# Ahoana no nanoritsoritan'ilay vehivavy ny malalany eo amin'ireo tovolahy? Nanoritsoritra ny tovolahiny toy ny hazo paiso izay eo amin'ireo hazon'ny ala ilay tovovavy. # Taiza no nipetrahan'ilay tovovavy? Nipetraka teo ambanin'ny alokany tamin'ny hafaliam-be izy. # Inona no mamy aminy? Ny voany no mamy ao am-bavany. # Taiza no nitondran'ilay tovolahy azy? Nitondra azy tany amin'ny trano amin'ny fanasam-be ilay tovolahy. # Inona no fanevany taminy? Ny fanevany taminy dia fitiavana.