msh_reg/54-2TH.usfm

80 lines
7.2 KiB
Plaintext

\id 2TH
\ide UTF-8
\h 2 Tesaloniana
\toc1 2 Tesaloniana
\toc2 2 Tesaloniana
\toc3 2th
\mt 2 Tesaloniana
\c 1
\cl Toko 1
\p
\v 1 Paoly, voho Silasy, voho Timoty, ho agny amin'ny fiangonan'ireo Tesaloniana ao amin-Dranagnahary Babantsika voho Jesosy Kristy Tompo.
\v 2 Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna bakamin-Dranagnahary Babantsika voho Jesosy Kristy Tompo.
\p
\v 3 Rahay la tokony hagnome fisaora gnan-Dranagnahary ho gnanareo avao, ry rahalahy. Fa io ro soa atao, fotony tena mitombo mare gny finoanareo, sady gny hateanareo kirakiraiky la mitombo ho gnan'ny hafa.
\v 4 Nohon'io la rahay vatanay la miresaky am-pirehareha mikasiky gnanareo eo amin'ireo fiangonan-Dranagnahary. Rahay la miresaky gny mikasikin'ny faharetanareo sady gny finoanareo tamin'ny zay iaby nagnenjeha gnanareo.
\p
\v 5 Miresaky momban'ireo famantara gny fitsara marin-Dranagnahary. Gny vokany la horambesy ho mendriky gny fanjakan-Dranagnahary zay nijalianareo nareo.
\v 6 To amin-Dranagnahary gny hamaly fahoria gnan'ireo zay nampahory gnanareo,
\v 7 sady hagnome fitsara ho gnanareo zay nampahory niaraky tamiany. Hataony io amin'ny fisehoan'i Jesosy Tompo bakagny an-danitsy miaraky amin'ireo anjelin'ny heriny.
\v 8 Ao amin'ny bolo miredareda ro hanaovany gny valifaty amin'ireo zay tsy mahay gnan-Dranagnahary voho amin'ireo zay tsy mamaly gny filazantsaran'i jesosy Tompontsika.
\v 9 Rozy la hijaly amin'ny famaizan'ny fandriangana mandrakizay lavitsy gny fagnatrehan'ny Tompo voho gny voninahitsy gny heriny.
\v 10 hanao gnan'io rozy lafa avy amin'io andro io mba hagnomezan'ny olony voninahitsy gnazy voho higagan'ireo iaby zay nino. Fa gny fijoroanay vavolombelo aminareo la ninoa
\p
\v 11 Nohon'io la mivavaky mandrakariva ho gnanareo avao koa rahay. Mivavaky rahay mba ho mendriky gny ho rambesin-Dranagnaharintsika ain'ny fikahia nareo. Mivavaky rahay mba ho tanterahy amin'ny hery gny fagnirianareo gny hasoa voho gny asan'ny finoa iaby.
\v 12 Mivavaky ho gnan'ireo raha reo rahay mba amianareo voninahitsy gny agnaran'i Jesosy Tompontsika. Mivavaky rahay mba hagnomezany voninahitsy gnanareo, nohon'ny fahasoavan-Dranagnaharintsika voho Jesosy Kristy Tompo.
\c 2
\cl Toko 2
\p
\v 1 Amizao gny momban'ny fiavian'i Jesosy Kristy Tompontsika voho gny namory gnantsika iaraky aminy: magnontany gnanareo rahay, ry rahalahy,
\v 2 mba tsy ho mora helengelegny na hihorohoro nareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny hafatsy, na amin'ny taratasy zay manahaky gny hoe ho avy aminay, noho gny vokatsy gny fiavian'io andron'ny Tompo io.
\v 3 Ka enga hisy olo hamitaky gnanareo na amin'ny fomba manao akory. Fa tsy ho avy io laha tsy afaran'ny fiavian'ny filavoa, sady gny johary mpandika lalagna la aseho, gny anaky gny fahasimba.
\f + \ft Fanamarihana: gny dikan-teny sasany la mivaky hoe: “sady johary mpanota la aseho.” \f*
\v 4 Ie gny manohitsy voho manandratsy gny vatany amin'izay iaby atao hoe Ndranagnahary na zay ivavaha. Vokatr'izay, la nipetraky tao amin'ny Tempolin-Dranagnahary ie sady mampiseho gny vatany hanahaky gnan-Dranagnahary.
\v 5 Tsy ilanareo va fa fony zaho niaraky taminareo la fa niresaky reo raha reo?
\p
\v 6 Amizao hainareo ino ro mita gnazy, mba hisehoany amin'ny fotoa mety raiky avao.
\v 7 Fa gny raha mietaky fandikan-dalagna la fa miasa, misy olo raiky avao misaka gnazy amizao mandra-pangala gnazy teo amin'ny lala
\v 8 Bakeo gny tena mpandika lalagna la haseho, zay hovonoan'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany. Gny Tompo la handay gnazy amin'ny tsy misy dikany amin'ny alalan'ny fisehoan'ny fiaviany.
