mpamonjy gnantsika voho i kristy tokintsika,
\v 2 ho gnan'i Timoty, anaky johary to ao amy gny finoa: Hasoava, famindram-po, voho fiadagna avy amin-Dranagnahary Baba voho i kristy Jesosy Tompontsika.
\p
\v 3 Araky gny nangatahiko mafy ho ataonao lafa niala tao Makedonia zaho, mipetraha ao Efesosy mba hahafahanao mibaiko reo olo sasany tsy hampianatsy foto-pampianara hafa
\v 4 Tsy tokony hitandry reo tantara voho tetiara tsy misy fiafarany ndrozy. Reo la niteraky alihevitsy fa tsy magnampy gny drafin-Dranagnahary, zay amy gny alalan'ny finoa.
\v 5 Sady gny tanjony gny lily la hatea avy amy gny fo malio, avy amy gny feony gny fieretrereta soa, voho avy amy gny finoa tsy mihatsaravelatsihy.
\v 6 Gny olo sasany la tsy nahatratsy gny tanjony voho niala tamin'ireo raha reo ho agny amy gny lahateny adaladala.
\v 7 Rozy la te ho mpampianatsy lalagna, nefa rozy tsy mahazo zay kasainy voho hizingizinin-drozy.
\p
\v 8 Fa tsika la mahatantatsy fa gny lalagna la soa laha misy raiky mampiasa gnazy amy gny ara-dalana.
\v 9-10 Tsika la mahay zay, fa gny lalagna la tsy natao ho gnany olo to, fa ho gnany mpaliky lalagna voho olo mpikomy, ho gnan'ireo raty fagnahy voho mpanonta, sady ho gnan'ireo ndragnahary diso voho tsy masy. Zany la natao ho gnan'ireo zay mamono gny baba voho reny, ho gnan'ireo mpamono olo, ara-nofo, ho gnan'ireo sodomita, ho gnan'ireo mpangalatsy an-keriny olo mba ho andevozy, ho gnan'ireo mpavandy, ho gnan'ireo vavolombelo tsy to, sady na ino na ino hafa manohitsy gny fampianara mahatoky.
\v 11 Io fampianara io la mifanaraky amy gny filazantsaran'ny voninahitsin-Dranagnahary voatahy zay nankiny tagnamiko.
\p
\v 12 Isaorako i Kristy Jesosy Tompontsika. Nampahery gnahy Ie, fa nataony mahatoky zaho, sady nanendry gnahy ho amy gny fanompoa Ie.
\v 13 Zaho la mpivola raty, mpagnenjiky, voho johary mahery setra. Nefa nahazo famindra-mpo zaho fotony tamy gny tsy fahaia ro nanaovako zay noho gny tsy finoa.
\v 14 Fa gny fahasoavany gny Tompontsika ro nandrakotsy tamy gny finoa voho fitiava zay ao amin'i Kristy Jesosy.
\p
\v 15 Zao hafatsy zao la azo antoky voho mendriky gny fagnekea iaby, fa i Kristy Jesosy la avy teto an-tany hamonjy breo mpanonta. Zaho ro raty mare tamin'ireo.
\v 16 Fa noho zay antony zay ro namindra fo tagnamiko, mba amy gny alalako, gny bevata mare, i Kristy Jesosy la mety hampiseho gny fahareta iaby. Nanao zay Ie ho ohatsy ho gnan'ireo zay magniry hatoky Gnazy ho gnan'ny fiaigna la traky farany.
\p
\v 17 Sady ho gnan'ny mpanjakany gny tao, tsy mety maty, tsy hita maso, gny Ndranagnahary toka, loniko gny laza voho voninahitsy la traky farany. Amena.
\v 18 Zao lily zao ro ro omeko gnanao, Timoty, gnanako, araky reo faminania natao mikasiky gnanao tagny aloha, fa iha la mety hialy gny aly soa,
\v 19 ngny fitandraha gny finoa voho gny feony gny fieretrereta soa. Tamy gny fandava zay, misy gny nanao sambo vaky gny finoany.
\v 20 Manahaky gnan'i Hymeneo voho Aleksandro, zay natolotro ho gnan'i mba ampianara gnazy reo tsy hivola raty.
\c 2
\cl Toko 2
\p
\v 1 Voalohany mare noho izay, la mampirisiky aho fa reo fangataha, vavaky, finoana, sady fisaora la natao ho gnan'ny olo iaby,
\v 2 ho gnan'ireo mpanjaka voho reo iaby eo amin'ny fahefa, mba ahafahantsika miaina am-piadagna voho miay milamy amin'ny toe-pagnahy araky gnan-Dranagnahary voho fahamendreha iaby.
