msh_reg/53-1TH.usfm

130 lines
13 KiB
Plaintext

\id 1TH
\ide UTF-8
\h 1 Tesaloniana
\toc1 1 Tesaloniana
\toc2 1 Tesaloniana
\toc3 1th
\mt 1 Tesaloniana
\c 1
\cl Toko 1
\p
\v 1 Paoly, Silasy voho Timoty ho gnan'ny fiangonanireo Tesaloniana ao amin-Dranagnahary Baba voho Jesosy Kristy Tompo. Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna.
\f + \ft Fanamarihana: Reo dikan-teny sasany taloha la mivaky hoe: Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna bakamin-Dranagnahary Baba voho Jesosy Kristy Tompo.” \f*
\p
\v 2 Magnome fisaora gnan-Dranagnahary mandrakariva rahay gny aminareo iaby, ka magnoma gnanareo amin'ny vavaky.
\v 3 Rahay la tsy mijno gny mahatiaro gnanareo eo agnatregan-Dranagnahary Raintsika gny asan'ny finoanareo, gny asan'ny hateanareo, voho fahatokianareo maharitsy ho gnan'ny ho bakao amin'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 4 Ry rahalahy tean-Dranagnahary, hainay fa Ie la fa nifily gnanareo,
\v 5 fotony gny filazantsaranay la bakaminareo tsy tamin'ny safa avao, fa tamin'ny hery avao koa, tamin'ny Fagnahy Masy, voho gny fahatokia be. Mitovy amin'io, nareo avao koa la mahay hoe olo manao akory rahay teo aminareo noho gny aminareo.
\v 6 Nanjary nanahaky gnanay voho gny Tompo nareo, tamin'ny nandrambesanareo gny safa tamin'ny aly sarotsy bevata voho tamin'ny fifalia bakamin'ny Fagnahy Masy.
\v 7 Volatrin'io, nanjary ohatsy ho gnan'ny iaby zay mino ao Makedonia voho Akaia nareo.
\v 8 Fa bakaminareo ro nanehoan'ny safan'ny Tompo, voho tsy tao Makedonia voho Akaia avao. Fa koa, safa amin'ny toera iaby ro nielezan'ny finoanareo gnan-Dranagnahary. Vokatr'izay, la tsy mila mivola ndra ino ino tsika.
\v 9 Fa rozy avao ro niresaky zay fandraisa azonay teo aminareo. Rozy la miresaky gny fomba nitolihanareo tamin-Dranagnahary ka niala tamin'ireo sampy mba hanompo gnan-Dranagnahary velo voho marina.
\v 10 Rozy la nitatitsy fa nareo la mandigny Gnanany vakagny an-danitsa zay natsangany tamin'ireo maty. Jesosy io, zay magnafaky gnantsika amin'ny fahatezera ho avy.
\c 2
\cl Toko 2
\p
\v 1 Fa gny vatanareo la mahay, ry rahalahy, fa gny hateanay teto aminareo la tsy foana.
\v 2 Hainareo fa taloha la nijaly sady nalam-baraka tagny Filipy rahay. rahay la mahasaky tao amin-Dranagnaharinay hilaza taminareo gny filazantsaran-Dranagnahary tao agnatin'ny fanohera bevata.
\v 3 Fotony gny fagnanaranay la tsy bakamin'ny fahadisoa, na bakamin'ny fahalotoa, na bakamin'ny fitaky.
\v 4 Fa koa, araky gny nankatoavan-Dranagnahary gnaay mba hatokisa amin'ny filazantsara, nohon'io la miresaky rahay. Miresaky rahay, tsy hampifaly gny olo, fa hahampiafaly gnan-Dranagahary, Ie izay mahay gny fonay.
\v 5 Fotony tsy la nampiasa na mbia mbia reo safa fandokafa rahay, araky gny hainareo, na koa ho fialan-tsiny amin'ny fitsiririta, fotony Ndranagnahary ro vavolombelonay.
\v 6 Na koa nila gny voninahitsy bakamin'ny olo rahay, na koa bakaminareo na bakamin'ireo hafa. Rahay la afaky nitaky reo tambotsoa manahaky reo apostolin'i Kristy.
\v 7 Fa koa, rahay la tsotsa teo aminareo manahaky gny reny mankahery gnanany naterany.
\f + \ft Fanamarihana: reo dikan-teny hafa sasany la mivaky manahaky gnan'izao: “Fa koa, rahay la manahaky gny aja kelikely teo aminareo, lafa mankahery gnanany naterany gny reniny.” \f*
\v 8 La manahaky gnan'io ro nanagnanay hatea ho gnanareo. Faly rahay mizara aminareo, tsy gny filazan-tasaranDranagnahary avao, fa gny fiaignanay manokana avao koa. Fotony nareo la lasa malalanay tokoa.