\p
\v 9 Gny fiavian'izay tena mpandiky lalagna la noho gny asan'ny Satana miaraky amin'ny hery iaby, reo famantara, sady reo fahagaga tsy to,
\v 10 sady miaraky amin'ny fitaky iaby gny amin'ny tsy fahamarigna. Reo raha reo la ho gnan'ireo zay trobo, fotony rozy la tsy nandramby gny hatean'ny fahamarigna mba ahavoavonjy gnan-drozy.
\v 11 Nohon'io antony io la mandefa asan'ny fahadisoa Ndranagnahary mba hinoan-drozy vandy.
\v 12 Vokatr'io la hotsara iaby rozy iaby, reo zay tsy mino gny fahamarigna fa koa mangalaky fahafinareta amin'ny tsy fahamarigna.
\p
\v 13 fa rahay la tokony magnome fisaora gnan-Dranagnahary avao ho gnanareo, ry rahalahy nitiavin'ny Tompo. Fa Ndranagnahary ro nifily gnanareo manahaky gnan'ireo voaloham-bokatsy ho gnan'ny famonjea amin'ny fahamasigna gny Fagnahy voho gny finoa gny fahamarigna.
\f + \ft Fanamarihana: gny dikan-teny hafa la mivaky manahaky gnan'izao: “Fa Ndranagnahary la nifily gnanareo hatramin'ny voalohany ho gnan'ny famonjea. \f*
\v 14 Io ro niakiany gnanareo tamin'ny alalan'ny filazantsaranay mba ahazoanareo gny voninahits'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\p
\v 15 Ka nohon'io, ry rahalahy, mijoroa mare. Tano reo fahamarigna zay nampianary gnanareo. Na tamin'ny safa na tamin'ny taratasinay.
\p
\v 16 Amizao ao i Jesosy Kristy Tompontsika tenany, voho Ndranagnahary Babantsika zay tiantsika voho nagnome gnantsika fankahereza mandrakizay voho gny fahatokisa soa ho gnan'ny ho bakamin'ny alalan'ny fahasoava,
\v 17 hankahery sady hametraky gny fonareo amin'ny asa soa iaby voho gny safa.
\c 3
\cl Toko 3
\p
\v 1 Amizao, ry rahalahy, mivavaha ho gnanay, mba ho rengea voho hameam-boninahitsy gny safan'ny Tomp, la manahaky gnan'io koa gny aminareo.
\v 2 Mivavaha mba ho afaky amin'ireo raty fagnahy voho olon-draty rahay, fa tsy gny iaby ro manam-pinoa.
\p
\v 3 Fa gny Tompo la mahatoky, zay magnamafy ory voho miamby gnaareo amin'izay raty.
\v 4 Mana fahatokia amin'ny Tompo mikasiky gnanareo rahay, mbo sady hanaovanareo ro hanohizanareo reo raha zay nandidia gnanay nareo.
\v 5 Gny Tompo anie hitariky gny fonareo ho amin'ny hatean-Dranagnahary voho gny fiaretan'i Kristy.
\p
\v 6 Amizao mandidy gnanareo rahay, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiala amin'ireo rahalahy iaby zay miay ao agnatin'ny hakamoa voho tsy araky reo fomban-draza zay nirambesinareo taminay.
\v 7 Fa nareo vatanareo la mahay fa mety aminareo gny mangalaky manahaky gnanay. Tsy niay teo agnivonareo manahaky gnan'ireo zay tsy nana fitsipiky rahay.
\v 8 Tsy nihina sakafon'olo tsy naloa drala rahay. Fa koa, niasa andro amagn'aly tamin'ny asa sarotsy voho gny raha sarotsy rahay, mba tsy ho enta mavesatsy ho gnan'ny kirakiraiky aminareo.
\v 9 Tsy hoe nohon'ny tsy fanagna fahefa ro nanaovanay gnan'io. Fa koa, nanao gnan'io rahay mba ho fitaratsy ho gnanareo, ka mba hanahaky gnanay nareo.
\v 10 Lafa niaraky taminareo rahay, la nandidy gnanareo hoe: “Laha misy raiky tsy te hiasa, la tsy tokony hihinana ie.”
\v 11 Fa mahajanjy rahay fa miraviravy tagna gny sasany aminareo. Tsy miasa rozy fa mpitsabaky.
\p
\v 12 Amizao reo olo manahaky gnan'io la didinay voho hanarinay amin'i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahangina voho hihina gny sakafon-drozy manokana.
\p
\v 13 Fa nareo, ry rahalahy, ka mamoy fo amin'ny fanaova zay marina.
\p
\v 14 Laha misy tsy mankato gny safantsika amy toy taratasy toy, mariho eo imason'ny olo ie sady ka mana fifandraisa aminy, ka mety ho megnatsy ie.
\v 15 Ka rambesy ho fahavalo ie, fa hagnaro hanahaky gny rahalahy.
\p
\v 16 Fa gny Tompon'ny fiadagna anie hagnome fiadagna gnanareo amin'ireo fotoa voho amin'ireo fomba iaby. Ho aminareo iaby anie gny Tompo.
\v 17 Toy ro fanaovako veloma, zaho Paoly, tamin'ny tagnako, zay famantara amin'ny taratasy iaby. Zao ro soratso.
\v 18 Gny fahasoan'i jesosy Kristy Tompontsika anie ho aminareo iaby.