\v 3 Izay la soa voho azo ekena eo agnatrehan-Dranagnahary mpamonjintsika.
\v 4 Iriany mba hovonjena iaby gny olo iaby sady ho avy amin'ny fahalala gny to.
\v 5 Fa raiky avao ro Ndranagnahary, sady raiky avao ro mpanelanela an-Dranagnahary voho gny olo, la gny johary Kristy Jesosy.
\v 6 Ie nagnome gny vatany ho vilim-pagnavota ho gnan'ny iaby, manahaky gny fijoroa vavolombelo amin'ny fotoa tokony ho izy.
\v 7 Fa amin'izay tanjona izay, zaho, gny vatako, la natao ho mpitory voho ho apostoly. Mivola gny to aho. Tsy mavandy aho. Mpampianatsy gnan'ireo Jentilisa amin'ny finoa voho fahamarigna zaho.
\p
\v 8 Noho izay, tiako gny johary na ia na ia mba hivavaky voho hanandra-tagna masy tsy am-pahatezera na amin'ny fifandira.
\v 9 Manahaky izay koa, tiako gny ampela mba hiakanjo mendriky gny vatany amin'ny famaotigna voho fahafehezan-tena. Tsy tokony hanao volo mitaly, na volamena, na voahangy, na akanjo sarotsy vily.
\v 10 Tiako rozy hisalotsy amin'izay mety ho gnan'ireo ampela zay mampiseho teo-pagnahy araky gnan-Dranagnahary amin'ny alalan'ireo asa soa.
\v 11 Gny ampela la tokony hiantra am-pahangina sady hanaiky tanteraky.
\v 12 Tsy engako hampianatry gny ampela na hampihatra fahefa amin'ny johary, fa hijano ao agnaty fahangina.
\v 13 Fa Adama ro niforognany voalohany, bakeo i Eva.
\v 14 Adama la tsy voafitaky, fa gny ampela ro voafitaky tanteraky tamin'ny fandikan-dalagna.
\v 15 Na izay aza, hovonjea ie amin'ny alalan'ny fiterahan-jaza, laha mitohy amin'ny finoa voho fitiava sady fahamasigna miaraky amin'ny fahononan-tena.
\c 3
\cl Toko 3
\p
\v 1 Matokia zao safa zao: Laha misy olo raiky magniry gny ho mpiandraikitsy, la magniry asa soa ie.
\v 2 Noho izay la gny mpiandraikitsy la tsy maintsy tsy mahan-tsiny. Tsy maintsy manambady ampela toka ie. Ie la tokony hahay handajalanja, hendry, tia filamigna, tia mandray olo. Tsy maintsy mahay mampianatry ie.
\v 3 Tsy tokony za-draty amin'ny divay ie, tsy mpila aly, fa koa, mamely fagnahy, feno fiadagnam-po. Ie la tsy tokony ho tia jala.
\v 4 Tokony hitanta soa gny tokatragnony ie, sady reo anany la tokony hanaiky gnazy am-panaja tanteraky.
\v 5 Fa raha tsy mahay mitanta gny tokatragnony ie, nagnino ro hikarakara gny fiangonan-Dranagnahary?
\v 6 Tsy tokony ho olo vo niova fo ie, mba tsy hirehareha ka ho lavo amin'ny fanameloha manahaky gny devoly.
\v 7 Ie avao koa la tsy maintsy soa laza amin'ireo olo egny amonto, mba tsy ho lavo agnaty fahafaham-baraka voho gny fandriky gny devoly.
\p
\v 8 Reo Diakona, manahaky izay avao koa, la tokony ho mendriky. Rozy la tsy tokony hino divay maro loatsy na tsy mahalala onony ara-tsakafo.
\v 9 Tokony hitandraky gny fahamarinan'ny finoa nambara miaraky amin'ny feon'ny fieretrereta malio.
\v 10 Rozy avao koa la tokony ho sedray mialoha, bakeo la tokony hanompo fotony tsy manan-tsiny rozy
\v 11 Reo ampela avao koa la tokony ho mendriky manahaky izay. Tsy tokony ho mpagnendrikedriky rozy. Tokony hahay handanjalanja sady mahatoky amin'ny raha iaby.
\v 12 Reo Diakona la tokony hanambady ampela raiky. Tsy maintsy mintata soa reo anany voho gny tokatragnony rozy.
\v 13 Fa reo zay nanompo soa la handray gny laza soa voho fahatokia bevata amin'ny finoa ho gnan'ny vatan-drozy zay ao amin'i Jesosy Kristy.