\v 9 Fotony tiaronay, ry rahalahy, gny asanay voho gny fisasaranay. Andro amagn'aly ro niasanay mba tsy ahafahanay mampanday mavesatsy gny raiky aminareo. Nandritsa gnan'io fotoa io, la nitory gny filazantsaran-Dranagnahary taminareo rahay.
\v 10 Nareo ro vavolombelo, sady Ndranagnahary avao koa, fa masina, voho marina, sady tsy manan-tsiny gny fiton-tenanay teo aminareo zay mino.
\v 11 Manahakay gnanio koa la hainareo manahaky gny akory ro nataonay taminareo kirakiraiky manahaky gny ataon'ny raiky amin'ny gnanany naterany,
\v 12 niangavy voho nankahery sady nandrisiky gnanareo rahay mba handeha amin'ny fomba zay mendriky gnan-Dranagnahary, zay mikaiky gnanareo ho ao amin'ny fanjakay voho gny voninahiny manokana.
\p
\v 13 Fa io antony io ro isaoranay avao koa gnan-Dranagnahary mandrakariva. Fa nareo lafa nandramby bakaminay gny hafatrin-Dranagnahary zay renareo, lanirambesinareo io tsy hanahaky gny safan'olo. Fa koa, nirambrsinareo io araky zay to, la gny safan-Dranagnahary. Io safa io avao koa ro miasa eo aminareo zay mino.
\v 14 Fotony nareo, ry rahalahy, la lasa manahaky reo fiangonan-Dranagnahary agny Jodia zay amin'i Jesosy Kristy. Fa nareo avao koa la nijaly tamin'ireo raha reo avao noho gny nataon'ireo mpiaray tanindraza aminareo, sahala gny nanjo gnan-drozy koa noho gny nataon'ny Jiosy taminy.
\v 15 Reo jiosy ro namono na gnan'i Jesosy Kristy na reo mpaminany. Reo Jiosy ro nandroaky gnanay. Tsy nankasitraky gnan-Dranagnahary rozy. Fa koa, rozy la fahavalon'ny olo iaby.
\v 16 Rozy la nandrara gnanay tsy hiresaky amin'ireo jentilisa mba tsy hamonjea gnan-drozy regny. Vokatrin'io la mamen gny fahotan'ny vatanay mandrakariva rozy. Gny fahatezera la tsy maintsy avy eo amin-drozy amin'ny farany.
\p
\v 17 Tafasaraky taminareo rahay, ry rahalahy, nandritsy gny fotoa fohy, tamin'ny fagnatreha fa tsy tamin'ny fo. Tena nazoto fatratry rahay, nagniry mare, gny hahita gny tarehinareo.
\v 18 Fotony nagniry gny ho agny aminareo rahay, Zaho, Paoly, matetiky, nefa nanakaa gnanay Satana.
\v 19 Fa ino moa gny fanantenanay gny ho avy, na fifalia, na satro-boninahitsy gny fandresea eo agnatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany? Moa tsy nareo manahaky reo sasany hafa koa va?
\v 20 Fa nareo ro voninahitsy voho fifalianay.
\c 3
\cl Toko 3
\p
\v 1 Nohon'io, lafa tsy afaky niaritsy gnan'io sasy rahay, la nieretreretinay fa soa gny mitoetra raiky tao Atena.
\v 2 Nandefa gnan'i Timoty rahay, rahalahinay voho mpiara-miasa ho gnan-Dranagnahary ao amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hagnamafy voho hankahery mikasikin'ny finoanareo
\f + \ft Fanamarihana: Gny dikan-teny sasany hafa taloha la mivaky hoe: “Nandefa gnan'i Timoty rahay, rahalahinay sady mpanompon-Dranaganahry ao amin'ny filazantsaran'i Kristy.” \f*
\v 3 Nataonay io mba tsy hisy olo ho taitsy noho reo fahoria reo. Fa gny vatanareo la mahay fa io ro nanendrea gnantsika.
\v 4 Marina tokoa, lafa niaraky taminareo rahay, la nilaza mialoha taminareo fa tsika la tsy maintsy hampahory, sady nitranga io, araky gny hainareo.
\v 5 Nohon'io antony io, lafa tsy naharitsy gnan'io sasy aho, la nagniraky mba ahaizako gny finoanareo. Angamba gny mpaka fagnahy la fa nangalaky fagnahy gnanareo, sady ho zava-poana gny asantsika.