\p
\v 14 Manoratry reto raha reto agnaminao aho, sady manantena gny ho avy tsy ho ela agny agnaminao aho.
\v 15 Fa laha tara aho, la manoratsy mba hahafantaranareo gny fitondran-tena ao amin'ny tokatragnon-Dranagnahary, zay fiangonan-Dranagnahary velo, gny vato fehizoro voho fioregnan'ny fahamarina.
\v 16 Tsy azo tohery fa gny fahamarigna nambara zay araky an-Dranagnahary la bevata: “Ie la niseho tamin'ny nofo, nohamarinin'ny Fagnahy, hitan'ny anjely, nambara teo agnivon'ireo firenena, ninoan'izao tontolo izao, sady nasandratry tamim-boninahitsy.”
\c 4
\cl Toko 4
\p
\v 1 Henanio mivola mazava soa gny Fagnahy fa amin'ny fotoa agny afara agny la hiala amin'ny finoa gny olo sasany sady mitandrema soa gny amin'ireo fagnahy mpamitaky voho reo fampianaran'ireo demonia
\v 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpavandy. Fa voamariky amin'ny vy mafana gny feon'ny fieritretan-drozy.
\v 3 Ho raran-drozy gny manambaly voho gny mandray reo sakafo zay niforognin-Dranagnahary ho zara miaraky amin'ny fisaora eo amin'ireo zay mino voho zay mahay gny to.
\v 4 Fa gny raha iaby zay noforognin-Dranagnahary la soa. Tsisy holiery gny raha noraisitsika tamim-pisaora.
\v 5 Fa nohamasigniny tamin'ny safan-Dranagnahary voho gny vavaky izay.
\v 6 Laha apetrakinareo eo agnatrehan'ireo rahalahy reo raha reo, la ho mpanompo soan'i Jesosy Kristy nareo. Fa nitezany tamin'ireo safan'ny finoa voho tamin'ny fampianara soa zay narahinareo nareo.
\v 7 Fa lavo gny angano tantarain'ny ampela antitsy. Fa koa, tariho hagnome voninahitsy an-Dranagnahary gny vatanareo.
\v 8 Fa gny vatana hofany la kelikely avao ro azo ampiasa gnazy, nefa fampiasa amin'ny raha iaby gny toetra araky an-Dranagnahary. Mitandraky gny fampanantena aminy toy fiaigna henanizao toy voho gny fiainan-ko avy.
\v 9 Toy hafatry toy la mendri-pitokisa voho mendriky gny fahafenoan'ny fanekeny.
\v 10 Fa noho izay la hitolo voho hiasa mafy tsika. Fa mahatoky ao amin-Dranagnahary velo tsika, zay Mpamonjy gny olo iaby, indrindra reo zay mino.
\v 11 Ambarao voho ampianaro reo raha reo.
\p
\v 12 Ao tsy hisy olo hanao tsinotsino gny fahatanoranao. Fa koa, ao ho ohatry ho gnan'ireo izay mino, amin'ny fivolagna, fitondran-tena, fitiava, finoa, sady fahadiova.
\v 13 Mandra-pihaviako, tohizo gny famakia, gny fagnanara, voho gny fampianara.
\v 14 Ka atao tsinotsino gny fanomezam-pahasoava zay ao agnaminao, zay nomena gnanao tamin'ny alalan'ny faminania, niaraky tamin'ny fametrahan-tanan'ireo loholona.
\v 15 Tandremo regny raha regny. Meteza ho ao amin-drozy, mba hiharihary amin'ny olo iaby gny fandrosoanao.
\p
\v 16 Tandremo soa gny vatanao voho gny fampianara. Tohizo regny raha regny. Fa laha manao manahaky izay, la ho vonjenao gny vatanao voho reo zay minjanjy gnanao.
\c 5
\cl Toko 5
\p
\v 1 Ka mamango gny johary antitra. Fa koa, anaro manahaky gny baba ie. Anaro manahaky gny rahalahy reo johary tanora.
\v 2 Anaro manahaky gny reny reo ampela antitsy, sady reo ampela tanora manahaky gny anabavy ao amin'ny fahadiova iaby.
\p
\v 3 Manaja reo mpitondratena, reo tena mpitondratena.
\v 4 Fa laha manan-janaky na zafikely gny mpitondratena raiky, la engao rozy aloha hianatsy haneho fanaja ao amin'ny tokatragnony. Ao rozy hamaly babena reo ray aman-dreniny, fotony ankasitrahan-dranagnahary izay.
\v 5 Fa gny tena mpitondra la nenga raiky. Mametraky gny fitokiany amin-Dranagnahary ie. Mitoetra hatragny amin'ireo fangataha voho vavaky andro aman'aly.