\p
\v 6 Fa avy tatoy aminay bakagny aminareo i Timoty sady nanday gny vaovao mahafalin'ny finoa voho hateanareo ho gnanay. Nilaza taminay ie fa nareo la mana fahatiarova soa gnanay avao, sady nareo la magniry mare gny ahita gnanay manahaky gny fagnirianay ahita gnanareo.
\v 7 Nohon'io, ry rahalahy, rahay la nampaherezinareo nohon'ny finoanareo, tao agnatin'ny fitaitaigna voho fahorianay iaby.
\v 8 Fa amizao velo rahay, laha mifikitsy mareo amin'ny Tompo nareo.
\v 9 Fa fisaora manao akory ro azonay amea gnan-Dranagnahary gny aminareo, tamin'ny fifalia iaby zay anagnaay teo agnatrehan'ny Ndranagnaharinay noho gny aminareo?
\v 10 Mivavaky mare andro amagn'aly rahay mba ahita gny endrikareo voho amatsy zay tsy ampy ao amin'ny finoanareo.
\p
\v 11 Ndranagnahary Babantsika vatany, sady Jesosy Tompontsika anie, hagnitsy gny lalanay ho aminareo.
\v 12 Gny Tompo anie hampitombo voho hampandroso ami'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa voho gny olo iaby, manahaky gny ataonay aminareo koa.
\v 13 Ie anie hagnamafy gny fonareo, ka mba tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasigna rozy eo agnatrehan-Dranagnahary Babantsika, amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ireo masiny iaby.
\c 4
\cl Toko 4
\p
\v 1 Sady farany, ry rahalahy, mampahery voho magnanatsy gnanareo rahay ao amin'ny Tompo Jesosy. Laha nahazo reo fampianara bakaminay mikasikin'ny fomba tsy maintsy handehananareo voho hamalifalianareo gnan-Dranagnahary, gny amin'io lala andehana io avao koa, la mba anaovanareo mandilatsy io.
\v 2 fa nareo la mahay reo fampianara zay nameanay gnanareo tamin'ny alalan'i Jesosy Tompo.
\p
\v 3 Fa zao ro sitrapon-Dranagnahary, la gny hagnamasina gnanareo, mba hialanareo amin'ny fijangajanga,
\v 4 zay ahaizan'ny kirakiraiky bakaminareo gny fomba ahazoa gny fanaky gny vatany ao amin'ny fahamasigna voho voninahitsy,
\v 5 tsy amin'ny filan-draty (manahaky reo jentilisa zay tsy mahay gnan-Dranagnahary).
\v 6 Ao tsy hisy olo handika na hagnaratsy gny rahalahiny amin'io. Fa gny tompo ro mamaly amin'iregny raha iaby regny, manahaky gny nampiatandremanay mialoha voho nijoroanay vavolombelo taminareo.
\v 7 Fa Ndranagnahary tsy niakiky gnay ho amin'ny fahalotoa, fa amin'ny fahamasigna.
\v 8 Nohon'io, ie zay manda gnan'io la tsy manda olo, fa Ndranagnahary, zay nagnome gny fagnahiny Masy ho gnanareo.
\p
\v 9 Momban'ny fifankatiavan'ny mpiarahalahy, tsy mila olo hafa nareo hanoratsy ho gnanareo, fa nareo vatanareo la nampianarin-Dranagnahary mba hifankatia.
\v 10 Ataonareo manahaky gnan'io, ho gnan'ireo rahalahy iaby zay eran'i Makedonia. Fa rahay la mananatsy gnanareo, ry rahalahy, mba hanao mihoatsy.
\v 11 Magnanatsy gnanareo avao koa rahay mba hagnandra hiay am-pilamina, hisaina gny raharahanareo manoka, sady hiasa amin'ny tagnanareo, araky gny nandidianay gnanareo,
\v 12 mba hanagnanareo fitondran-tena mendriky eo agnatrehan'ireo tsy mino voho hanan-draha mahory.
\p
\v 13 Fa tsy teanay tsy ho hainareo, ry rahalahy, gny mikasiky gnan'ireo zay nodimandry, mba tsy halavenovanareo manahaky reo ambiny zay tsy mana antoky gny amin'ny ho avy.
\v 14 Fa laha mino tsika fa Jesosy la maty ka nitsanga ndraiky, la manahaky gnan'io koa ro hagnandesan-dranagnahary miaraky amin'i Jesosy reo zay fa nodimandry tao aminy.
\v 15 fa zao ro lazainay aminareo tamin'ny safan'ny Tompo, fa tsika zay velo, zay tsy hialoha tokoa reo zay nodimandry.
\v 16 Fa gny vatan'ny Tompo ro hizotso bakagny an-danitsy. Ho avy miaraky amin'ny feo avo Ie, miaraky amin'ny feon'ny Arkanjely, voho miaraky amin'ny tromperan-Dranagnahary, sady gny maty ao amin'i Kristy ro hitsanga voalohany.
\v 17 bakeo tsika zay velo, zay sisa tavela, hiaraky hiakatsy amin-drozy egny amin'ny rahona ka hihaona amin'ny Tompo egny amin'ny habakabaky. amin'io la hiaraky amin'ny Tompo mandrakariva tsika.
\v 18 Nohon'io, mifankahereza amin'ireo safa reo.
\c 5
\cl Toko 5
\p
\v 1 Amizao mikasiky reo fotoa voho reo vanim-potoa, ry rahalahy, tsy mila na ino ino voasoaratsy ho gnanareo nareo.
\v 2 fa nareo vatanareo mahay soa fa gny andron'ny Tompo la ho avy manahaky gny mpangalatsy amin'ny haly.
\v 3 Lafa miresaky rozy, “Miadagna voho milamina,” la fahapoteha tampoky ro ho avy amin-drozy. Hanahaky gny fahararian'ny ampela bevohoka lafa miteraky gnan'io. Tsy ho afa-mandositsy mihintsy rozy.
\v 4 Fa nareo, ry rahalahy, la tsy ao agnatin'ny hahiky ka hahatratry gnanareo tampoky manahaky gny mpangalatsy gny andro.
\v 5 fa nareo iaby la anaky gny mazava voho anaky gny andro. tsy anaky gny haly tsika na gny hahiky.
\v 6 Nohon'io, ndeha tsika tsy hiroro manahaky gny fataon'ny ambiny. Fa koa, ao tsika hiamby voho hahonon-tena.
\v 7 fa reo zay miroro la manao gnan'io amin'ny haly, sady reo zay mamo la manao gnan'io avao koa amin'y haly.
\v 8 fa laha mbo gnan'ny andro tsika, la tsy maintsy mahonon-tena tsika sady misiky finoa voho hatea ho fiarovan-tratra, sady gny antoky gny famonjea amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsika.
\p
\v 9 Fa Ndranagnahary tsy nanendry gnantsika ho amin'ny fahatezera, fa hahazoa gny famonjea amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 10 Ie gny maty ho gnantsika, na mifoha tsika na miroro, la afaky miara-miay aminy.
\v 11 ka nohon'io mifampionona sady mifampahereza nareo, manahaky gny fa nataonareo.
\p
\v 12 Mangataky aminareo rahay, ry rahalahy, mba hagnenkeanareo zay mikely aina aminareo voho manday gnanareo amin'ny Tompo sady zay magnanatsy gnareo.
\v 13 mangataky gnanareo avao koa rahay mba hagnaja gnan-drozy am-pitiava noho gny asan-drozy. Mihavagna amin'ny vatanareo.
\p
\v 14 magnanatsy gnanareo rahay, ry rahalahy: mampitandrema gny fikorontagna, hampaherezo reo kivy, ampio reo malemy, mahareta amin'ny iaby.
\v 15 Ingo tsy misy olo mamaly raty gny raty na amin'ia nia. Fa koa, mila zay soa ho gnan'ny kirakiraiky voho ho gnan'ny iaby.
\p
\v 16 Mifalia mandrakariva.
\v 17 Ka mijano mivavaky.
\v 18 Misaora amin'ny raha iaby. Fa io ro sitrapon-Dranagnahary ao amin'i Kristy Jesosy ho gnanareo.
\p
\v 19 Ka mamono gny fagnahy.
\v 20 Ka manao tsinontsino reo faminania.
\v 21 Andramo gny raha iaby. Mifikira amin'izay soa.
\v 22 Alao reo fisehoan'ny raty iaby.
\p
\v 23 Ndranagnahary gny fiadagna anie hampamasina gnanao tanteraky. Ao gny fagnahinareo manontolo, gny ay, voho gny vata la hoterizy tsy hanan-tsiny ho amin'ny fiavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 24 Mahatoky ie gny mikaiky gnanao, gny raiky zay hanao gnan'io avao koa.
\p
\v 25 Ry rahalahy, mivavaha avao koa ho gnanay.
\v 26 Arahabao amin'ny fagnohara masina gny rahalahy iaby.
\v 27 mangataky aminareo amin'ny Tompo aho mba ho vaky amin'ny rahaly iaby toy taratasy toy.
\v 28 Ho aminareo anie gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.