\v 6 Na izany aza, gny ampela izay miay ho gnan'ny fahafinareta la maty, na la mbo velo aza ie.
\v 7 Torio izay raha izay mba tsy ananan-drozy tsiny.
\v 8 Fa laha misy olo tsy magnome ho gnan'ireo longony mariniky, indrindra ho gnan'ireo zay ao amin'ny avorohotany, la nanda gny finoany ie sady raty lavitsy noho gny tsy mpino.
\p
\v 9 Aoka hororata ho mpitondratena gny ampela zay tsy latsaky gny enimpolo tao, ampela raiky valin'ny johary raiky.
\v 10 Tokony ho hay noho reo asa soa ie, na nikarakara reo aja, avao koa nampiatragno reo mpivahiny, na nanasa gny tombon'ireo mpino, na nanamaiva gny mijaly, na nanolo-tena tamin'ny asa soa iaby.
\v 11 Fa ho gnan'ireo mpitondratena mbo tanora koa, la ka manaiky gny hanoratsy gnan-drozy ao agnaty lisitry. Fa lafa milavo-lefo amin'ny filan'ny nofo hanohitry gnan'i Kristy rozy, la te-hanambady.
\v 12 Amin'izay rozy la hahazo fanameloha fotony namadiky gny fanoloran-tenany voalohany.
\v 13 Ka la najary zatry malay koa rozy. Mandehandeha mitety tragno. Tsy hoe lasa malay avao rozy, fa lasa mpifosa voho mpila aly avao koa. Mivola raha zay tsy tokony ho safany rozy.
\v 14 Noho izay la tiako hanambaly reo ampela mbo tanora, hiteraky hikarakara tokatragno, mba tsy ahafahany magnome iraky gny fahavalo hiampanga gnanay ho nanao raty.
\v 15 Fa gny sasany fa nivily sahady hagnaraky gnan'i Satany.
\p
\v 16 Laha misy ampela mino mana mpitondratena, ao ie hanampy gnan-drozy, mba tsy hanavesatsy gny fiangona, mba hahafahany manampy reo tena mpitondratena to.
\p
\v 17 Ao reo loholona zay manapaka soa mba ho raisiny ho mendri-boninahitra avo roe heny, indrindra reo zay miasa miaraky amin'ny teny voho amin'ny fampianara.
\v 18 Fa hoy gny soratsy Masy hoe: “Tsy tokony hagnisy fehiny gny tsihovin'ny gny aomby iha laha mbo mively voa ie.” sady koa: “Gny mpiasa la mendriky gny karamany.”
\p
\v 19 Ka mandray fiampangana manohitsy gny loholona raiky laha tsy misy vavolombelo roe na telo.
\v 20 Ahitsio eo agnatrehan'ny iaby reo mpanonta mba hatahotry gny ambiny hafa.
\p
\v 21 Mandidy gnanao mare aho eo agnatrehan-Dranagnahary voho eo agnatrehan'i Kristy Jesosy sady reo anjely voafily, mba hihazonareo reo lily reo tsy misy fitsaratsara sady mba tsy hanaovanao na ino na ino amin'ny fiadaniana.
\p
\v 22 Ka maimaiky mametra-tagna amin'ia na ia. Ka miray ao amin'ny fahotan'ny olon-kafa. Tokony hitandraky gny vatanao halio iha.
\v 23 Tokony tsy hino rano ava iha. Fa koa, tokony handray divay kelikely iha ho gnan'ny vavony voho reo aretinao mateti-pitranga.
\v 24 Gny fahotan'ireo olo sasany la hay miharihary, sady rozy la mandeha alohan'ireo ao amin'ny fitsara. Fa gny ota sasany magnaraky baka atoy afara.
\v 25 Manahaky izay avao koa, misy asa soa hay miharihary, nefa reo sasany ka la tsy azo aetaky.
\c 6
\cl Toko 6
\p
\v 1 Ze ambanin'ny gneta-mavesatsy iaby manahaky gny andevo la ao mba hanao gny tompony ho mendriky gny. Rozy la tokony hanao ngan'izay mba tsy hivolagna raty gny agnaran-Dranagnahary voho gny fampianara.
\p
\v 2 Reo andevo ze mana tompo mino la tsy tokony hanao tsinotsino gnan-drozy fotony mpirahalahy agnaminy. Fa koa, rozy la tokony hanompo gnan'ireo avao. Fa reo tompo ze nampea tamin'ny asan-drozy la mpino sady tiavy. Ampianaro voho ambarao reo raha reo.
\p
\v 3 Diniho fa gny olo la mampianatsy amin'ny fomba hafa sady tsy manaiky gny fanoroantsika ara-pinoa, zay safan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Diniho fa rozy la tsy manainky gny fampianara zay manday agny amin'ny toetra araky an-Ndranagnahary.
\v 4 Izay olo izay la bohaboha sady tsy mahay na ino na ino. Fa koa, ie la adalan'ireo alihevitsy voho reo fandresen-dahatsy mikasiky reo safa. Regny safa regny la miteraky fialogna, fanevateva, ahiahy raty,
\v 5 sady gny fifandogna eo amin'ireo olo maloto fisaigna. Miala amin'ny to rozy. Mihevitsy ie fa gny toetra araky an-Dranagnahary ro fomba ahavia ho mpanan-kanagna.
\f + \ft Fanamariha: Gny fandika taloha sasany la magnampy hoe: “Miala amin'ny raha manahaky izay.” Fa gny fandika taloha soa mare la tsy magnampy izay. \f*
\p
\v 6 Sady gny toetra araky an-Dranagnahary miaraky amin'ny fahafaham-po la tombony bevata.
\v 7 Fotony tsika la tsy nanday na ino na ino amin'izao tontolo zao. Tsy hahavita handay na ino na ino tsika.
\v 8 Fa koa, ao tsika ho afa-po amin'ny hany voho gny fitafia.
\v 9 Sady reo zay te ho lasa mpanan-kanagna la latsaky ao agnatin'ny fakam-pagnahy, ao agnatin'ny fandriky. Latsaky tao agnatin'ny hadala voho reo fila mampidi-doza maro rozy, sady avao koa reo hafa mandetiky reo olo ao amin'ny faharava voho gny fandringana.
\v 10 Fotony fototr'ireo karazan-draty iaby gny fitiavam-bola. Gny olo sasany zay magniry zay la fa voavily niala tamin'ny finoa sady nanindro gny vatan-drozy tamin'ny fahoria bevata.
\p
\v 11 Fa iha, ry joharin-Dranagnahary, milaisa reo raha reo. Miezaha mila gny fahamarigna, gny toetra araky an-Dranagnahary, gny fahatokisa, gny fitiava gny fahareta sady gny hatsaram-pagnahy.
\v 12 Mialia gny aly soan'ny finoa. Tandraho gny fiaigna mandrakizay fa ho amin'izay ro nikaiha gnanao. Izay la mikasiky gny nijoronao vavolombelo gny amin'izay inoanao teo agnatrehan'ireo vavolombelo maro tamin'izay soa.
\p
\v 13 Zaho la magnome gnanao zay lily zay eto agnatrehan-Dranagnahary, zay nahavy gny raha iaby ho velo, sady eo agnatrehan'i Kristy Jesosy, zay nivola gny to teo agnatrehan'i Pontio Pilato:
\v 14 Tehirizo soa gny lily, tsy manan-tsiny, mandra-pisehoan'ny Tompontsika Jesosy Kristy.
\v 15 Ndranagnahary la maneho gny fisehoany amin'ny fotoa tokony ho ie_Ndranagnahary, zay raiky zay notahia, zay hery toka, zay mpanjaka zay manjaka, sady gny Tompo zay manapaky.
\v 16 Ie raiky avao ro mana gny tsy fahafatesa sady mitoetry eo amin'ny hazava tsy azo hananto. Tsy misy olombelo mahita gnazy na afaky magnenty Gnazy. Ho gnazy anie gny voninahitsy voho gny hery mandrakizay. Amena.
\p
\v 17 Ambarao gny mpanan-kanagna amin'izao tontolo zao mba tsy ho bohaboha, voho manantena gny hanagna, zay tsy azo antoky. Fa koa, tokony hagnantena an-Dranagnahary rozy. Magnome antsika gny hanagna to iaby Ie mba hifaliantsika.
\v 18 Ambarao an-drozy mba hanao gny soa, mba hanan-kanagna amin; ny asa soa, mba alala-tagna, ary vonona hizara.
\v 19 Amin'izay fomba izay, la ho teririzin-drozy gny fototsy soa ho gnan'ny vatany amin'izay ho avy, ka hihazognany gny tena fiaigna.
\p
\v 20 Timoty, arovo ze natolotry gnanao. Ialao gny safa adaladala voho gny fandresen-dahatry mifanohitsy mikasiky gny fikaiha diso gny amin'izay atao hoe fahalala.
\v 21 Gny olo sasany la magnambara zay raha zay ka la tsy nahatiaro gny finoa rozy. Ho agnaminareo anie gny fahasoava.